Teny iditra (1/2) | 1 mandingana (dingana) |
Sokajin-teny | 2 matoantenin' ny mpanao |
Fanazavàna teny malagasy |
3 Mitsambikina avy eo amin' ny ilan' ny tatatra, rano, hady... iray ka miampita erý amin' ny ilany iray: Tsy afaka mandingan-tatatra ny vehivavy sasany amin' ny zipony tery loatra 4 Mamela, manadino: Nandingana andalan-tsoratra efatra ianao tamin' ny tsianjery tao 5 Manitsaka: Tsy havelako handingana ny taniko intsony iny fa mpangalatra 6 Enti-misolony anarana hoe dingana amin' ny filazana ny refy: Impolo mandingana ny refin' itý trano itý 7 Mihoatra (fefy): Zazakely io ve ho afaka handingana tamboho tsivikinindahy [1.1] |
Fanazavàna teny anglisy |
8 to step over, to leap over, to jump to from a distance, to skip in reading [1.2] 9 to step over; to leave out, to skip [1.7] |
Fanazavàna teny frantsay |
10 enjamber, franchir, sauter, omettre [1.8] |
Ohatra |
11 Matiko hianao raha mandingana indray mandeha eo, hoy Ikemba. [2.499#] 12 Nandroso indray mandingana nanatona ilay mpanao dika vilana aho. [2.643#] 13 Mandroso indroa mandigana izy dia mihemotra na mivily indray mandingana. [1.369#] |
Haiendriteny |
|
Kamban-teny |
|
Teny iditra (2/2) | 19 mandingàna (dingana) |
Sokajin-teny | 20 filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mandingana |
Fanazavàna teny malagasy |
[1.1] |
Tsanganana sy sary iray takila |
21 Ny matoantenin' ny mpanao mandidy rehetra |
Fivaditsoratra | 22 mandingana, mandingàna, mandingana, mandingàna |
Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20 |