|
|
|
|

Teny iditra1  sokajin-teny
Singan-teny  2  sokajy, teny
Sokajin-teny  3  kambanteny
Fanazavàna teny malagasy  4  [1.1] Teny ilazana ny karazan-teny fampiasa hanaovana fehezanteny.
Misy 11 ny sokajin-teny amin' ny teny malagasy:
  1. ny matoanteny (ohatra: miteny),
  2. ny tambinteny (ohatra: afovoany),
  3. ny anarana (ohatra: ankizy),
  4. ny mpamaritra (ohatra: fotsy),
  5. ny mpisolo (ohatra: izy),
  6. ny mpanoritra (ohatra: ilay),
  7. ny mpampiankin-teny (ohatra: amy),
  8. ny mpampitohy fehezan-teny (ohatra: rehefa),
  9. ny mpampitohy (ohatra: ary),
  10. ny tenim-piontanana (ohatra: indrisy),
  11. ny kian-teny (ohatra: ve).
Maro amin' ireo sokajin-teny ireo indray no mitsinjara ho karazany vitsivitsy
5  [1.13] fandaharana ny teny ho iray karazana
Fanazavàna teny frantsay  6  [1.13] classe distributionnelle
Voambolana  7  Haiteny
Tsanganana sy sary iray takila  8  Ny tambinteny rehetra
9  Ny mpisolo rehetra
10  Ny mpampiankin-teny rehetra
11  Ny mpampitohy rehetra
12  Ny mpanoritra rehetra
13  Ny tenim-piontanana rehetra
14  Ny kianteny rehetra

Nohavaozina tamin' ny 2024/12/26