Teny iditra (1/4) | 1 mangidy |
Fototeny | 2 ngidy |
Sokajin-teny | 3 mpamaritra |
Fanazavàna teny malagasy |
4 [1.1] Manana tsiro ratsy be amin' ny le-la, mampivivy, mifanohitra amin' ny mamy: Mangidy ny kininina ka tsy tian' ny zaza Masiaka: Mangidy ny sakay Mampahory izaitsizy, mampangirifiry Mangidy izay fahoriana nanjo azy izay Tsy anerany, mihoa-pampana: Mangidy ny halafon' ny hena ankehitriny izany Fatratra, mantsalay, kinga sy mahay: Mangidy io Rangahy io raha hampianatra Mafy, manindrona: Mangidy izany teny izany, hoy ny olona nihaino ny tenin' ny manampahefana Sarotiny, mahihitra: Lehilahy mangidy velona iny; tsy hanome eranambatry anao iny na hiofo aza ny angidina |
Fanazavàna teny anglisy |
5 [1.2, 1.7] bitter |
Fanazavàna teny frantsay |
6 [1.8] amer |
Ohatra |
7 Ireo sady tsy manam-bary no tsy manam-bola dia mangidy indrindra ny manjo azy. [2.472] |
Mpanahaka | 8 mafaitra, mangeroka, hentona, monta, mangananganana, mangidy toy ny tangena, mangidy ohatra ny vahona |
Kamban-teny |
|
Anaram-javamaniry |
|
Lohateny |
Ohabolana | 23 Ohabolana misy io teny mangidy io |
Teny iditra (2/4) | 24 mangidy |
Sokajin-teny | 25 mpamaritra |
Fanazavàna teny malagasy |
26 [1.78] [Taisaka]
saro-tongavina |
Fanazavàna teny anglisy |
27 [1.7] expensive |
Fanazavàna teny frantsay |
28 [1.8] qui coûte cher |
Teny iditra (3/4) | 29 mangidy |
Fototeny | 30 hidy |
Sokajin-teny | 31 mpamaritra |
Fanazavàna teny malagasy |
32 [1.78] [Taisaka]
mangidihidy |
Fanazavàna teny frantsay |
33 [1.405] [Sakalava-Mayotte]
qui démange, qui donne envie de se gratter |
Teny iditra (4/4) | 34 mangidy |
Sokajin-teny | 35 anarana |
Fanazavàna teny frantsay |
36 [1.196] (de ngidy : amertume, goût amer). Nom des arbres dont les écorces sont particulièrement amères. Notamment : Physena madagascariensis Thouars ex Tul. (Physenaceae) réf. Humbert 13.899. D'après G. Cours, on attribue à ces écorces des propriétés calmantes, sédatives. Écrasées fraîches, on en frotte la peau pour empêcher les sangsues aériennes de s'y fixer. [Sihanaka]
37 [Betsimisaraka] |
Voambolana |
38 Haizavamaniry: zavamaniry fanao fanafody |
Anarana ara-tsiansa |
|
Fivaditsoratra | 40 adingim, diminga, mangidy |
Nohavaozina tamin' ny 2025/02/02 |
![]() |