|
|
|
|

Teny iditra (1/3) 1  rimorimo
Fototeny  2 rimo
Sokajin-teny  3  anarana
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Mpamaritra :
Fanazavàna teny malagasy  21 Fandehanana mafy
22 fifiokan' ny tehina na baolina atsipy handeha mafy
23 fimonomonon' ny tandrimo misangodina na ny tantely [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  24 a buzzing as of bees [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  25 bourdonnement comme celui des abeilles
26 mouvement rapide [1.8]
Ohatra  27  Lozan' ny be rimorimo anefa, hono, raha ditsoky ny vovoka nafafiny ny mason' ny tsy manan-tsiny! [1.298]
28  Asa na misy manenjika ilay mpamily, na mampidera ny fahaizany mitondra sy fahalalany lalana, fa dia rimorimo izao! [2.4#128]
Tovy hevitra  29 rimo

Teny iditra (2/3) 30  rimorimo
Sokajin-teny  31  anarana
Fanazavàna teny malagasy  32 Zavamaneno vita amin' ny silaka volotsangana sahabo ho vehana ny halavany ary voatondro roa ny sakany, ka maranitra toy ny loha lefona ary misy lavaka kely eo amin' ny tendrony iray mba hitsofohan' ny tady ifatorany; misy tahony hihazonana azy koa: ahodinkodina "mirimorimo" izy io ka arakaraka ny maha-mafy ny fanodinkodinana azy no ahazoana feo mafy kokoa. (Ny Tanala no mpampiasa azy indrindra; manarakaraka, ny Sakalava, izay manome anarana azy hoe: Tambovo) [1.1]
Voambolana  33  Feon-kira: zavamaneno
Renianarana 
Anarana iray reny 

Teny iditra (3/3) 156  rimorimo
Sokajin-teny  157  anarana
Fanazavàna teny frantsay  158 [Merina+Betsileo] (de rimorimo : sifflement des verges. On employait les rameaux pour fouetter les enfants ou tout au moins en faire le simulacre). Phyllanthus nummulariifolius Poir. (Phyllanthaceae). D'après Descheemaeker serait encore appelé tamborotanosy. [1.196]
Voambolana  159  Haizavamaniry
Anarana ara-tsiansa 

Fivaditsoratra  rimorimo, 161 romiromy

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/22