Teny iditra | 1 mihemotra |
Fototeny | 2 hemotra |
Sokajin-teny | 3 matoantenin' ny mpanao |
Fanazavàna teny malagasy |
4 [1.1] Mandroso miverina, manao dia miverina, manao dia mianotra: Mikisaha fa mihemotra itsy fiarakodia itsy Mandositra (fa resy): Herezo ihany fa efa mihemotra ny fahavalo Miala, miova hevitra: Saika hilatsaka hofidina Baba saingy nihemotra Mihafohy, misintona: Nihemotra ny pataloan' Ikoto nony nosasana Mihena, mitambotsotra, midina: Soa ihany fa efa nihemotra ny vidim-bary |
Fanazavàna teny anglisy |
5 [1.2] to draw back, to retire, to retreat, to backslide, to apostatize. 6 [1.7] to draw back; to fall back into evil ways |
Fanazavàna teny frantsay |
7 [1.8] reculer, se retirer |
Ohatra |
8 tsy mahazo mitodika na mihemotra rahefa miady, tsy azo alaina ny zavatra amin' ny miaramila maty afa-tsy ny fiadiana. [2.472] |
Haiendriteny |
|
Mpanahaka | 13 mitakemotra, mikemo, mianotra, manao dia mianotra, manao dia miverina, miverina ilalana, mitodi-doha, mandrorona, mitambotsotra |
Kamban-teny |
|
Ohabolana | 17 Ohabolana misy io teny mihemotra io |
Nohavaozina tamin' ny 2024/12/11 |
![]() |