|
|
|
|

Teny iditra1  manao
Fototeny  2  tao
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  4  [1.1] Mamorona zavatra vaovao: I Denis Papin no nanao ny masinina mandeha amin' ny herin' ny etona
Mahary, mampisy ny tsy misy: Andriamanitra no nanao izao tontolo izao
Manamboatra, manangana, mandrafitra: Nanao trano any ambanivohitra izahay ~ Manao latabatra
Mikarakara sy mahavita, manatanteraka asa iray: Aoka samy hanao ny adidiny ~ Tsy hanao izany tetika amporisihinao izany aho na homenao vola be aza
Miteny, milaza: Dia hoy Andrianampoinimerina nanao hoe: "Ny ranomasina no valampariako"
Milatsaka, mirotsaka amin' ny raharahairay: Nanao dokotera ny zokiko
Mihevitra: Manao ahy ho badolahy manko ianao
Mikasa, mitetika: Nanao handeha rahariva izy
Mitondra (akanjo, fitafiana na haingo) eny amin' ny tena: Tonga nitady anao teo ilay olona manao solomaso mainty iny
Mametraka: Iza no nanao ny kofafa teto ambony latabatra?
Fanazavàna teny anglisy  5  [1.7] to do, to act; to think
Fanazavàna teny frantsay  6  [1.8] faire, agir; penser
Haiendriteny 
7  Ny ankehitriny :
8  Ny lasa :
9  Ny hoavy :
10  Filaza mandidy :
Mpanahaka  11  manao tokoa, manao dia manao, mimaso, tsy mivandy, tsy manamohamo, tsy mihambahamba, mikatroka, somokotra, jenitra, miala nenina, miady fo, miotrikotrika, mimokitra, mamono masoandro
Kamban-teny 
Lohateny  447  Malgache – Manao ahoana (Rajaobelina-Bilbao Monique)
Ohabolana  448  Ohabolana misy io teny manao io

Fivaditsoratra  449  amona-, aoman, manao, manoa, maona, moana, namoa, naoma, omana

Nohavaozina tamin' ny 2025/02/08