|
|
|
|

Teny iditra 1  endrika
Sokajin-teny  2  anarana
Haiendriteny 
3  Tsotra :
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Mpamaritra :
Fanazavàna teny malagasy  19 Ny fandehan' ny tarehy, ny tokotanin-tarehy: Mitovy endrika amin-dreniny io zazavavy io
20 Ny fisehoana ivelany: Mamitaka ny endri-javatra matetika
21 Ny bika: Tsara endrika ny tranonay any ambanivohitra [1.1]
22 tarehy [1.13]
Fanazavàna teny anglisy  23 image, form, visage, face [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  24 La forme, la figure, les traits, la tournure, l’air, la mine, l’extérieur, l’apparence, l’image [1.3#126]
25 forme [1.8, 1.13]
26 figure; tournure [1.8]
27 visage [1.13]
Ohatra  28  endrik' olona izany, bikan' olona izany! [2.4#7]
29  Mitovy endrika amin’ ny reniny izy (Il a les traits de sa mère) [1.3#126]
30  Nandritra iny ady iny anefa, niova endrika izany zavatra izany: [2.472]
31  Somary fohifihy kokoa noho izy sy marirandrirana endrika I Katy. [2.470]
32  endrim-pahalalana telo lafy (Forme de connaissance à 3 dimensions) [1.13]
33  Tsara endrika, manana endrika izy (Il a de belles formes, un bel extérieur) [1.3#126]
34  endrika voatsotra ho an'ny lalànam-potoana (Forme simple de la loi horaire) [1.13]
35  Niala teny amin' ny endriny ny eso, fa toa nanganohano aza no fijeriko ny tavany. [2.471#26]
36  Mora fitahin’ ny endri-javatra ny olona (On est facilement trompé par les apparences) [1.3#126]
37  Nataon’ Andriamanitra mitovy endrika aminy ny fanahintsika (Notre âme a été faite à l’image de Dieu) [1.3#126]
Fikambanana  38  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 17 misy ny teny hoe endrika
Ohabolana  39  Ohabolana misy io teny io

Fivaditsoratra  40 akendry, 41 andreky, endrika, 42 indreka

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/21