|
|
|
|

Teny iditra (1/2) 1  teny
Sokajin-teny  2  anarana
Haiendriteny 
3  Tsotra :
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Mpamaritra :
Fanazavàna teny malagasy  19 Feo avoakan' ny vavan' ny olombelona, izay misy heviny: Tsy nanonona teny na dia indraim-bava aza izy
20 Fitambarana tarehintsoratra misy heviny, rafipeo milaza hevitra iray ka atao indray manonona sy indray manoratra: Misy teny telo ao amin' ny hoe: "Io eo Rakoto"
21 Enti-milaza koa ny karazan-teny ampiasain' ny firenana samihafa: Mahay teny anglisy ve ianao? [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  22 a word; speech; a language [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  23 mot [1.3, 1.8, 1.13, 1.5]
24 parole [1.3, 1.8, 1.5]
25 proposition, discours, commandement, prohibition, défense, commission, la volonté exprimée des ancêtres, des parents [1.3]
26 ordre [1.5]
27 langue [1.8, 1.13]
28 langage [1.8]
Ohatra  29  ka ahoana ny teniny ahoana ny hafany? [2.131]
30  ary izao no teny nentiny nila azy: [2.293#34]
31  -Izany ihany no teniko aminareo, hoy ny Vazaha. [2.324]
32  Atao dikan' ilay teny grika hoe: [1.38#34]
Voambolana  33  Haiteny
Fikambanana  34  Fitenena, anaran-tany, anaram-java-maniry sy ny sisa miisa 200 misy ny teny how teny
Ohabolana  35  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/2) 36  teny
Singan-teny  37 t~, 38 eny
Sokajin-teny  39  ny lasan' ny tambinteny [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  40 Endriky ny mpamaritra matoanteny "eny" ilazana ny lasa: Nisy olona efa teny amin' ny volana ve tamin' ny taona 1920? [1.1]
Ohatra  41  Nony tonga teny atsimotsimo akaikin'ny tanàna izy, dia tsiravina nahita ny faty niampatrampatra teny [2.324]
Mpanahaka  42  eny

Fivaditsoratra  43 enty, 44 inte, teny

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/21