|
|
|
|

Teny iditra 1  vita
Sokajin-teny  2  matoanteny mpamaritra
Haiendriteny 
3  Tovonana :
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Mpamaritra :
Fanazavàna teny malagasy  23 Efa, tontosa: Vita daholo ity ny asa vao mba tonga ianao
24 Natao: Farafara vitako io fa tsy novidiko akory
25 Azo atao: Vitako io fa aza matahotra ianao
26 Tapitra: Vita ny trosanao izao ka aza manelingelina ahy intsony
27 Tapaka, voafarana: Vita izay ny fanekena
28 Maty, jingy: Notorahan' Ikoto indray mandeha mania ilay fodilahy dia vita terỳ [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  29 completed, finished; dead: tsy vita tsy ifanakonana (it takes cooperation to do the job) [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  30 fait, accompli, terminé; mort: tsy vita tsy ifanakonana (il faut travailler ensemble pour le faire) [1.8]
Ohatra  31  vita ilay lakana [2.606#188]
32  Ho vitako ve izany? [2.4#16]
33  ny zava-bitan-dRalaimongo [2.472#193]
34  Tao tiana ho fantatra fa izao no atao hoe Vazaha, izao no zava-bitany [2.472#224]
Fikambanana  35  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 19 misy ny teny hoe vita
Ohabolana  36  Ohabolana misy io teny io

Fivaditsoratra  37 tavy, 38 tiva, vita

Nohavaozina tamin' ny 2026/07/17