|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  lahy
Sokajin-teny  2  anarana na mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  3  Teny entina milaza olona na biby mifanohitra amin' ny vavy. Raha itenenana olona ny hoe lahy dia fampiasa: 1) Hilazana zanaka lahy: Dimy mianadahy ny zanako; telo vavy, roa lahy. 2) Miaraka amin' ny teny milaza isa: Dia niainga izy roa lahy. 3) Ilazana ny vady lahy: Rasoa no ao fa ny lahy vao lasa nivoaka 4  Manana ny fomba na toetran-dehilahy: Hanao tantsambo hono ny zanany lahy. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  5  a male, a man; a husband 6  masculine [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  7  mâle; homme; mari 8  mâle, masculin [1.8]9  mâle [Sakalava-Mayotte] [1.405]
Ohatra  10  Endrey, hoy ny lahy somary nihoraka; [2.470#102]
11  lahy iray izay no mba azy, tsy mitoetra miaraka aminy akory fa lasa nihary any anindratany any [2.470]
12  Dekona lahy sy vavy Analakely. [2.59#284]
13  ombi-lahy mitrena an-tseranana [2.245#53]
Haiendriteny 
14  Tsotra :
15  Tovonana :
Sampanteny 
16  Matoantenin' ny mpanao :
17  Anarana :
18  Mpamaritra :
Kamban-teny 
Anaram-biby 
Anaram-javamaniry 
Anaram-poko 
Anaran' olona 
Anaran-toerana 
Ohabolana  89  Ohabolana misy io teny lahy io

Teny iditra (2/2)90  lahy
Sokajin-teny  91  tenim-piontanana
Fanazavàna teny malagasy  92  Tenim-piontanana enti-milaza:
1) Alahelo, tsy fanampoizan-javatra: Lasa tokoa lahy izy!
2) Fiangaviana na fangatahana somary miambezo: Mba omeo aho lahy!
3) Fisalasalana, tsy fahalalana: Asa lahy! fa tezitra foana teo izy
4) Faniriana: Raha nanam-bola aho lahy novidiko itỳ saha itỳ [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  93  used in phrases like: asa lahy!, tsara lahy!, maty lahy! [1.2]
Kamban-teny 
Tsanganana sy sary iray takila  95  Ny tenim-piontanana rehetra

Fivaditsoratra  96  haly, lahy

Nohavaozina tamin' ny 2023/05/19