<-
->

1Mp 22:1 And they continued three years without war between Syria and Israel. Ary nandry fahizay ny Syriana sy ny Isiraely telo taona, fa tsy niady. Nandry fahizay ny tany nandritra ny telo taona, fa tsy niady i Siria sy Israely. On fut tranquille pendant trois ans, sans combat entre Aram et Israël.
1Mp 22:2 And it came to pass in the third year, that Jehoshaphat the king of Judah came down to the king of Israel. Ary nony tamin' ny taona fahatelo, dia nidina Josafata, mpanjakan' ny Joda, ho any amin' ny mpanjakan' ny Isiraely. Nony tamin' ny taona fahatelo, nidina nankany amin' ny mpanjakan' Israely, Josafata mpanjakan' i Jodà. La troisième année, Josaphat, roi de Juda, vint visiter le roi d' Israël.
1Mp 22:3 And the king of Israel said unto his servants, Know ye that Ramoth in Gilead is ours, and we be still, and take it not out of the hand of the king of Syria? Ary hoy ny mpanjakan' ny Isiraely tamin' ny mpanompony: Moa fantatrareo va fa antsika Ramota-gileada, nefa isika mitoetra foana ka tsy maka azy amin' ny tanan' ny mpanjakan' i Syria? Ary hoy ny mpanjakan' Israely tamin' ny mpanompony: Fantatrareo va fa antsika Ramota any Galaada no tsy manao na inona na inona isika mba hanatsoaka azy eo an-tanan' ny mpanjakan' i Siria? Le roi d' Israël dit à ses officiers : " Vous savez bien que Ramot de Galaad est à nous, et nous ne faisons rien pour l' arracher des mains du roi d' Aram ! "
1Mp 22:4 And he said unto Jehoshaphat, Wilt thou go with me to battle to Ramothgilead? And Jehoshaphat said to the king of Israel, I am as thou art, my people as thy people, my horses as thy horses. Ary hoy koa izy tamin' i Josafata: Mba hiaraka amiko hiady an' i Ramota-gileada va ianao? Dia hoy Josafata tamin' ny mpanjakan' ny Isiraely. Eny, fa tahaka ny tenanao ihany aho, ka ny oloko dia olonao, ary ny soavaliko dia soavalinao. Dia hoy izy tamin' i Josafata: Mba hiaraka amiko hamely an' i Ramota any Galaada va hianao? Ka hoy ny navalin' i Josafata tamin' ny mpanjakan' Israely: Hahazo ahy ny hahazo anao, ary hihatra amin' ny oloko ny hihatra amin' ny olonao, ary hihatra amin' ny soavaliko ny hihatra amin' ny soavalinao. Il dit à Josaphat : " Viendras-tu avec moi combattre à Ramot de Galaad ? " Josaphat répondit au roi d' Israël : " Il en sera pour moi comme pour toi, pour mes gens comme pour tes gens, pour mes chevaux comme pour tes chevaux. "Les faux prophètes prédisent le succès.
1Mp 22:5 And Jehoshaphat said unto the king of Israel, Enquire, I pray thee, at the word of the Lord to day. Ary hoy Josafata tamin' ny mpanjakan' ny Isiraely: Masìna ianao, anontanio aloha ny tenin' i Jehovah. Ary tamin' izay Josafata niteny tamin' ny mpanjakan' Israely hoe: Miangavy anao aho, mba hanontany ny tenin' ny Tompo ankehitriny. Cependant Josaphat dit au roi d' Israël : " Je te prie, consulte d' abord la parole de Yahvé. "
1Mp 22:6 Then the king of Israel gathered the prophets together, about four hundred men, and said unto them, Shall I go against Ramothgilead to battle, or shall I forbear? And they said, Go up; for the Lord shall deliver it into the hand of the king. Ary ny mpanjakan' ny Isiraely dia nanangona ny mpaminany tokony ho efa-jato lahy ka nanao taminy hoe: Handena hanafika an' i Ramota-gileada va aho, sa hijanona ihany? Dia hoy ireo: Mandehana, fa hatolotry ny Tompo eo an-tananao izy, ry mpanjaka. Dia novorin' ny mpanjakan' Israely ny mpaminany tokony ho efa-jato lahy, ka hoy izy tamin' izy ireo: Handeha hamely an' i Ramota any Galaada va aho, sa tokony hijanona? Ka hoy ny navalin' ireo: Mandehana, fa atolotry ny Tompo eo an-tanan' ny mpanjaka izany. Le roi d' Israël rassembla les prophètes au nombre d' environ quatre cents, et leur demanda : " Dois-je aller attaquer Ramot de Galaad, ou dois-je y renoncer ? " Ils répondirent : " Monte, Yahvé le livrera aux mains du roi. "
1Mp 22:7 And Jehoshaphat said, Is there not here a prophet of the Lord besides, that we might enquire of him? Ary hoy kosa Josafata: Moa tsy misy mpaminanin' i Jehovah koa va eto mba hanontaniantsika? Nefa hoy Josafata: Moa tsy misy mpaminanin' ny Tompo intsony va eto, azontsika anontaniana koa? Mais Josaphat dit : " N' y a-t-il donc ici aucun autre prophète de Yahvé, par qui nous puissions le consulter ? "
