Teny iditra jono
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fandosirana mangingina (ny olona iasana na ny havana) [1.1]
Tsipelina hafa 

Teny iditra jono
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Hanina atao amin' ny fintana hamandrihana hazandrano
Zavatra entina mitarika biby na olona mbahiditra amin' ny toerana tiana hahazoana azy: Ny boky ratsy no jono entin' ny sasany hamerezana ny tanora
Vokatry ny fakana biby na olona amin' ny famandrihana azy: Inona no jono azonareo?
Fitarihana na famandrihana biby na olona mba hahazoana azy: Atsaharo ny jono ny fanahin' ny ankizy madinika
Mitovy hevitra: fanangolena ~ fandrika ~ fanojikojena ~ fitaka ~ longoa mitoto-bozaka
Misy hevitra iraisana: tonta, vovo, harato, fintana, firombaka, tandroho, vela-pandrika, koromby, lontsomaka [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Fish-bait [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Appât [1.8]
Fanazavàna teny malagasy Asa fitrandrahana hazandrano [1.13]
Fanazavàna teny frantsay Pêche [1.13]
Sampanteny 
Ohabolana 

Teny iditra jono
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Tanala] Karazan-trondro monina amin'ny ranomamy izay tsy hita loatra ao [1.78]
  [Bara] Karazan-kazandrano madinika, boribory lavalava, mena ny tendrondrambony [1.1]
Voambolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31