|
|
|
|

Teny iditra1  tako-pery
Singan-teny  2  takotra, fery
Sokajin-teny  3  anarana
Fanazavàna teny malagasy  4  [1.1] ny saron' ny fery efa ho sitrana; ra maina mivaingana eo amin' ny fery efa sitrana ka manjary toa sarona mandrakotra sy miaro azy ambarapahasitrany tanteraka
5  [1.13][takopery] ra maina manakona ny fery
Fanazavàna teny anglisy  6  [1.2] scab; lit. the cover of a sore.
Fanazavàna teny frantsay  7  [1.13][takopery] croûte
8  [1.5] croûte de plaie
Ohatra  9  Maina ireo fery ary lasa takopery. [2.424#]
10  Ilay anankiray nitsakoana ravinkazo kosa ka telo andro monja dia niendaka ny takopery. [2.643#]
Voambolana  11  Fahasalamana

Fivaditsoratra  12  aporetik, pitaroke, poretika, tako-pery, taperiko

Nohavaozina tamin' ny 2025/01/21