<-
->

1Mp 14:1 At that time Abijah the son of Jeroboam fell sick. Tamin' izany andro izany dia narary Abia, zanak' i Jeroboama. Tamin' izany andro izany, dia nandraiki-narary Abià zanak' i Jeroboama, En ce temps-là, le fils de Jéroboam, Abiyya, tomba malade,
1Mp 14:2 And Jeroboam said to his wife, Arise, I pray thee, and disguise thyself, that thou be not known to be the wife of Jeroboam; and get thee to Shiloh: behold, there is Ahijah the prophet, which told me that I should be king over this people. Ary hoy Jeroboama tamin' ny vadiny: Masìna ianao, mitsangàna, ka miovà endrika, mba tsy ho fantatr' olona ho vadin' i Jeroboama ianao; dia mankanesa any Silo, fa, indro, ao Ahia mpaminany, ilay nilaza tamiko fa ho mpanjakan' ity firenena ity aho. ka hoy Jeroboama tamin' ny vavy: Raha sitrakao, mitsangana ka manovà endrika, mba tsy ho fantatra ho vadin' i Jeroboama hianao, dia mankanesa any Silao. Indro fa ao Ahiasa mpaminany, ilay nilaza tamiko ny hanjakako amin' ity firenena ity. et Jéroboam dit à sa femme : " Lève-toi, je te prie, déguise-toi pour qu' on ne reconnaisse pas que tu es la femme de Jéroboam et va à Silo. Il y a là le prophète Ahiyya : c' est lui qui a prédit que je régnerais sur ce peuple.
1Mp 14:3 And take with thee ten loaves, and cracknels, and a cruse of honey, and go to him: he shall tell thee what shall become of the child. Koa mitondrà mofo folo sy mofo madinika ary tantely iray tavoara, ka mankanesa any aminy; fa izy hanambara aminao izay ho toetry ny zaza. Mitondrà mofo folo sy mofomamy ary tantely iray tavoara, dia midira ao aminy, fa hambarany aminao izay tsy maintsy hahazo ny zaza. Prends avec toi dix pains, des friandises et un pot de miel, et va vers lui : il t' apprendra ce qui doit arriver à l' enfant. "
1Mp 14:4 And Jeroboam' s wife did so, and arose, and went to Shiloh, and came to the house of Ahijah. But Ahijah could not see; for his eyes were set by reason of his age. Dia nanao araka izany ny vadin' i Jeroboama ka niainga nankany Silo izy, dia nankao an-tranon' i Ahia. Ary Ahia tsy nahita, fa efa pahina ny masony noho ny fahantrany. Dia nanao araka izany ny vadin' i Jeroboama, niainga izy, nankany Silao, dia niditra tao an-tranon' i Ahiasa. Tsy nahajery intsony Ahiasa fahizany, fa efa nanjavona azon' ny fahanterana ny masony. Ainsi fit la femme de Jéroboam : elle se leva, alla à Silo et entra chez Ahiyya. Or celui-ci ne pouvait pas voir, ayant le regard fixe à cause de son grand âge,
1Mp 14:5 And the Lord said unto Ahijah, Behold, the wife of Jeroboam cometh to ask a thing of thee for her son; for he is sick: thus and thus shalt thou say unto her: for it shall be, when she cometh in, that she shall feign herself to be another woman. Ary Jehovah efa nilaza tamin' i Ahia hoe: Indro, avy ny vadin' i Jeroboama hanontany anao ny amin' ny zanany, fa marary izy; ary izao ka izao no holazainao aminy; nefa raha miditra izy, dia hody vehivavy hafa. Efa nilazan' ny Tompo anefa Ahiasa, nataony hoe: Indro tamy ny vadin' i Jeroboama mba hahazo teny indraim-bava aminao ny amin' ny zanany, fa marary izy, ka izao sy izao no holazainao azy. Hody ho hafa izy rahefa tonga. mais Yahvé lui avait dit : " Voici que la femme de Jéroboam vient solliciter de toi un oracle pour son fils, car il est malade ; tu lui parleras de telle et telle manière. Elle viendra en se donnant pour une autre. "
1Mp 14:6 And it was so, when Ahijah heard the sound of her feet, as she came in at the door, that he said, Come in, thou wife of Jeroboam; why feignest thou thyself to be another? for I am sent to thee with heavy tidings. Ary nony ren' i Ahia ny fingodongodon' ny tongony, raha vao niditra teo am-baravarana izy, dia hoy izy: Mandrosoa, ry vadin' i Jeroboama; nahoana ianao no mody olonkafa? Fa izaho dia nirahina hitondra teny mafy aminao. Nony ren' i Ahiasa ny fingadongadon' ny tongony, ilay nandingana ny varavarana iny izy, dia hoy izy: Mandrosoa, ry vadin' i Jeroboama, nahoana hianao no mody ho olon-kafa? Voatendry hitondra hafatra mafy aminao aho. Dès qu' Ahiyya entendit le bruit de ses pas à la porte, il dit : " Entre, femme de Jéroboam. Pourquoi donc te donner pour une autre, quand j' ai un dur message pour toi ?
