|
|
|
|

Teny iditra (1/3) 1  mamahana
Fototeny  2 fahana
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 Manome hanina, mampihinana: Mbola mamahana ny soavaliny i dada ~ Mamahana ny zanany ny vorona
9 Manisy fahana: Mamaham-basy
10 Manodina ny vimiainan' ny famantaranandro mba hahafahany mandeha maharitra: Mamahana famantaranandro
11 Mampiditra ny kofehy mitsivalana amin' ny lamba tenomina: Efa namahana ny tenona ve izao i Nenibe? [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  12 to feed, to tend, to treat hospitably, to make a present to strangers, to weave, or pass the shuttle through the warp; to wind up a spring; to load a gun, etc. [1.2]
13 to offer a gift of food, to feed; to load a gun; to wind a clock [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  14 offrir un cadeau en vivres à un étranger, donner un repas, servir à table, nourrir, donner à manger, donner la nourriture aux animaux, charger une arme, monter une montre, mettre une trame: Mamahana ny havako aho anio (Je donne un repas aujourd'hui à mes parents) ~ Mamahana antsika Andriamanitra (Dieu nous nourrit) ~ Ny voro-manidina mamahana ny zanany (Les oiseaux donnent à manger à leurs petits) [1.3]
15 fournir la nourriture; donner à manger, nourrir; charger un fusil; remonter une horloge [1.8]
Fikambanana  16  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 5 misy ny teny hoe mamahana

Teny iditra (2/3) 17  mamahana
Fototeny  18 fahana
Sokajin-teny  19  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
20  Ny ankehitriny :
21  Ny lasa :
22  Ny hoavy :
23  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  24 Mifikitra, mamikitra, misaringotra amin' ny zavatra iray mba tsy hianjera: Saiky nianjera tany an-tevana aho raha tsy namahana tamin' ny vody hazo iray
25 Manao ditra tsy handeha, mitokona: Namahana teo am-baravarana izy ka tsy nandeha raha tsy norahonana [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  26 to hold fast to something, as a balustrade or cord; to place the feet firmly on the ground in supporting anything or resisting any one, or as a cat pulled by the tail clings to the ground with its claws; to rest upon something or some one, as in resting confidently on God; to detain, to prevent from going or being drawn away; to hold to what belongs to another. [1.2]
Mpanahaka  27  Mamahatra, 28  mihenahena, 29  Mitokona, 30  mitokozihitra
Fikambanana  31  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 1 misy ny teny hoe mamahana

Teny iditra (3/3) 32  mamahana
Fototeny  33 fahana
Sokajin-teny  34  filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mamahana [Fitanisana]

Fivaditsoratra  35 mahanama, mamahàna, mamahana

Nohavaozina tamin' ny 2026/08/19