|
|
|
|

Teny iditra (1/4) 1  mamoy
Fototeny  2 mamo
Sokajin-teny  3  filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mamoina [Fitanisana]

Teny iditra (2/4) 4  mamoy
Fototeny  5 foy
Sokajin-teny  6  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
7  Ny ankehitriny :
8  Ny lasa :
9  Ny hoavy :
10  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  11 [Antesaka] mihataka, miala [1.78]
12 Very zavatra, maty havana ka tsy manantena azy intsony: Efa namoy ilay bokiko very aho kango hay hitako ihany ~ Ny harivan' ny andro voalohany amin' ny Fandroana ny Malagasy no mamoy [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  13 to forsake, to desert. [1.2]
14 to give up
15 to lose by death [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  16 renoncer [1.3#180, 1.8]
17 Abandonner, céder à, donner [1.3#180]
18 perdre quelqu'un par la mort [1.8]
Ohatra  19  Mafy anie a Rangahy, ny mamoy tsisy takalony ahay. [2.245#68]
20  Aleo maty toy izay manompo Vazaha sy mamoy ny fomban-drazana. [2.588#]
Fikambanana  21  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 3 misy ny teny hoe mamoy
Ohabolana  22  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (3/4) 23  mamoy
Fototeny  24 foy
Sokajin-teny  25  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
26  Ny ankehitriny :
27  Ny lasa :
28  Ny hoavy :
29  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  30 Vaky mandeha nana, mivoaka nana: Namoy ilay vay teo an-kandriny [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  31 to suppurate [1.2]
Voambolana  32  Fahasalamana

Teny iditra (4/4) 33  mamoy
Fototeny  34 foy
Sokajin-teny  35  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  36 Mamotsika: Mamoy hao (fiteny koa ny hoe mifoy: mifoy hao) [1.1]

Fivaditsoratra  37 Imamo, mamoy, 38 mioma

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/21