1Mp 22:8 And the king of Israel said unto Jehoshaphat, There is yet one man, Micaiah the son of Imlah, by whom we may enquire of the Lord: but I hate him; for he doth not prophesy good concerning me, but evil. And Jehoshaphat said, Let not the king say so. Dia hoy ny mpanjakan' ny Isiraely tamin' i Josafata: Mbola misy lehilahy iray ihany, dia Mikaia, zanak' i Jimla, izay ahazoantsika manontany amin' i Jehovah, saingy halako izy, satria tsy mba maminany soa ho ahy izy. fa loza ihany. Dia hoy Josafata: Aza manao izany, ry mpanjaka. Dia hoy ny mpanjakan' Israely namaly an' i Josafata: Mbola misy lehilahy anankiray ihany eto, azontsika anontaniana amin' ny Tompo, dia Mikea, zanak' i Jemlà; nefa halako izy, satria tsy mba maminany soa ho ahy, fa loza ihany. Ka hoy Josafata: Aza manao izany, ry mpanjaka. Le roi d' Israël répondit à Josaphat : " Il y a encore un homme par qui on peut consulter Yahvé, mais je le hais, car il ne prophétise jamais le bien à mon sujet, rien que le mal, c' est Michée fils de Yimla. " Josaphat dit : " Que le roi ne parle pas ainsi ! "
1Mp 22:9 Then the king of Israel called an officer, and said, Hasten hither Micaiah the son of Imlah. Ary ny mpanjakan' ny Isiraely niantso ny tandapa anankiray ka nanao taminy hoe: Alao faingana Mikaia, zanak' i Jimla. Izay ny mpanjakan' Israely vao niantso eonoka anankiray, nilazany hoe: Asaovy mankatý miaraka amin' izay Mikea zanak' i Jemlà. Le roi d' Israël appela un eunuque et dit : " Fais vite venir Michée fils de Yimla. "
1Mp 22:10 And the king of Israel and Jehoshaphat the king of Judah sat each on his throne, having put on their robes, in a void place in the entrance of the gate of Samaria; and all the prophets prophesied before them. Ary ny mpanjakan' ny Isiraely sy Josafata, mpanjakan' ny Joda, samy nipetraka teo amin' ny seza fiandrianany avy teo amin' ny famoloana eo anoloan' ny vavahadin' i Samaria sady samy efa niakanjo ny akanjony avy; ary ny mpaminany rehetra naminany teo matrehany. Tamin' izany ny mpanjakan' Israely sy Josafata mpanjakan' i Jodà, samy efa tafapetraka eo amin' ny seza fiandrianany, sy samy efa niakanjo ny akanjony avy, teo amin' ny kianja anoloan' ny vavahadin' i Samaria; ary ny mpaminany rehetra, samy naminany teo anatrehan' izy ireo. Le roi d' Israël et Josaphat, roi de Juda, étaient assis chacun sur son siège, en grand costume, sur l' aire devant la porte de Samarie, et tous les prophètes se livraient à leurs transports devant eux.
1Mp 22:11 And Zedekiah the son of Chenaanah made him horns of iron: and he said, Thus saith the Lord, With these shalt thou push the Syrians, until thou have consumed them. Ary Zedekia, zanak' i Kenana, dia nanao tandroby ka nanao hoe: Izao no lazain' i Jehovah: ireto no hanotoanao ny Syriana mandra-paharingany. Sedesisa zanak' i Kanaana nanao tandro-by ho azy, ka nilaza hoe: Izao no lazain' ny Tompo: Ireto tandroka ireto no hanotoanao ny Siriana, mandra-paharingany. Sédécias fils de Kenaana se fit des cornes de fer et dit : " Ainsi parle Yahvé. Avec cela tu encorneras les Araméens jusqu' au dernier. "
1Mp 22:12 And all the prophets prophesied so, saying, Go up to Ramothgilead, and prosper: for the Lord shall deliver it into the king' s hand. Ary ny mpaminany rehetra naminany toy izany koa hoe: Mandehana any Ramota-gileada, dia hambinina ianao; fa Jehovah hanolotra azy eo an-tananao, ry mpanjaka. Ny mpaminany rehetra koa naminany torak' izany, ka nanao hoe; Miakara any Ramota any Galaada, ka maharese, satria hatolotry ny Tompo eo an-tanan' ny mpanjaka izany. Et tous les prophètes faisaient la même prédiction, disant : " Monte à Ramot de Galaad ! Tu réussiras, Yahvé le livrera aux mains du roi. "
1Mp 22:13 And the messenger that was gone to call Micaiah spake unto him, saying, Behold now, the words of the prophets declare good unto the king with one mouth: let thy word, I pray thee, be like the word of one of them, and speak that which is good. Ary ilay iraka izay nandeha naka an' i Mikaia niteny taminy hoe: Indro fa efa iray teny avokoa izao ny mpaminany ka milaza soa ho an' ny mpanjaka; masìna ianao, aoka re ny teninao mba ho tahaka ny an' ny anankiray amin' ireo, ka mba mitenena soa koa. Ary ilay iraka lasa niantso an' i Mikea dia niteny taminy nanao hoe: Indro fa iray teny avokoa ny mpaminany izao, samy milaza soa ho an' ny mpanjaka, ka mba ampifanaraho amin' ny azy ireo tsirairay avy koa ny teninao, mba milazà soa. Le messager qui était allé chercher Michée lui dit : " Voici que les prophètes n' ont qu' une seule bouche pour parler en faveur du roi. Tâche de parler comme l' un d' eux et prédis le succès. "
