Teny iditra (1/3) | 1 lalana |
Sokajin-teny | 2 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
3 [1.1] Soritra namboarina hatao fandehanana mampitohy toerana na tanàna roa: Tsara ny lalana mankany Mojanga / Manaraha mandrakariva ny lalan' ny fahamarinana Zavatra tsy maintsy atao mba hahatongavana amin' izay kendrena: Ny fikezahana no lalana mitondra amin' ny fahombiazana Fahazoana manao zavatra iray, fahazoam-pahefana hanao zavatra iray: Iza no nanome lalana anao hiditra ato amin' ny sahako? (diso ny mampiasa ny teny hoe "alalana" amin' ny fehezan-teny toy io): Mangata-dalana handeha izahay, tompoko. Teny misy hevitra ifandraisany: Lalan-kely, lalan-tsarety, lalam-be, arabe, lalam-boahangy, kizo, soritra, diantsarety, sakeli-dalana, kihondalana, fihaonan-dalana, sampan-dalana, hodimirana, finlahana, fivilian-dalana, lalamasaka, kizo tokana, lalantampina |
Fanazavàna teny anglisy |
4 [1.2] a road, a way, a path [Mal. jalan; Jav. Dalan] see alalana, andalana, for many derivatives 5 [1.7] a road |
Fanazavàna teny frantsay |
6 [1.8] route, chemin 7 [1.13] voie, rue 8 [1.405] [Sakalava-Mayotte] [lalaña] chemin |
Ohatra |
9 lalany ihany ny lohasaha firaofany. [2.470] 10 Sarotra amin'izy efa-mianaka mihitsy ny manaraka ny lalana|dalana, fa efa feno ny mpandositra, ka dia ny manavatsava manao hitsin-lalana|dalana no nataony. [2.324] 11 Nihantsy ady taminy aho, hanova azy ho lalan' ny Fahafahana, saingy toa ho resiny. [2.471] |
Haiendriteny |
|
Sampanteny |
|
Kamban-teny |
|
Anaram-biby |
|
Lohateny |
92 Ny lalam-piainan' i Md Louis de Montfort (Gobry Ivan) 93 Ny lalana nombako (Ravelomanana Hermann) 94 Tari-dalam-pifandraisana : Guide to Communication Malagasy-Français-English (Yount James W.) |
Ohabolana | 95 Ohabolana misy io teny lalana io |
Lahatsoratra |
96 Randzavola: lalana ao amin' ny Baiboly (=> varotra sy ranto) |
Teny iditra (2/3) | 97 lalàna |
Sokajin-teny | 98 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
99 [1.1] Fitsipika na amboaram-pitsipika tsy maintsy arahin' ny olon-drehetra, avoakan' ny mpitondra fanjakanà, na voaraikitry ny fomba amam-panao hatra ny fahagolan-tany, na ataon' ny solombavambahoaka: Fantatrao ve ny lalàna momba ny fifidianana? / Makà hevitra amin' ny olona mpahay lalàna ianao Fepetra arahina amin' ny sokajin-javatra na fahaizana manokana: Araka ny lalànan' ny fitsipipitenenana malagasy dia tsy asiana / amin' ny fanakambanon-teny, raha ka na tra no iafaran' ny teny voalohany: Kara-pifidianana |
Fanazavàna teny anglisy |
100 [1.7] [French la loi] a law |
Fanazavàna teny frantsay |
101 [1.8] [français la loi] loi |
Haiendriteny |
|
Kamban-teny |
|
Lohateny |
132 Didy aman-dalana manan-kery ampiharina amin'ny Fifidianana : Recueil officiel des lois et règlements généraux applicables en matière d'élections (Fanjakana Malagasy) 133 Lalana velona didy nangonina momba ny kadasitra malagasy (Fanjakana Malagasy) |
Ohabolana | 134 Ohabolana misy io teny lalàna io |
Lahatsoratra |
135 Randzavola: lalàna ao amin' ny Baiboly |
Teny iditra (3/3) | 136 Lalana |
Sokajin-teny | 137 anarana (lohatenin' boky) [Fitanisana] |
Voambolana |
138 Haisoratra: boky |
Mpanoratra |
139 Rakotoson Michèle |
Fivaditsoratra | 140 alalan, lalàna, lalana, Lalana, nalala |
Nohavaozina tamin' ny 2023/09/13 |