|
|
|
|

Teny iditra1  nenina
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3  Alahelo noho ny ratsy natao, na ny tsara tsy natao, ka nahatonga fahavoazana ho an' ny tena: Neniko ny tsy namaliako ny taratasiny
4  Fibebahana amin' ny hadisoana natao
5  Ny nenina tsy mba aloha hananatra fa avy aoriana handatsa. Ny nenina tsy mba roahina eo aloha tahaka ny ondry, fa avy manaraka tahaka ny alika (mazava ho azy [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  6  regret, bitter reflection, grief, repentance, remorse. Comp. bebaka. [1.2]
7  regret [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  8  regret, remords [1.8]
Ohatra  9  na tany aho na tsy tany
tsy ho kely be nenina moa hianao?
[2.131]
10  Taza-maso ny ezaka nataony hanafina ny alahelony tamin'ny vazivazy, ka nisy nenina nisoko tao am-poko. [2.583]
Voambolana  11  Ontam-po
Sampanteny 
12  Matoantenin' ny mpanao :
13  Matoantenin' ny fameno :
14  Anarana :
Mpanahaka  15  1.1^^=Mitohy sakay=mitohy fangoka=fay=nahita faisana=mibarara=enjehin' ny fieritreretana=manongo tena=mitomany tena=mandray ny kiho=mitsapa farahatoka=manaiki-molotra=mijery soratr' omby an-tanàna
Kamban-teny 

Fivaditsoratra  21  inenan, nenain, nenina, ninena

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/11