|
|
|
|

Teny iditra1  tenim-piontanana
Singan-teny  2  teny, fiontanana
Sokajin-teny  3  anarana
Voambolana  4  Haiteny
Fanazavàna teny malagasy  5  sokajinteny [1.1]
6  ny antsoina amin'izany dia ireo teny milaza fihetseham-po eo amin'ny resaka na soratra. Maro karazana izy ireo:ao ny milaza fahatairana miharo hetezerana: adray...; fataraina miharo hagagana: endrey...; alahelo: indrisy; fandatsana: akaito...; fahitana zavatra mahafatifaty: ntrô...
7  Ao aorian'ny tenim-piontanana, dia asiana tsoraka (!) mandrakariva, izay averina indray ery amin'ny faran'ny fehezanteny: indrisy! be fahavalo ny tsara! [1.13]
Fanazavàna teny frantsay  8  interjection [1.5]
Tsanganana sy sary iray takila  9  Ny tenim-piontanana rehetra

Nohavaozina tamin' ny 2024/08/16