1Mp 22:14 And Micaiah said, As the Lord liveth, what the Lord saith unto me, that will I speak. Ary hoy Mikaia: Raha velona koa Jehovah, dia izay lazain' i Jehovah amiko ihany no hambarako. Fa hoy ny navalin' i Mikea: Velona Iaveh! dia izay holazain' ny Tompo amiko ihany no hambarako koa. Mais Michée répondit : " Par Yahvé vivant ! Ce que Yahvé me dira, c' est cela que j'énoncerai ! "
1Mp 22:15 So he came to the king. And the king said unto him, Micaiah, shall we go against Ramothgilead to battle, or shall we forbear? And he answered him, Go, and prosper: for the Lord shall deliver it into the hand of the king. Dia nankany amin' ny mpanjaka izy. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ry Mikaia, handeha hanafika an' i Ramota-gileada va isika, sa hijanona ihany? Ary izy namaly azy hoe: Mandehana, fa hambinina ianao, fa hatolotr' i Jehovah eo an-tananao izy, ry mpanjaka. Nony tonga teo amin' ny mpanjaka izy, dia hoy ny mpanjaka taminy: Handeha hanafika an' i Ramota any Galaada va isika, ry Mikea, sa tokony hijanona kosa? Ary hoy ny navaliny azy: Mandehana, maharese, fa hatolotry ny Tompo eo an-tanan' ny mpanjaka izany! Il arriva près du roi, et le roi lui demanda : " Michée, devons-nous aller à Ramot de Galaad pour combattre, ou devons-nous y renoncer ? " Il lui répondit : " Monte ! Tu réussiras. Yahvé la livrera aux mains du roi. "
1Mp 22:16 And the king said unto him, How many times shall I adjure thee that thou tell me nothing but that which is true in the name of the Lord? Ary hoy ny mpanjaka taminy: Impiry no hampianianako anao mba tsy hilaza na inona na inona amiko amin' ny anaran' i Jehovah afa-tsy izay marina ihany Fa hoy ny mpanjaka taminy: Impiry no hiangaviako anao, mba tsy hilaza amiko, amin' ny anaran' ny Tompo, afa-tsy ny marina ihany? Mais le roi lui dit : " Combien de fois me faudra-t-il t' adjurer de ne me dire que la vérité au nom de Yahvé ? "
1Mp 22:17 And he said, I saw all Israel scattered upon the hills, as sheep that have not a shepherd: and the Lord said, These have no master: let them return every man to his house in peace. Dia hoy Mikaia Hitako fa indreny ny Isiraely rehetra niely teny an-tendrombohitra toy ny ondry tsy misy mpiandry, ary hoy Jehovah: Ireto efa tsy manan-tompo, aoka izy samy hody soa aman-tsara any an-tranony avy. Dia hoy ny navalin' i Mikea: Indreny Israely rehetra hitako miely eny an-tendrombohitra toy ny ondry tsy misy mpiandry, ka hoy Iaveh: Tsy manan-tompo ireo olona ireo, ka aoka samy hody soa amantsara any an-tranony avy. Alors il prononça :" J' ai vu tout Israël dispersé sur les montagnes comme un troupeau sans pasteur. Et Yahvé a dit : Ils n' ont plus de maître, que chacun retourne en paix chez soi ! "
1Mp 22:18 And the king of Israel said unto Jehoshaphat, Did I not tell thee that he would prophesy no good concerning me, but evil? Dia hoy ny mpanjakan' ny Isiraely tamin' i Josafata: Tsy efa voalazako taminao va fa tsy mba mety maminany soa ho ahy izy, fa loza ihany? Ary hoy ny mpanjakan' Israely tamin' i Josafata: Tsy efa voalazako taminao va? Tsy mba maminany soa ho ahy io, fa ny loza ihany. Le roi d' Israël dit alors à Josaphat : " Ne t' avais-je pas dit qu' il prophétisait pour moi non le bien mais le mal ! "
1Mp 22:19 And he said, Hear thou therefore the word of the Lord: I saw the Lord sitting on his throne, and all the host of heaven standing by him on his right hand and on his left. Ary hoy Mikaia: Henoy ary ny tenin' i Jehovah: Nahita an' i Jehovah nipetraka teo amin' ny seza fiandrianany aho, ary ireo maro be rehetra any an-danitra nitsangana teo andaniny avy, dia teo amin' ny ankavanany sy teo amin' ny ankaviany. Dia hoy Mikea: Henoy ary ny tenin' ny Tompo: Efa hitako Iaveh nipetraka teo amin' ny seza fiandrianany ary ny tafiky ny lanitra rehetra nitsangana teo akaikiny teo an-kavanany sy teo an-kaviany. Michée reprit : " Écoute plutôt la parole de Yahvé. J' ai vu Yahvé assis sur son trône ; toute l' armée du ciel se tenait en sa présence, à sa droite et à sa gauche.
