|
|
|
|

Teny iditra 1  zezika
Sokajin-teny  2  anarana na mpamaritra
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Mpamaritra :
Fanazavàna teny malagasy  27 zavatra manomboka ho lo na namboarina ara-pomba simika afangaro amin' ny tany na alafika azy mba ho sakafon' ny zavamaniry ambolena na hahatsara ny tany
28 famelezana amim-bono, fikapohana mafy
29 be dia be, izaitratra [1.1]
30 zaka ampiasaina hahalonaka ny tany [1.13]
Fanazavàna teny anglisy  31 manure, fertilizer [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  32 engrais [1.3.fr#872, 1.8, 1.13]
33 fumier [1.3#872, 1.8]
34 nombreux [1.3#872]
Ohatra  35  Asiana zezika ny tany mba ho lonaka. [2.117#53]
36  Ataovy be zezika ireto zana-boankazo ireto [1.1#1058]
37  Tsy avy amin' ny mololo sy ny zezika izany e. [2.470#159]
38  zezika no sakaiza, fangady no fati-dra, sobiky no namana; [2.69#233]
Voambolana  39  Toe-karena: fambolena
Fikambanana  40  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 4 misy ny teny hoe zezika
Ohabolana  41  Ohabolana misy io teny io

Nohavaozina tamin' ny 2026/07/17