|
|
|
|

Teny iditra 1  miaro
Fototeny  2 aro
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 [Antesaka] mialona, miady noho ny fialonana [1.78]
9 Manao izay tsy hahavoazan' ny fahavalo, ny loza, ny ratsy: Miaro ny zanany amin' ny papango ny reniakoho
10 Mitahy: Miaro antsika lalandava Andriamanitra
11 Misakana tsy ho voa: Miaro ny voa vao nafafy amin' ny hainandro ireto ampanga ireto
12 Mandrara: Miaro ny sahany tsy hihazana izy
13 Mamely raha misy mitady hikasika ny tena: Hita porofo fa niaro tena Rakoto [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  14 to defend, to guard, to protect, to forbid, to prevent; to watch with jealously. [1.2]
15 to protect, to defend [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  16 protéger, défendre [1.8]
17 protéger [1.13]
Ohatra  18  Elobe iray no tsy misaraka an' dRainitoandro isam-pahavaratra ary kapa fingotra natao tamin' ny kodiaram-piarakodia no kiraro miaro ny faladiany. [2.470#34]
Fikambanana  19  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 1 misy ny teny hoe miaro
Ohabolana  20  Ohabolana misy io teny io

Fivaditsoratra  21 amiro, 22 amory, 23 maroy, miaro, 24 miora, 25 miroa, 26 Moria, 27 Orima

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/21