|
|
|
|

Teny iditra 1  mihemotra
Fototeny  2 hemotra
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 Mandroso miverina, manao dia miverina, manao dia mianotra: Mikisaha fa mihemotra itsy fiarakodia itsy
9 Mandositra (fa resy): Herezo ihany fa efa mihemotra ny fahavalo
10 Miala, miova hevitra: Saika hilatsaka hofidina Baba saingy nihemotra
11 Mihafohy, misintona: Nihemotra ny pataloan' Ikoto nony nosasana
12 Mihena, mitambotsotra, midina: Soa ihany fa efa nihemotra ny vidim-bary [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  13 to draw back, to retire, to retreat, to backslide, to apostatize. [1.2]
14 to draw back; to fall back into evil ways [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  15 reculer, se retirer [1.8]
Ohatra  16  tsy mahazo mitodika na mihemotra rahefa miady, tsy azo alaina ny zavatra amin' ny miaramila maty afa-tsy ny fiadiana. [2.472#201]
Mpanahaka  17  manao dia mianotra, 18  manao dia miverina, 19  mandrorona, 20  mianotra, 21  mikemo, 22  Mitakemotra, 23  mitambotsotra, 24  mitodi-doha, 25  miverina ilalana
Fikambanana  26  Fitenena, anaran-tany, anaram-java-maniry sy ny sisa miisa 3 misy ny teny how mihemotra
Ohabolana  27  Ohabolana misy io teny io

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/22