|
|
|
|

Teny iditra 1  manao
Fototeny  2 tao
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 Mamorona zavatra vaovao: I Denis Papin no nanao ny masinina mandeha amin' ny herin' ny etona
9 Mahary, mampisy ny tsy misy: Andriamanitra no nanao izao tontolo izao
10 Manamboatra, manangana, mandrafitra: Nanao trano any ambanivohitra izahay ~ Manao latabatra
11 Mikarakara sy mahavita, manatanteraka asa iray: Aoka samy hanao ny adidiny ~ Tsy hanao izany tetika amporisihinao izany aho na homenao vola be aza
12 Miteny, milaza: Dia hoy Andrianampoinimerina nanao hoe: "Ny ranomasina no valampariako"
13 Milatsaka, mirotsaka amin' ny raharahairay: Nanao dokotera ny zokiko
14 Mihevitra: Manao ahy ho badolahy manko ianao
15 Mikasa, mitetika: Nanao handeha rahariva izy
16 Mitondra (akanjo, fitafiana na haingo) eny amin' ny tena: Tonga nitady anao teo ilay olona manao solomaso mainty iny
17 Mametraka: Iza no nanao ny kofafa teto ambony latabatra? [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  18 to do, to act; to think [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  19 faire, agir; penser [1.8]
Mpanahaka  20  jenitra, 21  mamono masoandro, 22  manao dia manao, 23  manao tokoa, 24  miady fo, 25  miala nenina, 26  mikatroka, 27  mimaso, 28  mimokitra, 29  miotrikotrika, 30  somokotra, 31  tsy manamohamo, 32  tsy mihambahamba, 33  tsy mivandy
Fikambanana  34  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 440 misy ny teny hoe manao
Ohabolana  35  Ohabolana misy io teny io

Fivaditsoratra  36 Amona, manao, 37 manoa, 38 Maona, maona, 39 moana, 40 omana, 41 Onama

Nohavaozina tamin' ny 2026/08/18