| Teny iditra | 1 sendaotra |
| Singan-teny | 2 sendra, 3 loatra |
| Sokajin-teny | 4 mpamaritra |
| Sampanteny |
|
| Fanazavàna teny malagasy |
7 Mihoatra ny antonony; tafahoatra ny mety; tsy ara-drariny
8 Tezitra misafoaka: Mora sendaotra loatra Rangahy iny ka sarotra iraisamonina. [1.1] 9 misafoaka, tezitra mafy [1.13] |
| Fanazavàna teny frantsay |
10 Qui dépasse les bornes, qui va trop loin, au-delà de ce qu'on voulait, inattendu, irréfléchi, accidentel
[1.3] 11 furieux, irrité [1.13] |
| Ohatra |
12 Arovy ny vava mihoatra è, Tandremo ny teny sendaotra;
[1.437#]
13 Nony nandre Ilaidama, sendaotra mafy izy ka lasa nanirahany: « Inona izato iangonana? [2.298#] 14 Izao mantsy, ny Andriamanjaka, toneo ny fonao fa aza dia sendaotra loatra. [2.528#] |
| Voambolana | 15 Ontam-po |
| Tsipelina hafa | 16 sendoatra |
| Fivaditsoratra | sendaotra, 17 sendoatra |
| Nohavaozina tamin' ny 2026/04/20 |
|