|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  zavatra
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.1] Izay rehetra misy na hita vatana izany na an' eritreritra: Ny fanahy dia zavatra manan-tsaina fa tsy manam-batana na ren' ny fandrenesana
Teny ilazana izay rehetra tsy manana aina, izany hoe: tsy zavamaniry na biby na olona: Hividianana ny zavatra ilaina amin' ny fiainana no ilana ny vola ~ Ny akalana dia zavatra ampiasain' ny mpivarokena mba hikapany ny taolana
Teny ilazana toe-draharaha araka ny nisehoany: Tantarao amiko tsara ny zavatra rehetra
Teny ilazana izay heverina ho tsara, ho ambony: Izany ka tena zavatra! ~ Manao azy ho zavatra io tovolahy io
Fanazavàna teny anglisy  4  [1.7] a thing
Fanazavàna teny frantsay  5  [1.3#870, 1.8] chose; objet
6  [1.3#870] le beau, le parfait, le principal
7  [1.405] [Sakalava-Mayotte] objet appartenant à autrui ou à soi, chose
Ohatra  8  [2.470] zavatra, zavatra, zavatra, zavatra, hoy ny lahy nampandihy soroka sy nalaina hanazava tsara ny valin' ny fanontaniana
9  [2.472] Ary angamba rehefa hangata-javatra izy amin' ny manaraka, tsy hahazo intsony
10  [2.48] Ary ny mpitondra zavatr' andriana:
11  [2.996] Fofon' ain' ny herin' Andriamanitra izy, zavatra avy amin' ny voninahitry ny Tsitoha irery ihany, ka tsy azon-java-maloto kely akory ilatsahana.
Haiendriteny 
12  Tsotra :
13  Tovonana :
14  Filaza mandidy :
Sampanteny 
15  Matoantenin' ny iharana :
16  Anarana :
Mpanahaka  17  raha
Kamban-teny 
Lohateny  22  Firaketana ny fiteny sy ny zavatra malagasy (Ravelojaona)
23  Hery sy ny zava-mampatahotra : Hery et les Monstres (Pacquement François)
24  Misy zavatra hotantaraiko anao (Rapatsalahy Paul)
Ohabolana  25  Ohabolana misy io teny zavatra io

Teny iditra (2/2)26  zavatra
Sokajin-teny  27  anarana
Fanazavàna teny malagasy  28  [1.1] Teo amin' ny finoan' ny Ntaolo, karazana fanahy ratsy tsy fantatra, ivelan' ny olombelona, izay mety hanimba azy ka natahorany: Rano misy zavatra io ka tandremo
Fanazavàna teny anglisy  29  [1.7] a spirit of some sort
Fanazavàna teny frantsay  30  [1.3#870, 1.8] fantôme
31  [1.3#870] sorcellerie, charme, mauvais esprit, revenant
32  [1.8] esprit
Haiendriteny 
33  Tsotra :
34  Tovonana :
Kamban-teny 
Ohabolana  39  Ohabolana misy io teny zavatra io

Nohavaozina tamin' ny 2025/06/21