1Mp 22:20 And the Lord said, Who shall persuade Ahab, that he may go up and fall at Ramothgilead? And one said on this manner, and another said on that manner. Ary hoy Jehovah: Iza no hitaona an' i Ahaba handeha ho any Ramotagileada ka ho lavo any? Ary ny anankiray niteny toy izao, ary ny anankiray kosa niteny toy izao. Ary hoy Iaveh: Iza no hanambaka an' i Akaba mba hiakarany any Ramota any Galaada hahafaty azy any? Dia namaly izy ireo, nefa ny iray toy izao, ny iray toy izao. Yahvé demanda : "Qui trompera Achab pour qu' il marche contre Ramot de Galaad et qu' il y succombe ?" Ils répondirent, celui-ci d' une manière, celui-là d' une autre.
1Mp 22:21 And there came forth a spirit, and stood before the Lord, and said, I will persuade him. Dia nandroso ny fanahy ka nitsangana teo anatrehan' i Jehovah ary nanao hoe: Izaho no hitaona azy. Ary hoy Jehovah taminy: Amin' inona anefa? Tamin' izay dia tonga ny fanahy, nitoetra teo anatrehan' ny Tompo ka nanao hoe: Izaho no hanambaka azy. Fa hoy Iaveh taminy: Hataonao ahoana? Alors l' Esprit s' avança et se tint devant Yahvé : "C' est moi, dit-il, qui le tromperai. " Yahvé lui demanda : "Comment ?"
1Mp 22:22 And the Lord said unto him, Wherewith? And he said, I will go forth, and I will be a lying spirit in the mouth of all his prophets. And he said, Thou shalt persude him, and prevail also: go forth, and do so. Dia hoy izy: Hivoaka aho ka ho tonga fanahy mandainga ao am-bavan' ny mpaminaniny rehetra. Dia hoy indray Jehovah: Ho voataonanao ihany izy, ka hahatanteraka ianao; mivoaha ary, ka ataovy izany. Ary hoy ny navaliny: Hivoaka aho, ka ho tonga fanahy mandainga eo am-bavan' ny mpaminany rehetra. Dia hoy Iaveh: hanambaka azy hianao, sady hahomby amin' izany, ka mivoaha ary, ataovy izany. Il répondit : "J' irai et je me ferai esprit de mensonge dans la bouche de tous ses prophètes. " Yahvé dit : "Tu le tromperas, tu réussiras. Va et fais ainsi. "
1Mp 22:23 Now therefore, behold, the Lord hath put a lying spirit in the mouth of all these thy prophets, and the Lord hath spoken evil concerning thee. Koa, indro, Jehovah efa nanisy fanahy mandainga ao am-bavan' ireto mpaminaninao rehetra ireto ary Izy koa efa nilaza ny loza hanjo anao. Koa indro, Iaveh nanisy fanahy mandainga eo am-bavan' ireo mpaminaninao rehetra eo ireo. Ary Iaveh efa nanonona loza hanjo anao. Voici donc que Yahvé a mis un esprit de mensonge dans la bouche de tous tes prophètes qui sont là, mais Yahvé a prononcé contre toi le malheur. "
1Mp 22:24 But Zedekiah the son of Chenaanah went near, and smote Micaiah on the cheek, and said, Which way went the Spirit of the Lord from me to speak unto thee? Fa Zedekia, zanak' i Kenana, nanatona, dia namely ny takolak' i Mikaia sady nanao hoe: Taiza no nialan' ny Fanahin' i Jehovah tamiko hiteny aminao? Fa nanatona kosa Sedesiasa zanak' i Kanaana, ka namely ny takolak' i Mikea ary nanao hoe: Fa taiza leity no nivoahan' ny fanahin' ny Tompo tamiko, hiteny amin' ialahy a? Alors Sédécias fils de Kenaana s' approcha et frappa Michée à la mâchoire, en disant : " Par où l' esprit de Yahvé m' a-t-il quitté pour te parler ? "
1Mp 22:25 And Micaiah said, Behold, thou shalt see in that day, when thou shalt go into an inner chamber to hide thyself. Dia hoy Mikaia: Indro, ho hitanao izany amin' ny andro hidiranao ao amin' ny efi-trano anatiny hierenao. Ary hoy ny navalin' i Mikea: Ho hitanao izany, amin' ilay andro handehandehananao isan' efi-trano hierenao. Michée repartit : " C' est ce que tu verras, le jour où tu fuiras dans une chambre retirée pour te cacher. "
1Mp 22:26 And the king of Israel said, Take Micaiah, and carry him back unto Amon the governor of the city, and to Joash the king' s son; Dia hoy ny mpanjakan' ny Isiraely: Raiso Mikaia, ka ento miverina izy ho any amin' i Amona, komandin' ny tanàna, sy ho any amin' i Joasy, zanaky ny mpanjaka, Dia hoy ny mpanjakan' Israely: Raiso Mikea ka ento any amin' i Amona governoran' ny tanàna sy amin' i Joasa zanaky ny mpanjaka, Le roi d' Israël ordonna : " Saisis Michée et remets-le à Amôn, gouverneur de la ville, et au fils du roi Yoash.
