|
|
|
|

Teny iditra (1/2) 1  mamono
Fototeny  2 fono
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 Mandrakotra, manisy fonony: Aza asiana mikobana rehefa mamono boky
9 Manafina: Mamono vola madinika an-joron-damba [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  10 to cover, to wrap up, to swathe, to put the burial clothes on a corpse. [1.2]
11 to wrap; to bind a book [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  12 envelopper, emballer; relier [1.8]
Fikambanana  13  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 5 misy ny teny hoe mamono
Ohabolana  14  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/2) 15  mamono
Fototeny  16 vono
Sokajin-teny  17  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
18  Ny ankehitriny :
19  Ny lasa :
20  Ny hoavy :
21  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  22 Mikapoka: Itỳ manko mamono anay ò, hoy Ibalita tamin-dreniny
23 Manala aina, mahafaty: Mamono olona maro isan-taona ny toaka
24 Mitsoka: Mamono jiro
25 Manafoana: Mamono lalana
26 Mikosoka: Mamono soratra [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  27 to kill; to beat; to erase writing [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  28 tuer, battre [1.3, 1.8]
29 éteindre, effacer, arrêter le cours de l'eau, obstruer un chemin [1.3]
30 effacer une écriture [1.8]
Ohatra  31  mamono omby atao levenan' andriana. [2.69]
32  Filanjan-defona no ahy fa ny olon-kamono any ihany [2.558]
Fikambanana  33  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 22 misy ny teny hoe mamono

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/21