|
|
|
|

Teny iditra (1/3) 1  mandrahona
Fototeny  2 rahona
Sokajin-teny  3  mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  4 [Sihanaka] manombana (ny andro) [1.78]
5 Misy rahona, rakotry ny rahona: Mandrahona ny andro ka mampatoritory [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  6 cloudy [1.2]
7 to be cloudy [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  8 être nuageux [1.3#499, 1.8]
9 être sombre, faire ombre [1.3#499]

Teny iditra (2/3) 10  mandrahona
Fototeny  11 rahona
Sokajin-teny  12  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
13  Ny ankehitriny :
14  Ny lasa :
15  Ny hoavy :
16  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  17 Manaloka: Tokony hotapahina io hazo io fa mandrahona ny tranontsika
18 Manombana ho avy, mitrahotraho: Mitondrà elo fa mandrahona ny ranonorana
19 Manao fihetsehana milaza mialoha fa hamely, manambana: Mandrahona an' Ikoto Ramose ka mamitsaka Ikoto [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  20 to threaten [1.2, 1.7]
21 to menace [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  22 menacer [1.3#499, 1.8]
23 gronder [1.8]
Ohatra  24  Rah'a nahita ny tabataba niseho sy ny loza mandrahona ireto mpitondra entana dia nariany ny entana ka nitsoaka niverina izy. [2.588#]
25  Indrisy toa misy loza mandrakariva mandrahona eo amin' ny tatao-masony eo sy manoloana azy Toa hisy zavatra hianjera toa zavatra hikorontana o? [2.895#]
Fikambanana  26  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 1 misy ny teny hoe mandrahona

Teny iditra (3/3) 27  mandrahòna
Fototeny  28 rahona
Sokajin-teny  29  filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mandrahona [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  [1.3#499]

Fivaditsoratra  30 manandroha, mandrahona, mandrahòna, 31 mandrohana, 32 mandronaha, 33 manondraha

Nohavaozina tamin' ny 2026/08/19