1Mp 22:27 And say, Thus saith the king, Put this fellow in the prison, and feed him with bread of affliction and with water of affliction, until I come in peace. ka lazao hoe: Izao no lazain' ny mpanjaka: Ataovy ao an-trano-maizina ilehity, ka fahano mofom-pahoriana sy ranom-pahoriana izy mandra-pahatongako soa aman-tsara. lazao hoe: Izao no lazain' ny mpanjaka: Ataovy an-tranomaizina ity olona ity ka mofom-pahoriana aman-dranom-pahoriana no amelomy azy, mandra-piveriko soa amantsara. Tu leur diras : Ainsi parle le roi. Mettez cet homme en prison et nourrissez-le strictement de pain et d' eau jusqu'à ce que je revienne sain et sauf. "
1Mp 22:28 And Micaiah said, If thou return at all in peace, the Lord hath not spoken by me. And he said, Hearken, O people, every one of you. Fa hoy Mikaia: Raha tàhiny ho tafaverina soa aman-tsara ianao dia tsy nampitenenin' i Jehovah aho tsy akory. Ary hoy koa izy: Samia mihaino izany ianareo, ry firenena rehetra. Fa hoy kosa Mikea: Tsy niteny tamin' ny alalako Iaveh matoa tafaverina soa amantsara hianao. Sady nampiany hoe: Samia mihaino izany hianareo vahoaka rehetra. Michée dit : " Si tu reviens sain et sauf, c' est que Yahvé n' a pas parlé par ma bouche. "
1Mp 22:29 So the king of Israel and Jehoshaphat the king of Judah went up to Ramothgilead. Dia niakatra nankany Ramota-gileada ny mpanjakan' ny Isiraely sy Josafata, mpanjakan' ny Joda. Dia niakatra nankany Ramota any Galaada ny mpanjakan' Israely sy Josafata mpanjakan' i Jodà. Le roi d' Israël et Josaphat, roi de Juda, montèrent contre Ramot de Galaad.
1Mp 22:30 And the king of Israel said unto Jehoshaphat, I will disguise myself, and enter into the battle; but put thou on thy robes. And the king of Israel disguised himself, and went into the battle. Ary hoy ny mpanjakan' ny Isiraely tamin' i Josafata: Hody olon-kafa aho ka hitsarapaka any anatin' ny ady, fa ianao kosa dia miakanjoa ny akanjonao ihany. Dia nody olon-kafa ny mpanjakan' ny Isiraely ka nitsarapaka tany anatin' ny ady. Ary hoy ny mpanjakan' Israely tamin' i Josafata: Hanao fitafiana hafa aho no handroso any amin' ny ady, fa hianao kosa ny akanjonao ihany entina. Dia nanao fitafiana hafa ny mpanjakan' Israely, ka nandroso tany amin' ny ady. Le roi d' Israël dit à Josaphat : " Je me déguiserai pour marcher au combat, mais toi, revêts ton costume ! " Le roi d' Israël se déguisa et marcha au combat.
1Mp 22:31 But the king of Syria commanded his thirty and two captains that had rule over his chariots, saying, Fight neither with small nor great, save only with the king of Israel. Fa ny mpanjakan' i Syria efa nandidy ny roa amby telo-polo lahy, komandin' ny kalesy, nanao hoe: Aza miady na amin' ny kely na amin' ny lehibe, afa-tsy amin' ny mpanjakan' ny Isiraely ihany. Ary nisy didy nomen' ny mpanjakan' i Siria an' ireo roa amby telopolo lahy, lehiben' ny an-kalesiny nataony hoe: Aza mamely na ny kely na ny lehibe fa ny mpanjakan' Israely ihany. Le roi d' Aram avait donné cet ordre à ses commandants de chars : " Vous n' attaquerez ni petit ni grand, mais seulement le roi d' Israël. "
1Mp 22:32 And it came to pass, when the captains of the chariots saw Jehoshaphat, that they said, Surely it is the king of Israel. And they turned aside to fight against him: and Jehoshaphat cried out. Ary nony nahita an' i Josafata ireo komandin' ny kalesy, dia hoy izy: Iny mihitsy no mpanjakan' ny Isiraely. Dia nanatrika hiady taminy ireo; ka dia niantsoantso Josafata. Nony nahatazana an' i Josafata ny lehiben' ny kalesy, dia nanao hoe: Iny tokoa ny mpanjakan' Israely; sady nitodika nanatrika azy izy hamely azy. Niantso mafy Josafata. Lorsque les commandants de chars virent Josaphat, ils dirent : " C' est sûrement le roi d' Israël ", et ils dirigèrent le combat de son côté ; mais Josaphat poussa son cri de guerre
1Mp 22:33 And it came to pass, when the captains of the chariots perceived that it was not the king of Israel, that they turned back from pursuing him. Ary rehefa hitan' ireo komandin' ny kalesy fa tsy ny mpanjakan' ny Isiraely izy, dia niverina niala taminy ireo. Ka nony hitan' ny lehiben' ny kalesy fa tsy ny mpanjakan' Israely io, dia nivily niala taminy. et, lorsque les commandants de chars virent que ce n'était pas le roi d' Israël, ils s'éloignèrent de lui.