1Mp 14:7 Go, tell Jeroboam, Thus saith the Lord God of Israel, Forasmuch as I exalted thee from among the people, and made thee prince over my people Israel, Koa mandehana, ka lazao amin' i Jeroboama hoe: Izao no lazain' i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Satria nanandratra anao avy tamin' ny olona Aho ka nanendry anao ho mpanapaka ny Isiraely oloko, Mandehana lazao amin' i Jeroboama hoe: Izao no lazain' ny Tompo Andriamanitr' Israely: Nanandratra anao avy amin' ny vahoaka aho, ka nanangana anao ho filohany amin' Israely vahoakako. Va dire à Jéroboam : "Ainsi parle Yahvé, Dieu d' Israël : Je t' ai tiré du milieu du peuple et t' ai établi comme chef sur mon peuple Israël,
1Mp 14:8 And rent the kingdom away from the house of David, and gave it thee: and yet thou hast not been as my servant David, who kept my commandments, and who followed me with all his heart, to do that only which was right in mine eyes; ary nendahako ny fanjakana ho afaka tamin' ny taranak' i Davida ka nomeko anao, nefa kosa ianao tsy mba nanao tahaka an' i Davida mpanompoko, izay nitandrina ny teniko sy nanaraka Ahy tamin' ny fony rehetra tsy hanao na inona na inona afa-tsy izay marina eo imasoko ihany; Nendahako tamin' ny tranon' i Davida ny fanjakana, ka nomeko anao. Kanjo hianao tsy mba nanao tahaka an' i Davida mpanompoko, izay nitandrina ny didiko sy nanaraka ahy tamin' ny fony rehetra, ary tsy nanao afatsy izay mahitsy eo imasoko; j' ai arraché le royaume à la maison de David et je te l' ai donné. Mais tu n' as pas été comme mon serviteur David qui a observé mes commandements et qui m' a suivi de tout son coeur, ne faisant que ce qui me plaît ;
1Mp 14:9 But hast done evil above all that were before thee: for thou hast gone and made thee other gods, and molten images, to provoke me to anger, and hast cast me behind thy back: fa nanao ratsy mihoatra noho izay rehetra teo alohanao ianao, fa lasa nanao andriamani-kafa sy sarin-javatra an-idina ka nampahatezitra Ahy, fa Izaho efa narianao teo ivohonao: fa nanao ratsy mihoatra izay talohanao rehetra hianao, andriamani-kafa sy sarin-javatra anidina no lasa nataonao hampahatezitra ahy, fa izaho kosa nailikao any ivohonao! tu as agi plus mal que tous tes prédécesseurs, tu es allé te fabriquer d' autres dieux, des idoles fondues, pour mon irritation, et tu m' as jeté derrière ton dos.
