Teny iditra mirary (rary)
Sokajin-teny matoanteny na mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Vita rary: Rindra mirary ny tsihy
Voamboatra, voavitrana: Efa mirary izao ny fihavananay
Mora, tsy lafo: Mirary ny vidin-javatra ato amin' ity mpivarotra ity [1.1]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mirary
Ny lasa : nirary
Ny hoavy : hirary
Filaza mandidy : miraria

Teny iditra mirary (rary)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  [Sihanaka] Mangataka [1.78]
 Mangataka faherezana na fandresena ho an' ny mpiady amin' ny alalan' ny hira, vavaka
Maniry soa ka mangataka izany amin' ny alalan' ny vavaka ho an' ny olona iray: Mirary soa ho anao aho amin' izao fiandohan' ny taona izao. [1.1]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mirary
Ny lasa : nirary
Ny hoavy : hirary
Filaza mandidy : miraria
Kamban-teny 

Teny iditra mirary
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  [Taisaka] mandrara, misakana [1.78]

Teny iditra mirary
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  [Bara] mamangy [1.78]

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/10/19