1Mp 22:34 And a certain man drew a bow at a venture, and smote the king of Israel between the joints of the harness: wherefore he said unto the driver of his chariot, Turn thine hand, and carry me out of the host; for I am wounded. Ary nisy lehilahy anankiray nandefa zana-tsipìka kitoatoa ka nahavoa ny mpanjakan' ny Isiraely teo anelanelan' ny fiarovan-tratrany sy ny eo ambaniny; ka dia hoy izy tamin' ny mpampandeha ny kalesiny: Ahodino, ka ento miala eto amin' ny ady aho, fa voa. Tamin' izay nisy kosa lehilahy anankiray, nandefa kitoatoa ny zana-tsipìkany, ka nahavoa ny mpanjakan' Israely, teo anelanelan' ny fikatonan' ny akajom-piadiana sy ny fiarovan-tratrany. Dia hoy ny mpanjaka tamin' ny mpampandeha kalesiny: Ahodino ka ento miala eto amin' ny ady aho, fa voa. Or un homme banda son arc sans savoir qui il visait et atteignit le roi d' Israël entre le corselet et les appliques de la cuirasse. Celui-ci dit à son charrier : " Tourne bride et fais-moi sortir de la mêlée, car je me sens mal. "
1Mp 22:35 And the battle increased that day: and the king was stayed up in his chariot against the Syrians, and died at even: and the blood ran out of the wound into the midst of the chariot. Ary nihamafy ny ady tamin' izany andro izany; ary ny mpanjaka notohanana hitsangana teo amin' ny kalesiny tandrifin' ny Syriana, ary dia maty izy nony efa harivariva ny andro; ary ny rà nandeha avy teo amin' ny efa voa ho ao anatin' ny kalesy. Ary nihamafy ny ady tamin' izany andro izany; notohanana ihany ny mpanjaka, hitsangana teo ambony kalesiny, tandrifin' ny Siriana, ary maty izy nony hariva; ny ra tamin' ny ratrany, niraraka tao anaty kalesy. Mais le combat devint plus violent ce jour-là, on soutint le roi debout sur son char en face des Araméens, et le soir il mourut ; le sang de sa blessure coulait dans le fond du char.
1Mp 22:36 And there went a proclamation throughout the host about the going down of the sun, saying, Every man to his city, and every man to his own country. Ary nony efa hilentika ny masoandro, dia niely eran' ny toby rehetra izao antsoantso izao hoe: Samia mody any an-tanànany avy sy any amin' ny taniny avy! Nony efa ho faty ny masoandro, niely eran' ny toby izao antsoantso izao: Samia mody any an-tanànany avy, samia mody any amin' ny taniny avy! Au coucher du soleil, un cri se répandit dans le camp : " Chacun à sa ville et chacun à son pays !
1Mp 22:37 So the king died, and was brought to Samaria; and they buried the king in Samaria. Dia maty ny mpanjaka, ka nentina tany Samaria izy, dia nalevina tao. Toy izany no nahafatesan' ny mpanjaka. Nentina ho any Samaria izy, dia nalevina tany Samaria ny mpanjaka. Le roi est mort ! " On alla à Samarie et on enterra le roi à Samarie.
1Mp 22:38 And one washed the chariot in the pool of Samaria; and the dogs licked up his blood; and they washed his armour; according unto the word of the Lord which he spake. Ary nony nosasana teo am-parihin' i Samaria ny kalesiny, dia avy ny alika nilelaka ny ràny raha nandro tao ny vehivavy janga araka ny tenin' i Jehovah. Nony nosasana tao am-parihin' i Samaria ny kalesy dia nolelafin' ny alika ny ran' i Akaba, ary nandro teo ny vehivavy janga araka ny teny voalazan' ny Tompo. On lava à grande eau son char à l'étang de Samarie, les chiens lapèrent le sang et les prostituées s' y baignèrent, selon la parole que Yahvé avait dite.