1Mp 14:10 Therefore, behold, I will bring evil upon the house of Jeroboam, and will cut off from Jeroboam him that pisseth against the wall, and him that is shut up and left in Israel, and will take away the remnant of the house of Jeroboam, as a man taketh away dung, till it be all gone. koa noho izany dia, indro, hahatonga loza amin' ny taranak' i Jeroboama Aho ka handringana izay lehilahy rehetra amin' ny tamingan' i Jeroboama, na ny voahazona na ny afaka amin' ny Isiraely, ary hanaisotra ny sisa amin' ny taranak' i Jeroboama Aho, toy ny fanaisotry ny olona ny diky ambara-paha-tsy hisy intsony. Noho izany, indro kosa aho hitarika ny loza ho amin' ny tranon' i Jeroboama, haringako avokoa ny lehilahy izay an' i Jeroboama, na ny andevo na ny olona afaka, amin' Israely, hataoko hoatra ny famafa diky ny famafa ny tranon' i Jeroboama mandra-pahalevony tsy misy intsony. C' est pourquoi je vais faire venir le malheur sur la maison de Jéroboam, j' exterminerai tous les mâles de la famille de Jéroboam, liés ou libres en Israël, je balayerai la maison de Jéroboam comme on balaye complètement l' ordure.
1Mp 14:11 Him that dieth of Jeroboam in the city shall the dogs eat; and him that dieth in the field shall the fowls of the air eat: for the Lord hath spoken it. Koa izay tamingan' i Jeroboama maty ao an-tanàna dia hohanin' ny alika; ary izay maty any an-tsaha dia hohanin' ny voro-manidina; fa Jehovah no efa niteny. Ka ny tamingan' i Jeroboama maty an-tanàna hohanin' ny alika; ary izay maty an-tsaha hohanin' ny voro-manidina; satria efa niteny Iaveh. Ceux de la famille de Jéroboam qui mourront dans la ville seront mangés par les chiens, et ceux qui mourront dans la campagne seront mangés par les oiseaux du ciel, car Yahvé a parlé. "
1Mp 14:12 Arise thou therefore, get thee to thine own house: and when thy feet enter into the city, the child shall die. Koa mitsangàna ianao, ka modia any an-tranonao; fa raha vao mijadona ao an-tanàna ny tongotrao, dia, indro, ho faty ny zaza. Ary mitsangàna hianao, ka modia any an-tranonao, ary raha vao miditra ao an-tanàna ny tongotrao, dia ho faty ny zaza. Pour toi, lève-toi et va chez toi : au moment où tes pieds entreront dans la ville, l' enfant mourra.
1Mp 14:13 And all Israel shall mourn for him, and bury him: for he only of Jeroboam shall come to the grave, because in him there is found some good thing toward the Lord God of Israel in the house of Jeroboam. Ary ny Isiraely rehetra hisaona sy handevina azy; fa amin' ny tamingan' i Jeroboama dia izy irery ihany no ho tonga ao am-pasana, satria izy ihany no nahitana fahatsaram-panahy ny amin' i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely. Hitomany azy Israely rehetra, dia halevina izy, satria izy irery no mba tamingan' i Jeroboama ho voapetraka am-pasana, satria izy irery no tamingan' i Jeroboama nahitana soa vitsivitsy teo imason' ny Tompo Andriamanitr' Israely. Tout Israël fera son deuil et on l' ensevelira. En effet ce sera le seul de la famille de Jéroboam qui sera mis dans un sépulcre, car en lui seul se sera trouvé quelque chose d' agréable à Yahvé, Dieu d' Israël, dans la maison de Jéroboam.
1Mp 14:14 Moreover the Lord shall raise him up a king over Israel, who shall cut off the house of Jeroboam that day: but what? even now. Ary Jehovah hanangana mpanjaka ho an' ny Isiraely izay handringana ny taranak' i Jeroboama amin' izany andro izany; fa rahoviana ange izany? Izao ankehitriny izao ihany. Ary Iaveh hanangana mpanjaka amin' Israely, izay handringana ny taranak' i Jeroboama, amin' izany andro izany. Yahvé établira un roi sur Israël qui exterminera la maison de Jéroboam.
