|
|
|
|

Teny iditra (1/4)1  lolo
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.1] Anarana ilazana amin' ny ankapobeny irao bibikely misy elatra efatra maro karazana rakotra elakelaka manify mandraraka vovobovoka ary voaravaka loko mamirapiratra
4  [1.13] lolobe, lay
Fanazavàna teny anglisy  5  [1.7] a butterfly
Fanazavàna teny frantsay  6  [1.8, 1.13] papillon
Ohatra  7  [2.332#] Ny renintantely sy ny lolo
Voambolana  8  Haibiby: tsy manan-kazon-damosina
Sampanteny 
9  Matoantenin' ny mpanao :
Kamban-teny 
Anaram-biby 
Anaram-javamaniry 
Ohabolana  21  Ohabolana misy io teny lolo io

Teny iditra (2/4)22  lolo
Sokajin-teny  23  anarana
Fanazavàna teny malagasy  24  [1.1] Araka ny finoan' ny Ntaolo: fanahin' ny olona maty mihelohelo manodidina ny velona toy ny angatra na ny matoatoa, saingy amin' ny tarehi-na lolo ary mazàna manambara zavatra na mahatonga harary
25  [1.78] [Bara] fasana, an-dolo
Fanazavàna teny anglisy  26  [1.7] a ghost
Fanazavàna teny frantsay  27  [1.8] spectre, revenant (fantôme)
Voambolana  28  Finoana
Mpanahaka  29  angatra, matoatoa
Kamban-teny 
Anaram-javamaniry 
Anaran' olona 
Teny nalaina  41  Soratra misy io teny lolo io

Teny iditra (3/4)42  lolo
Sokajin-teny  43  anarana
Fanazavàna teny malagasy  44  [1.1] Aretinkibo mahavoa tampoka
Voambolana  45  Fahasalamana

Teny iditra (4/4)46  lolo
Sokajin-teny  47  mpamaritra
Fanazavàna teny frantsay  48  [1.3] [duplicatif diminutif]
Fototeny  49  lo

Nohavaozina tamin' ny 2025/06/05