1Mp 22:39 Now the rest of the acts of Ahab, and all that he did, and the ivory house which he made, and all the cities that he built, are they not written in the book of the chronicles of the kings of Israel? Ary ny tantaran' i Ahaba sisa mbamin' izay rehetra nataony sy ny trano ivory izay nataony ary ny tanàna rehetra izay naoriny, tsy efa voasoratra ao amin' ny bokin' ny tantaran' ny mpanjakan' ny Isiraely va izany? Ny sisa tamin' ny asan' i Akaba, mbamin' izay rehetra nataony, ny trano ivoara naoriny, ny tanàna rehetra naoriny, moa tsy dia efa voasoratra ao amin' ny bokin' ny Tantaran' ny mpanjakan' Israely va izany? Le reste de l' histoire d' Achab, tout ce qu' il a fait, la maison d' ivoire qu' il construisit, toutes les villes qu' il bâtit, cela n' est-il pas écrit au livre des Annales des rois d' Israël ?
1Mp 22:40 So Ahab slept with his fathers; and Ahaziah his son reigned in his stead. Ary Ahaba lasa nodi-mandry any amin' ny razany; ary Ahazia zanany no nanjaka nandimby azy. Nodimandry any amin' ny razany Akaba, ary Okoziasa zanany no nanjaka nandimby azy. Achab se coucha avec ses pères et son fils Ochozias régna à sa place.
1Mp 22:41 And Jehoshaphat the son of Asa began to reign over Judah in the fourth year of Ahab king of Israel. Ary Josafata, zanak' i Asa, vao nanjaka tamin' ny Joda tamin' ny taona fahefatra nanjakan' i Ahaba, mpanjakan' ny Isiraely. Tamin' ny taona fahefatr' i Akaba mpanjakan' Israely no nahatongavan' i Josafata zanak' i Asà ho mpanjakan' i Jodà. Josaphat fils d' Asa devint roi sur Juda en la quatrième année d' Achab, roi d' Israël.
1Mp 22:42 Jehoshaphat was thirty and five years old when he began to reign; and he reigned twenty and five years in Jerusalem. And his mother' s name was Azubah the daughter of Shilhi. Dimy amby telo-polo taona Josafata, fony izy vao nanjaka, ary dimy amby roa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Azoba, zanakavavin' i Sily. Dimy amby telopolo taona Josafata, fony tonga mpanjaka, ary dimy amby roapolo taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Azoba, zanak' i Salaia. Josaphat avait trente-cinq ans à son avènement et il régna vingt-cinq ans à Jérusalem ; sa mère s' appelait Azuba, fille de Shilhi.
1Mp 22:43 And he walked in all the ways of Asa his father; he turned not aside from it, doing that which was right in the eyes of the Lord: nevertheless the high places were not taken away; for the people offered and burnt incense yet in the high places. Ary nandeha tamin' ny lalana rehetra izay nalehan' i Asa rainy izy ka tsy niala tamin' izany, fa nanao izay mahitsy eo imason' i Jehovah; Nandeha tamin' ny làlana rehetra nalehan' i Asà rainy izy, sady tsy nivily tamin' izany, fa nanao izay mahitsy eo imason' ny Tompo. Il suivit entièrement la conduite de son père Asa, sans dévier, faisant ce qui est juste au regard de Yahvé.
1Mp 22:44 And Jehoshaphat made peace with the king of Israel. kanefa kosa ny fitoerana avo tsy mba noravana, fa ny olona mbola namono zavatra hatao fanatitra sady mbola nandoro ditin-kazo manitra teny amin' ny fitoerana avo ihany. Saingy ny fitoerana avo tsy rava, ny vahoaka mbola nanohy ny fanateran-tsorona aman-java-manitra eny amin' ny fitoerana avo. Seulement, les hauts lieux ne disparurent pas ; le peuple continua d' offrir des sacrifices et de l' encens sur les hauts lieux.
1Mp 22:45 Now the rest of the acts of Jehoshaphat, and his might that he shewed, and how he warred, are they not written in the book of the chronicles of the kings of Judah? Ary Josafata nanao fihavanana tamin' ny mpanjakan' ny Isiraely. Ary Josafata nihavana amin' ny mpanjakan' Israely. Josaphat fut en paix avec le roi d' Israël.
1Mp 22:46 And the remnant of the sodomites, which remained in the days of his father Asa, he took out of the land. Ary ny tantaran' i Josafata sisa sy ny heriny mbamin' ny niadiany, tsy efa voasoratra ao amin' ny bokin' ny tantaran' ny mpanjakan' ny Joda va izany? Ny sisa tamin' ny asan' i Josafata, ny herim-po nasehony, ny ady nataony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin' ny bokin' ny Tantaran' ny mpanjakan' i Jodà va izany? Le reste de l' histoire de Josaphat, la vaillance qu' il déploya et les guerres qu' il livra, cela n' est-il pas écrit au livre des Annales des rois de Juda ?
