Teny iditra | 1 tako-pery |
Singan-teny | 2 takotra, fery |
Sokajin-teny | 3 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
4 [1.1] ny saron' ny fery efa ho sitrana; ra maina mivaingana eo amin' ny fery efa sitrana ka manjary toa sarona mandrakotra sy miaro azy ambarapahasitrany tanteraka 5 [1.13][takopery] ra maina manakona ny fery |
Fanazavàna teny anglisy |
6 [1.2] scab; lit. the cover of a sore. |
Fanazavàna teny frantsay |
7 [1.13][takopery] croûte 8 [1.5] croûte de plaie |
Ohatra |
9 Maina ireo fery ary lasa takopery. [2.424#] 10 Ilay anankiray nitsakoana ravinkazo kosa ka telo andro monja dia niendaka ny takopery. [2.643#] |
Voambolana |
11 Fahasalamana |
Fivaditsoratra | 12 aporetik, pitaroke, poretika, tako-pery, taperiko |
Nohavaozina tamin' ny 2025/01/21 |
![]() |