1Mp 14:15 For the Lord shall smite Israel, as a reed is shaken in the water, and he shall root up Israel out of this good land, which he gave to their fathers, and shall scatter them beyond the river, because they have made their groves, provoking the Lord to anger. Fa Jehovah hamely ny Isiraely toy ny volotara hozongozonina any anaty rano sady hanongotra ny Isiraely amin' ity tany soa nomeny ny razany ity ary hanely azy ho any an-dafin' ny Ony, satria nanao ireo Aseraha izy ka nampahatezitra an' i Jehovah. Adre! Sahady lahy! Hataon' ny Tompo toy ny fihozongozon' ny volotara ao anaty rano, no famely an' Israely; hotsoahany amin' ity tany soa nomeny ny razany ity Israely, ka haeliny any an-dafin' ny ony, satria efa nanao aseraha ho azy izy, ka nampahatezitra an' ny Tompo. Yahvé fera vaciller Israël comme dans l' eau vacille le roseau, il arrachera Israël de ce bon pays qu' il a donné à ses pères et le dispersera de l' autre côté du Fleuve, parce qu' ils ont fait leurs pieux sacrés pour l' irritation de Yahvé.
1Mp 14:16 And he shall give Israel up because of the sins of Jeroboam, who did sin, and who made Israel to sin. Ary Izy hanolotra ny Isiraely noho ny fahotana izay nataon' i Jeroboama sady nampanotany ny Isiraely. Hanolotra an' Israely izy noho ny fahotan' i Jeroboama, izay nataon' ny tenany sy izay nampanaoviny an' Israely. Il abandonnera Israël à cause des péchés que Jéroboam a commis et qu' il a fait commettre à Israël. "
1Mp 14:17 And Jeroboam' s wife arose, and departed, and came to Tirzah: and when she came to the threshold of the door, the child died; Dia niainga ny vadin' i Jeroboama ka lasa nandeha ary tonga tany Tirza; koa rehefa mby teo amin' ny tokonam-baravarana izy, dia maty ny zazalahy; Dia nitsangana ny vadin' i Jeroboama ka niainga nandeha izy, dia tonga tany Tersa. Ilay nandingana ny tokonam-baravaran-trano iny izy, dia maty ny zaza. La femme de Jéroboam se leva et partit. Elle arriva à Tirça et, lorsqu' elle franchit le seuil de la maison, l' enfant était déjà mort.
1Mp 14:18 And they buried him; and all Israel mourned for him, according to the word of the Lord, which he spake by the hand of his servant Ahijah the prophet. dia nandevina azy ny Isiraely rehetra sady nisaona azy, araka ny tenin' i Jehovah izay nampilazainy an' i Ahia mpaminany mpanompony. Nalevina izy ary nitomanian' Israely rehetra, araka ny tenin' ny Tompo, izay nolazainy tamin' ny alalan' i Ahiasa mpaminany mpanompony. On l' ensevelit et tout Israël fit son deuil, comme avait dit Yahvé, par le ministère de son serviteur le prophète Ahiyya.
1Mp 14:19 And the rest of the acts of Jeroboam, how he warred, and how he reigned, behold, they are written in the book of the chronicles of the kings of Israel. Ary ny tantaran' i Jeroboama sisa, dia ny niadiany sy ny nanjakany, indro, efa voasoratra ao amin' ny bokin' ny tantaran' ny mpanjakan' ny Isiraely izany. Ny sisa tamin' ny zavatra nataon' i Jeroboama, dia ny niadiany sy ny nanjakany, indro efa voasoratra ao amin' ny bokin' ny Tantaran' ny mpanjakan' Israely. Le reste de l' histoire de Jéroboam, comment il guerroya et régna, cela est écrit au livre des Annales des rois d' Israël.
1Mp 14:20 And the days which Jeroboam reigned were two and twenty years: and he slept with his fathers, and Nadab his son reigned in his stead. Ary ny andro nanjakan' i Jeroboama dia roa amby roa-polo taona; dia lasa nodi-mandry any amin' ny razany izy; ary Nadaba zanany no nanjaka nandimby azy. Roa amby roapolo taona no andro nanjakan' i Jeroboama, dia nodimandry any amin' ny razany izy. Ary Nadaba zanany no nanjaka nandimby azy. La durée du règne de Jéroboam fut de vingt-deux années, puis il se coucha avec ses pères et son fils Nadab régna à sa place.