1Mp 22:47 There was then no king in Edom: a deputy was king. Ary ny sisa amin' ny olona izay nanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy, dia Izay mbola tany tamin' ny andron' i Asa rainy, dia nofongorany hiala amin' ny tany. Nofongorany hiala amin' ny tany ny mpijangajanga sisa izay nijanona teo, tamin' ny andron' i Asà rainy. Le reste des prostitués sacrés qui avaient subsisté au temps de son père Asa, il les fit disparaître du pays.
1Mp 22:48 Jehoshaphat made ships of Tharshish to go to Ophir for gold: but they went not; for the ships were broken at Eziongeber. Ary tsy nisy mpanjaka tany Edoma fahizay, fa olona voatendry no nitondra ny fanjakana. Tsy nisy mpanjaka tany Edoma fahizany, fa governora no solo-mpanjaka. Il n' y avait pas de roi établi sur Édom, et le roi
1Mp 22:49 Then said Ahaziah the son of Ahab unto Jehoshaphat, Let my servants go with thy servants in the ships. But Jehoshaphat would not. Ary Josafata nanao sambon' i Tarsisy folo hankany Ofira haka volamena; nefa tsy lasa ireo sambo ireo, fa nahavakiana tao Ezion-gebera. Nanao sambon' i Tarsisa folo Josafata mba hankany Ofira haka volamena, nefa tsy nankany izy, fa fefika tao Asiongabera ny sambo. Josaphat construisit des vaisseaux de Tarsis pour aller chercher l' or à Ophir, mais il ne put y aller, car les vaisseaux se brisèrent à Éçyôn-Gébèr.
1Mp 22:50 And Jehoshaphat slept with his fathers, and was buried with his fathers in the city of David his father: and Jehoram his son reigned in his stead. Dia hoy Ahazia, zanak' i Ahaba, tamin' i Josafata: Aoka ny vahoakako hiaraka amin' ny vahoakanao any an-tsambo. Fa tsy nety Josafata. Dia hoy Okoziasa zanak' i Akaba tamin' i Josafata: Avelao ny mpanompoko hiaraka amin' ny mpanomponao eny an-tsambo. Nefa tsy nety Josafata. Alors Ochozias fils d' Achab dit à Josaphat : " Mes serviteurs iront avec tes serviteurs sur les vaisseaux " ; mais Josaphat n' accepta pas.
1Mp 22:51 Ahaziah the son of Ahab began to reign over Israel in Samaria the seventeenth year of Jehoshaphat king of Judah, and reigned two years over Israel. Ary Josafata lasa nodi-mandry any amin' ny razany, dia nalevina tao amin' ny razany tao an-Tanànan' i Davida rainy izy; ary Jehorama zanany no nanjaka nandimby azy. Ary nodimandry any amin' ny razany Josafata, ka nalevina ao amin' ny razany, ao an-tanànan' i Davida rainy, dia Jorama zanany lahy no nanjaka nandimby azy. Josaphat se coucha avec ses pères et on l' enterra dans la Cité de David, son ancêtre ; son fils Joram régna à sa place.
1Mp 22:52 And he did evil in the sight of the Lord, and walked in the way of his father, and in the way of his mother, and in the way of Jeroboam the son of Nebat, who made Israel to sin: Ahazia, zanak' i Ahaba, vao nanjaka tamin' ny Isiraely tao Samaria tamin' ny taona fahafito ambin' ny folo nanjakan' i Josafata, mpanjakan' ny Joda; ary nanjaka roa taona tamin' ny Isiraely izy. Tamin' ny taona fahafito ambin' ny folon' i Josafata mpanjakan' i Jodà no vao tonga mpanjakan' Israely tany Samaria Okoziasa zanak' i Akaba, ary roa taona no nanjakany tamin' Israely. Ochozias, fils d' Achab, devint roi sur Israël à Samarie en la dix-septième année de Josaphat, roi de Juda, et régna deux ans sur Israël.
1Mp 22:53 For he served Baal, and worshipped him, and provoked to anger the Lord God of Israel, according to all that his father had done. Ary nanao izay ratsy eo imason' i Jehovah izy, fa nandeha tamin' ny lalan' ny rainy sy ny reniny ary tamin' ny lalan' i Jeroboama, zanak' i Nebata, izay nampanota ny Isiraely; ary nanompo an' i Bala izy, dia niankohoka teo anatrehany ka nampahatezitra an' i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tahaka izay rehetra nataon-drainy. Nanao izay ratsy eo imason' ny Tompo izy, dia nandeha tamin' ny làlan-dreniny ary tamin' ny làlan' i Jeroboama zanak' i Nabata, izay nampanota an' Israely. Il fit ce qui déplaît à Yahvé et suivit la voie de son père et celle de sa mère, et celle de Jéroboam fils de Nebat qui avait entraîné Israël au péché.
1Mp 22:54 Nanompo an' i Baala izy, ary niankohoka teo anatrehany ka nampahatezitra an' ny Tompo Andriamanitr' Israely tahaka izay rehetra nataon-drainy ihany. Il rendit un culte à Baal et se prosterna devant lui, et il irrita Yahvé Dieu d' Israël, tout comme avait fait son père.

<-
->