Teny iditra |
lolo
|
Sokajin-teny | anarana
|
Fanazavàna teny malagasy | Anarana ilazana amin' ny ankapobeny irao bibikely misy elatra efatra maro karazana rakotra elakelaka manify mandraraka vovobovoka ary voaravaka loko mamirapiratra [1.1]
|
| Lolobe, lay [1.13]
|
Fanazavàna teny anglisy | A butterfly [1.7]
|
Fanazavàna teny frantsay | Papillon [1.8, 1.13]
|
Ohatra | Ny renintantely sy ny lolo
[2.332]
|
Voambolana |
Sampanteny |
Kamban-teny |
|
Anaram-biby |
|
Ohabolana |
|
Teny iditra |
lolo
|
Sokajin-teny | anarana
|
Fanazavàna teny malagasy | Araka ny finoan' ny Ntaolo: fanahin' ny olona maty mihelohelo manodidina ny velona toy ny angatra na ny matoatoa, saingy amin' ny tarehi-na lolo ary mazàna manambara zavatra na mahatonga harary [1.1]
|
| [Bara]
Fasana, an-dolo [1.78]
|
Fanazavàna teny anglisy | A ghost [1.7]
|
Fanazavàna teny frantsay | Spectre, revenant (fantôme) [1.8]
|
Voambolana |
Kamban-teny |
|
Anaram-javamaniry |
|
Mpanahaka |
angatra ~
matoatoa |
Teny nalaina |
|
Teny iditra |
lolo
|
Sokajin-teny | anarana
|
Fanazavàna teny malagasy | Aretinkibo mahavoa tampoka [1.1]
|
Voambolana |
|
Teny iditra |
lolo
(lo)
|
Sokajin-teny | mpamaritra
|
Fanazavàna teny frantsay | [duplicatif diminutif] [1.3]
|
|