|
|
|
|

Teny iditra (1/2) 1  miantsona
Fototeny  2 antsona
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 Manatona ny morona: Saika tsy afa-niantsona ilay lakanay noho ny rivotra
9 Mijanona, mandatsaka vatofantsika: Niantsona tamin' ny seranana firy izany ny sambo nitondra anareo vao tonga tany Marseille? [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  10 to be aground, to stop, to strike, to run ashore, as a canoe. [1.2]
11 to come to harbor, to anchor [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  12 Aborder, être arrêté au bord de l’eau, être au mouillage: Saiky tsy afa-niantsona ny lakana noho ny onjan-drano (La barque a abordé difficilement à cause des vagues) ~ Niantsona tamin’ ny seranana telo ny sambo (Le navire a mouillé dans trois ports) [1.3#57]
13 entrer en rade, ancrer [1.8]
Ohatra  14  Miala any Antongila izy, mihoatra any avaratry ny Tanjon' i Bobaomby ary dia miantsona mandray namana ao Nosy Be. [2.508#]
15  Ny hany tombony angaha dia tsy miantsona eny afovoan-drano ny sambo ka mba mahita fisomebisebena eo an-tseranana aho. [2.471#36]

Teny iditra (2/2) 16  miantsòna
Fototeny  17 antsona
Sokajin-teny  18  filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao miantsona [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  [1.3]

Fivaditsoratra  19 amantsony, 20 amintsano, miantsòna, miantsona

Nohavaozina tamin' ny 2026/08/15