| Teny iditra | 1 mendrika |
| Fototeny | 2 endrika |
| Sokajin-teny | 3 mpamaritra |
| Haiendriteny |
|
| Fanazavàna teny malagasy |
5 Enti-milaza olona (na ny fihetsiny) manana fahamboniana mitandro ny hajan' ny tenany: Lehilahy mendrika izy ka tsy mahagaga raha voafidin' ny vahoaka
6 Tokony hanana, tokony hahazo, noho ny toetrany na ny zava-bitany: Mendrika hofatzina ny olona nahavita heloka ~ Mendrika fiderana ny mpandresy 7 Sahaza, mifanaraka, mifanentana: Hahazo valiny mendrika ny asany avy ny olon-drehetra [1.1#652] |
| Fanazavàna teny anglisy |
8 worthy, deserving, dignified (distinguish from miendrika)
[1.7] |
| Fanazavàna teny frantsay |
9 digne, qui mérite; (à distinguer de miendrika)
[1.3#126, 1.8] |
| Ohatra |
10 mendrika loatra nataon' ny Frantsay amin' ny maha-firenena miady azy:
[2.472#137]
11 Nahatsapa ny tenany ho diso koa izy ka mendrika ny tsorakazo nomaniny. [2.470#85] |
| Fikambanana | 12 Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 1 misy ny teny hoe mendrika |
| Nohavaozina tamin' ny 2026/04/20 |
|