Teny iditra | 1 miandry |
Sokajin-teny | 2 matoantenin' ny mpanao |
Fanazavàna teny malagasy |
3 [1.1] mijanona eo amin' ny toerana anankiray ambara-pahatongan' ny olona na zavatra iray: Miandry ny zanako eto aho / Enimpolo taona no niandry ny fahafahana ny Malagasy tsy miala eo amin' ny toerana iray na eo ankilan' ny olona na zavatra iray mba hiambina azy: Miandry ny entanay any an-tsena izy mitily olon-dratsy: Miandry mpangalatra mitoetra eo ankilan' ny marary iray mba hikarakara azy: Iza no hiandry an-drainareo eny amin' ny hopitaly rahariva? |
Fanazavàna teny anglisy |
4 [1.2, 1.7] to wait; to wait for 5 [1.2] to be expecting; to expect, to watch, to tend, to herd 6 [1.7] to watch, to guard |
Fanazavàna teny frantsay |
7 [1.8] attendre; surveiller, garder |
Ohatra |
8 [2.528#] Izaho efa mivoajamala miandry anareo! 9 [2.895#] Mandrosoa rahavako fa miandry anareo. 10 [2.471#] miandry anao eto foana izahay roa kely. |
Fototeny | 11 andry |
Haiendriteny |
|
Kamban-teny |
|
Ohabolana | 20 Ohabolana misy io teny miandry io |
Fivaditsoratra | 21 indrami, miandry, mindray, nidiram |
Nohavaozina tamin' ny 2025/01/21 |
![]() |