|
|
|
|

Teny iditra 1  mijaingijaingy
Fototeny  2 jaingijaingy
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
Fanazavàna teny malagasy  7 Mandehandeha irery; mandeha mirepirepy sy toa miahotrahotra, mandeha amin' ny famindra madinidinika nefa toa mangozohozo, mitongilana toa hianjera, marary: Nijaingijaingy tahaka ny akoho voakapoka izy niala avy tao
8 Mamindra toa mitsipitsipika: Lasa nijaingijaingy ny anao lahy nony voatonona ny anarany [1.1]
Ohatra  9  Indraindray alim-pody avy ao amin-dRasoa mianakavy izy ka indry mijaingijaingy samirery mamaky ny lalan-kely mankeny aminy. [2.470#]
10  Hafa manko izany teo aloha : raha avy manao fanadinana dia lasa mijaingijaingy irery mamonjy sakafo tany amin' ny "restaurant. [2.356#]
Tsipelina hafa  11 mizaingizaingy
Tovy hevitra  12 mijaingy

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/22