| Teny iditra (1/2) | 1 mpanjono |
| Fototeny | 2 jono |
| Sokajin-teny | 3 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
4 Olona manao ho antom-pivelomana ny fakana hazandrano
[1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
5 a fisherman (with hook and line)
[1.7] |
| Fanazavàna teny frantsay |
6 pêcheurà la ligne
[1.8] |
| Ohatra |
7 mpanjono sy mpihaza trozona ny ankamaroan' ny lehilahy fa ny zaza amim-behivavy ihany no matetika miantoka ny fambolena.
[2.508#272]
8 Mitondra mpanjono ve izy ireny? [2.442#95] 9 Aleoko ihany lahy mpanjono mitoetra lalandava eo akaikiko, hoy Ikemba, sady nidongy kely izy. [2.499#15] |
| Fikambanana | 10 Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 1 misy ny teny hoe mpanjono |
| Ohabolana | 11 Ohabolana misy io teny io |
| Teny iditra (2/2) | 12 Mpanjono |
| Singan-teny | 13 mpanjono |
| Sokajin-teny | 14 anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana] |
| Voambolana | 15 Haisoratra: tononkalo |
| Mpanoratra |
16 Rajaobelison Samuël |
| Lahatsiratra manontolo |
17 18 Ery amoron-kelodrano. 19 io tazano ilay mpanjono. 20 Fintan-telo indray mamahatra 21 no milahatra 22 anoloany. 23 Elo manga miofon'andro 24 ambony loha; 25 alokaloka mandeha 26 zary loko manaratsy 27 iretsy rahavavy anila: 28 maitso, vony, mena, fotsy, 29 eny ho eny mampihaingo. 30 Haron-kely mihorom-bava, 31 feno vatsy, 32 sy tavoahangin-dranovola, 33 mifanondana etsy ivoho. 34 35 Hendratra izy ka nisintona, 36 nefa indrisy! efa lany izany jono! 37 Dia hirintona 38 hiala? Sanatria, 39 Miempo ho'aho ny tambaviny, 40 ka tsy an-kiato 41 ny fifiokan' ireo tady 42 feno kankana farango. 43 Injany mamango. 44 Dia mampakatra; nefa trondro sarim-pirina 45 no indry mipelapelaka 46 toa pitipiti-bolafotsy. 47 Kely loatra, hatao ahoana? 48 'Ndao hatsipy mba hiverina. 49 50 Kilalao mamono andro, 51 ontam-po mampihomehy, 52 piti-drano an-tarehy! 53 Kanto, hono! 54 Raha izaho no tsy mahazo 55 dia hariako mbamim-pintana. 56 Saingy izy hafa loatra! 57 Trondro, trondro, trondro ihany 58 no tsy afaka ao an-tsainy. 59 60 Dia manainga vao maraina, 61 velon-tsioka, velom-bolo, 62 hanadino ilay tontolo 63 sy korontany tsy lany. 64 Hiresaka 65 amim-boahary sy ny lokony; 66 hikirozaroza tongotra 67 ery amoron-kelodrano. |
| Fivaditsoratra | Mpanjono, mpanjono |
| Nohavaozina tamin' ny 2026/10/22 |
|