1Mp 14:21 And Rehoboam the son of Solomon reigned in Judah. Rehoboam was forty and one years old when he began to reign, and he reigned seventeen years in Jerusalem, the city which the Lord did choose out of all the tribes of Israel, to put his name there. And his mother' s name was Naamah an Ammonitess. Ary Rehoboama, zanak' i Solomona, no nanjaka tamin' ny Joda. Efa iraika amby efa-polo taona Rehoboama, fony izy vao nanjaka, ary fito ambin' ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema, tanàna nofidin' i Jehovah tamin' ny firenen' Isiraely rehetra hametrahany ny anarany. Ary ny anaran-dreniny dia Nama Amonita. Roboama zanak' i Salomona nanjaka tamin' i Jodà. Efa iraika amby efapolo taona izy vao nanjaka, ary fito ambin' ny folo taona no nanjakany tao Jerosalema, tanàna nofidin' ny Tompo tamin' ny fokon' Israely rehetra, hametrahana ny anarany; Naama Amonita no anaran-dreniny. Roboam fils de Salomon devint roi sur Juda ; il avait quarante et un ans à son avènement et régna dix-sept ans à Jérusalem, la ville que, dans toutes les tribus d' Israël, Yahvé avait choisie pour y placer son Nom. Sa mère s' appelait Naama, l' Ammonite.
1Mp 14:22 And Judah did evil in the sight of the Lord, and they provoked him to jealousy with their sins which they had committed, above all that their fathers had done. Ary ny Joda nanao izay ratsy eo imason' i Jehovah ka nampahasaro-piaro Azy tamin' ny fahotana izay nataony mihoatra noho izay rehetra nataon' ny razany. Nanao izay ratsy teo imason' ny Tompo Jodà, ka nampahasaro-piaro azy tamin' ny fahotana nataony, mihoatra noho izay nataon' ny razany. Il fit ce qui déplaît à Yahvé : il irrita sa jalousie plus que n' avaient fait ses pères avec tous les péchés qu' ils avaient commis,
1Mp 14:23 For they also built them high places, and images, and groves, on every high hill, and under every green tree. Fa izy koa nanao fitoerana avo ho azy sy tsangam-baton-tsampy ary Aseraha teny an-tampon' ny tendrombohitra avo rehetra sy teny ambanin' ny hazo maitso rehetra. Fa nanorina fitoerana avo ho azy koa izy ireo, mbamin' ny tsangam-bato sy aseraha teny ambonin' ny tanety avo rehetra sy teny ambany hazo maitso rehetra teny. eux qui s'étaient construit des hauts lieux, avaient dressé des stèles et des pieux sacrés sur toute colline élevée et sous tout arbre verdoyant.
1Mp 14:24 And there were also sodomites in the land: and they did according to all the abominations of the nations which the Lord cast out before the children of Israel. Ary nisy olona nanolo-tena nijangajanga ho fanompoan-tsampy teo amin' ny tany; ary nanaraka ny fahavetavetana rehetra fanaon' ny firenena izay noroahin' i Jehovah teo anoloan' ny Zanak' Isiraely izy. Efa nisy hatramin' ny manolo-tena ho mpijangajanga aza tamin' ny tany. Dia narahiny avokoa ny fahavetavetan' ny firenena noroahin' ny Tompo teo anoloan' ny zanak' Israely. Même il y eut des prostitués sacrés dans le pays. Il imita toutes les ignominies des nations que Yahvé avait chassées devant les Israélites.
1Mp 14:25 And it came to pass in the fifth year of king Rehoboam, that Shishak king of Egypt came up against Jerusalem: Ary tamin' ny taona fahadimy nanjakan-dRehoboama mpanjaka dia niakatra Sisaka, mpanjakan' i Egypta, hamely an' i Jerosalema; Tamin' ny taona fahadimin' ny nanjakan-dRoboama, dia niakatra namely an' i Jerosalema Sesaka, mpanjakan' i Ejipta. La cinquième année du roi Roboam, le roi d'Égypte, Sheshonq, marcha contre Jérusalem.
