Teny iditra mpampiankin-teny
Singan-teny mpampiankina ; teny
Sokajin-teny kambanteny
Fanazavàna teny malagasy Sokajin-teny entina mampiankina teny fameno amin' ny matoanteny: ohatra: mikapoka amin' ny tehina, miteny amin' ny rainy izy, miresaka momba ny fambolena izy mianaka. Ny amy (amin') sy momba dia teny mpamiankina. Hita amin' ireo ohatra fa samy hafa ny firafitry ny amy sy ny momba, na dia samy mpampiankina aza. Azo zaraina ho antokony roa ny mpampiankina:
-- ao ireo mirafitra toy ny famenon' anarana; toy ireto izany: amy, aloha, aoriana, ambony, ambany, ambadika: amin'ny andro ho avy ~ alohan' ny ririnina ~ ambonin' ny latabatra ~ ambadiky ny fefy ...
-- ao ireo tsy miova tsy mivalovalo; toy ireto izany: araka, arakaraka, tahaka, ohatra, toraka, toa, momba, mandritra, lavitra, noho, afa-tsy, toy: arakaraka ny halehibe ~ tahaka ny vorona ~ momba ny zaza ~ mandritra ny alina ~ lavitra ny fo ~ noho ny fihavanana ...
-- ao ny mandray roa: tandrify, akaiky, izay mirafitra toy irerỳ voalohany raha milaza toerana: tandrifin' ny tsena ~ akaikin' ny sekoly, ary tahaka irero faharoa kosa raha milaza hevitra an' ohatra: tsy tandrify ny haja amam-boninahitrao izany (sahaza) ~ akaiky an-dreninao kokoa ry Rabe noho Rakoto (ara-pihavanana io).
Misy 11 ny sokajin-teny amin' ny teny malagasy:
  1. ny matoanteny (ohatra: miteny),
  2. ny tambinteny (ohatra: afovoany),
  3. ny anarana (ohatra: ankizy),
  4. ny mpamaritra (ohatra: fotsy),
  5. ny mpisolo (ohatra: izy),
  6. ny mpanoritra (ohatra: ilay),
  7. ny mpampiankin-teny (ohatra: amy),
  8. ny mpampitohy fehezan-teny (ohatra: rehefa),
  9. ny mpampitohy (ohatra: ary),
  10. ny tenim-piontanana (ohatra: indrisy),
  11. ny kian-teny (ohatra: ve).
[1.1]
Fanazavàna teny anglisy Preposition [3.1]
Fanazavàna teny frantsay Préposition [3.1]
Tsipelina hafa 
Tsanganana sy sary iray takila ny mpampiankin-teny rehetra

Nohavaozina tamin' ny 2023/12/16