Teny iditra | 1 kenda |
Sokajin-teny | 2 mpamaritra |
Fanazavàna teny malagasy |
3 [1.1] Misy zavatra mibahana ao anaty tenda ka manjary sempotra tsy afa-miaina: Kendam-bomanga i Lita kely ka nivontirika ny voamasony Voageja, voatery mafy, voafihina ny tenda: Kenda aho fa vahao ny bokotry ny vozon' akanjoko Enti-milaza zavatra, fantsona na lakan-drano, izay tsentsina na tampina ka tsy mamela handeha izay asisika na alefa ao anatiny: Kenda ny basy ka tsy mety mandeha ny fahana |
Fanazavàna teny anglisy |
4 [1.7] choked, throttled |
Fanazavàna teny frantsay |
5 [1.3#322, 1.8] étranglé 6 [1.3#322] serré au cou, obstrué, se dit du gosier, des canaux, des fusils, des tuyaux, des tubes |
Ohatra |
7 Tompoko, hoy i Fandrava tamin'ny feo efa kenda. [2.895#191] 8 Niantso vonjeo aho kanefa tsy naloa-peo fa kenda. [2.643#169] 9 kendan’ ny taolana aho (Je suis étranglé par un os) [1.3#322] 10 kendan' ny vozon' akanjo aho (Je suis étranglé par le collet de la chemise) [1.3#322] 11 kenda ny basy ka tsy mety mandeha fahana (La charge du fusil est trop serrée et il ne veut pas partir) [1.3#322] |
Sampanteny |
|
Kamban-teny |
|
Ohabolana | 21 Ohabolana misy io teny kenda io |
Nohavaozina tamin' ny 2025/01/21 |
![]() |