|
|
|
|

Teny iditra 1  mitatra
Fototeny  2 itatra
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
Fanazavàna teny malagasy  7 [miitatra] Miely, mihanaka: Efa miitatra izao ny fiompiana kisoa
8 Mitombo, mihalehibe; mihamalalaka: Miitatra ity akanjo ity rehefa misasa
9 Mitombo, mihamatanjaka, mandroso: Miitatra ny sain' ny ankizy
10 Miampy zavatra tsy tao: Miitatra tsy hita velively ny vaovao rehefa azon-dRamatoa io [1.1]
11 mitombo habe [1.13]
Fanazavàna teny frantsay  12 se dilater [1.13]
Ohatra  13  nitatra ny fanjakana tamin' ny androny [2.508#198]
14  aoriana dia mety hitatra ny fampianarana [2.356#122]
15  mitatra koa ny hevitr' io teny io ankehitriny [2.285#318]
Tsipelina hafa  16 miitatra
Fikambanana  17  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 3 misy ny teny hoe mitatra
Ohabolana  18  Ohabolana misy io teny io

Fivaditsoratra  19 Matrita, mitatra

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/21