|
|
|
|

Teny iditra (1/2) 1  manavaka
Fototeny  2 avaka
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 Mampisaraka, manasaraka: Ny saina no manavaka ny olona amin' ny biby
9 Manokantokana, manefitra, manisy fefy: Tsy tsara ny manavaka ny mahantra na ny mavomavo satria samy olombelona ihany. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  10 to separate, to sever, to put asunder; to segregate. [1.2]
11 to separate, to segregate, to make distinctions [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  12 séparer, distinguer; faire des distinctions odieuses [1.8]
Ohatra  13  manavaka ny ondralahy sy ny osilahy. [2.996#]
14  Ny tikilambony koa no tena manavaka azy. [2.445#]
15  Ny lokony miloha mainty sy mitena fotsy sy mena no manavaka azy amin' ny sisin-tendrombohitra maitso lomotra, sy ny hamenan' ny nofon-tany nohadiana ho lalany. [2.470#111]
Fikambanana  16  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 1 misy ny teny hoe manavaka

Teny iditra (2/2) 17  manavaka
Sokajin-teny  18  anarana
Fanazavàna teny frantsay  19 [Betsileo] (plutôt prononcé magnavaka) (de vaka qui, dans le Betsileo signifie : gauche, confus, balourd). Nom donné au riz auquel sont mêlés beaucoup de grains vides ou de glumes déjà battues (équivalent merina : manakofa). [1.196]
Voambolana  20  Haizavamaniry

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/20