1Mp 14:26 And he took away the treasures of the house of the Lord, and the treasures of the king' s house; he even took away all: and he took away all the shields of gold which Solomon had made. dia nobaboiny ny rakitry ny tranon' i Jehovah sy ny rakitry ny tranon' ny mpanjaka ka lasany avokoa; ary nobaboiny koa ny ampinga volamena rehetra nataon' i Solomona Nobaboiny ny rakitry ny tranon' ny Tompo sy ny rakitry ny tranon' ny mpanjaka, dia lasany daholo. Nalainy avokoa ny ampinga volamena rehetra nataon' i Salomona. Il se fit livrer les trésors du Temple de Yahvé et ceux du palais royal, absolument tout, jusqu'à tous les boucliers d' or qu' avait faits Salomon.
1Mp 14:27 And king Rehoboam made in their stead brasen shields, and committed them unto the hands of the chief of the guard, which kept the door of the king' s house. Ary Rehoboama mpanjaka nanao ampinga varahina ho solon' ireny ka nanolotra azy teo an-tànan' ny lehiben' ny mpiambina, izay niambina ny varavaran' ny tranon' ny mpanjaka Ary ampinga varahina no nataon-dRoboama mpanjaka solon' ireny, ka nataony teo an-tanan' ny lehiben' ny mpihazakazaka izay miambina ny fidirana amin' ny tranon' ny mpanjaka. A leur place, le roi Roboam fit des boucliers de bronze et les confia aux chefs des gardes, qui veillaient à la porte du palais royal.
1Mp 14:28 And it was so, when the king went into the house of the Lord, that the guard bare them, and brought them back into the guard chamber. Ary na oviana na oviana no nidiran' ny mpanjaka tao an-tranon' i Jehovah, dia nentin' ny mpiambina ireo ka naveriny tao an-trano fiambenana indray. Ka isaky ny mankao an-tranon' ny Tompo ny mpanjaka, dia nentin' ny mpiambina izany, vao naveriny ho any an' efitranon' ny mpihazakazaka indray. Chaque fois que le roi allait au Temple de Yahvé, les gardes les prenaient puis il les rapportaient à la salle des gardes.
1Mp 14:29 Now the rest of the acts of Rehoboam, and all that he did, are they not written in the book of the chronicles of the kings of Judah? Ary ny tantaran-dRehoboama sisa mbamin' izay rehetra nataony, tsy voasoratra ao amin' ny bokin' ny tantaran' ny mpanjakan' ny Joda va izany? Ny zavatra sisa nataon-dRoboama, mbamin' izay rehetra vitany, moa tsy efa voasoratra ao amin' ny bokin' ny Tantaran' ny mpanjakan' i Jodà? Le reste de l' histoire de Roboam, tout ce qu' il a fait, cela n' est-il pas écrit au livre des Annales des rois de Juda ?
1Mp 14:30 And there was war between Rehoboam and Jeroboam all their days. Ary niady mandrakariva Rehoboama sy Jeroboama. Niady mandrakariva Roboama sy Jeroboama. Il y eut tout le temps guerre entre Roboam et Jéroboam.
1Mp 14:31 And Rehoboam slept with his fathers, and was buried with his fathers in the city of David. And his mother' s name was Naamah an Ammonitess. And Abijam his son reigned in his stead. Ary Rehoboama lasa nodi-mandry any amin' ny razany, dia nalevina tao amin' ny razany tao an-Tanànan' i Davida. Ary ny anaran-dreniny dia Nama Amonita. Ary Abia zanany no nanjaka nandimby azy. Ary nodimandry any amin' ny razany Roboama, ka nalevina tao akaikin' ny razany tao an-tanànan' i Davida. Ny anaran-dreniny dia Naamà Amonita, ary Abiama zanany lahy no nanjaka nandimby azy. Roboam se coucha avec ses pères et on l' enterra dans la Cité de David. Son fils Abiyyam régna à sa place.

<-
->