|
|
|
|

Teny iditra (1/4)1  mangidy
Fototeny  2  ngidy
Sokajin-teny  3  mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  4  [1.1] Manana tsiro ratsy be amin' ny le-la, mampivivy, mifanohitra amin' ny mamy: Mangidy ny kininina ka tsy tian' ny zaza
Masiaka: Mangidy ny sakay
Mampahory izaitsizy, mampangirifiry
Mangidy izay fahoriana nanjo azy izay
Tsy anerany, mihoa-pampana: Mangidy ny halafon' ny hena ankehitriny izany
Fatratra, mantsalay, kinga sy mahay: Mangidy io Rangahy io raha hampianatra
Mafy, manindrona: Mangidy izany teny izany, hoy ny olona nihaino ny tenin' ny manampahefana
Sarotiny, mahihitra: Lehilahy mangidy velona iny; tsy hanome eranambatry anao iny na hiofo aza ny angidina
Fanazavàna teny anglisy  5  [1.2, 1.7] bitter
Fanazavàna teny frantsay  6  [1.8] amer
Ohatra  7  Ireo sady tsy manam-bary no tsy manam-bola dia mangidy indrindra ny manjo azy. [2.472]
Mpanahaka  8  mafaitra, mangeroka, hentona, monta, mangananganana, mangidy toy ny tangena, mangidy ohatra ny vahona
Kamban-teny 
Anaram-javamaniry 
Lohateny  22  Voankazo an' ala : ny mangidy aloa, fa ny mamy atelina (Rabenandrasana Lalao François)
Ohabolana  23  Ohabolana misy io teny mangidy io

Teny iditra (2/4)24  mangidy
Sokajin-teny  25  mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  26  [1.78] [Taisaka] saro-tongavina
Fanazavàna teny anglisy  27  [1.7] expensive
Fanazavàna teny frantsay  28  [1.8] qui coûte cher

Teny iditra (3/4)29  mangidy
Fototeny  30  hidy
Sokajin-teny  31  mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  32  [1.78] [Taisaka] mangidihidy
Fanazavàna teny frantsay  33  [1.405] [Sakalava-Mayotte] qui démange, qui donne envie de se gratter

Teny iditra (4/4)34  mangidy
Sokajin-teny  35  anarana
Fanazavàna teny frantsay  36  [1.196] (de ngidy : amertume, goût amer). Nom des arbres dont les écorces sont particulièrement amères. Notamment : Physena madagascariensis Thouars ex Tul. (Physenaceae) réf. Humbert 13.899. D'après G. Cours, on attribue à ces écorces des propriétés calmantes, sédatives. Écrasées fraîches, on en frotte la peau pour empêcher les sangsues aériennes de s'y fixer. [Sihanaka]
37  [Betsimisaraka]
Voambolana  38  Haizavamaniry: zavamaniry fanao fanafody
Anarana ara-tsiansa 

Fivaditsoratra  40  adingim, diminga, mangidy

Nohavaozina tamin' ny 2025/02/02