|
|
|
|

Teny iditra (1/3)1  midona
Sokajin-teny  2  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.1] Mipaika mafy amin' ny zavatra iray: Nidona tamin' ny vato ny lakana ka saika nivadika
Miafara, tonga hatramy..., mivoaka: Midona any Ankadifotsy itý lanankely itý
Mirohondrohona: Midona ny orana any Ankaratra.
teny enti-milaza fa mipaika ny mpilalao iray amin' ny lalao daomy, izany hoe tsy manana masom-bato mitovy amin' izay miseho, ka mampandeha an' ilay ao aorianany
Fanazavàna teny anglisy  4  [1.7] to collide with, to bump into something
Fanazavàna teny frantsay  5  [1.3#113, 1.8] heurter
6  [1.3#113] choquer, se heurter
aller trouver, aboutir à
7  [1.8] se cogner contre
Ohatra  8  [2.471] Dia ho izay henonay midoboka izay tokoa ve ny vatan-tsambo midona amin' ny vato?
9  [1.3#113] nidona tamin' ny haram-bato ny sambo ka vaky (Le navire a heurté contre un rocher et il s'est brisé)
10  [1.3#113] midona eny amin' ny kianja io lalana io (Ce chemin aboutit à la place)
Fototeny  11  dona
Haiendriteny 
12  Ny ankehitriny :
13  Ny lasa :
14  Ny hoavy :
15  Filaza mandidy :
Mpanahaka  16  mipoka, migona
Kamban-teny 
Ohabolana  18  Ohabolana misy io teny midona io

Teny iditra (2/3)19  midonà
Sokajin-teny  20  filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao midona [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  21  [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  22  [1.3#113]
Fototeny  23  dona

Teny iditra (3/3)24  midona
Sokajin-teny  25  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny frantsay  26  [1.3#114] passer (aux dominos)
Voambolana  27  Kilalao
Fototeny  28  dona

Fivaditsoratra  29  andomy, dinamô, donaim, idonam, mandio, manody, midonà, midona, mindao, mionda, namody, naodim, nodiam

Nohavaozina tamin' ny 2025/07/05