<-
->

1Mp 17:1 And Elijah the Tishbite, who was of the inhabitants of Gilead, said unto Ahab, As the Lord God of Israel liveth, before whom I stand, there shall not be dew nor rain these years, but according to my word. Ary Elia Tisbita, isan' ny nivahiny tany Gileada, nilaza tamin' i Ahaba hoe: Raha velona koa Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay itsanganako eo anatrehany, dia tsy hisy ando na ranonorana akory amin' izao taona izao, raha tsy araka ny teniko ihany. Ary Elia, Tesbita, isan' ny mponina tao Galaada, nilaza tamin' i Akaba hoe: Velona Iaveh, Andriamanitr' Israely, izay itsanganako eo anatrehany! Tsy hisy ando na ranonorana amin' ireto taona ireto raha tsy teniko ihany. Élie le Tishbite, de Tishbé en Galaad, dit à Achab : " Par Yahvé vivant, le Dieu d' Israël que je sers, il n' y aura ces années-ci ni rosée ni pluie sauf à mon commandement. "
1Mp 17:2 And the word of the Lord came unto him, saying, Ary ny tenin' i Jehovah tonga taminy nanao hoe: Dia tonga tamin' i Elia ny tenin' ny Tompo nanao hoe: La parole de Yahvé lui fut adressée en ces termes :
1Mp 17:3 Get thee hence, and turn thee eastward, and hide thyself by the brook Cherith, that is before Jordan. Mialà eto ianao, dia miantsinanàna ka miere any anilan' ny renirano Kerita, izay any atsinanan' i Jordana. Mialà eto hianao, ka mandehana miantsinanana, ary miere ao amin' ny ranon-driaka Karita, tandrifin' i Jordany. " Va-t' en d' ici, dirige-toi vers l' orient et cache-toi au torrent de Kerit, qui est à l' est du Jourdain.
1Mp 17:4 And it shall be, that thou shalt drink of the brook; and I have commanded the ravens to feed thee there. Koa ny renirano no hisotroanao, ary ny goaika efa nodidiako hamelona anao any. Ny rano eo an-dranon-driaka no hisotroanao, ary goaika no efa nodidiako hamelona anao any. Tu boiras au torrent et j' ordonne aux corbeaux de te donner à manger là-bas. "
1Mp 17:5 So he went and did according unto the word of the Lord: for he went and dwelt by the brook Cherith, that is before Jordan. Dia lasa izy ka nanao araka ny tenin' i Jehovah; fa nandeha izy ka nititra teo anilan' ny renirano Kerita any atsinanan' i Jordana. Dia niainga izy ary nanao araka ny tenin' ny Tompo, ka lasa nonina tao amin' ny ranon-driaka Karita, tandrifin' i Jordany. Il partit donc et il fit comme Yahvé avait dit et alla s'établir au torrent de Kerit, à l' est du Jourdain.
1Mp 17:6 And the ravens brought him bread and flesh in the morning, and bread and flesh in the evening; and he drank of the brook. Ary ny goaika nitondra mofo sy hena ho azy isa-maraina ary mofo sy hena isan-kariva, ary ny rano tamin' ny renirano no nisotroany. Nitondran' ny goaika mofo sy hena isa-maraina izy, sy mofo sy hena isan-kariva, ary nisotro rano teo an-dranon-driaka. Les corbeaux lui apportaient du pain le matin et de la viande le soir, et il buvait au torrent.
1Mp 17:7 And it came to pass after a while, that the brook dried up, because there had been no rain in the land. Ary nony ela, dia ritra ny renirano noho ny tsi-fisian' ny ranonorana tamin' ny tany. Nony afaka kelikely anefa, dia ritra ny ranon-driaka, fa tsy nisy orana nilatsaka tamin' ny tany, Mais il arriva au bout d' un certain temps que le torrent sécha, car il n' y avait pas eu de pluie dans le pays.
1Mp 17:8 And the word of the Lord came unto him, saying, Ary ny tenin' i Jehovah tonga taminy ka nanao hoe: ka tonga taminy ny tenin' ny Tompo, ka nanao hoe: Alors la parole de Yahvé lui fut adressée en ces termes :
1Mp 17:9 Arise, get thee to Zarephath, which belongeth to Zidon, and dwell there: behold, I have commanded a widow woman there to sustain thee. Miaingà ka mankanesa any Zarefata, izay naman' i Sidona, ary mitoera any; fa, indro, misy vehivavy mpitondratena any izay notendreko hamelona anao. Miaingà hianao ka mankanesa any Sarefta, izay an' i Sidona, dia mitoera any; indro fa nodidiako hamelona anao any ny vehivavy mpitondratena anankiray. " Lève-toi et va à Sarepta, qui appartient à Sidon, et tu y demeureras. Voici que j' ordonne là-bas à une veuve de te donner à manger. "
1Mp 17:10 So he arose and went to Zarephath. And when he came to the gate of the city, behold, the widow woman was there gathering of sticks: and he called to her, and said, Fetch me, I pray thee, a little water in a vessel, that I may drink. Dia niainga izy ka nankany Zarefata. Ary nony mby teo am-bavahadin' ny tanàna izy, dia, indro, nisy vehivavy mpitondratena nanangona kitay hazo teo; ary niantso azy Elia ka nanao hoe: Masìna ianao. itondray rano kely amin' ny fisotroana aho mba hosotroiko. Dia niainga izy, ka nankany Sarefta. Nony mby teo am-bavahadin' ny tanàna izy, indro nisy vehivavy mpitondratena anankiray teo nanangon-kitay hazo, dia nantsoiny ka nataony hoe: Aza mahafady, mba angalao rano kely amin' ny fisotroana aho hosotroiko. Il se leva et alla à Sarepta. Comme il arrivait à l' entrée de la ville, il y avait là une veuve qui ramassait du bois ; il l' interpella et lui dit : " Apporte-moi donc un peu d' eau dans la cruche, que je boive ! "
1Mp 17:11 And as she was going to fetch it, he called to her, and said, Bring me, I pray thee, a morsel of bread in thine hand. Ary nony lasa naka ravehivavy, dia miantso azy Elia ka nanao hoe: Masìna ianao, itondray mofo kely koa eny an-tananao aho. Dia nandeha naka rano ravehivavy. Nantsoiny izy ary nataony hoe: Dia mba itondray mofo kely eny an-tànanao aho, raha sitrakao. Comme elle allait la chercher, il lui cria : " Apporte-moi donc un morceau de pain dans ta main ! "
1Mp 17:12 And she said, As the Lord thy God liveth, I have not a cake, but an handful of meal in a barrel, and a little oil in a cruse: and, behold, I am gathering two sticks, that I may go in and dress it for me and my son, that we may eat it, and die. Fa hoy ravehivavy: Raha velona koa Jehovah Andriamanitrao, tsy manana mofo na dia iray akory aza aho, fa koba kely eran-tànan' ila ao amin' ny barika sy diloilo kely foana ao amin' ny tavoara; ary, he! maka tapa-kazo roa aho izao, ka hiditra hanamboatra ireo hohaninay mianaka, dia ho faty izahay. Fa hoy ny navaliny: Velona Iaveh Andriamanitrao, tsy misy zavatra masaka ao amiko; lafarina eran-tanan' ila ao am-bilany sy diloilo kely foana ao amin' ny siny no hany ananako. Ary indro aho manangona tapa-kazo roa izao, dia hody hanamboatra izany ho anay mianaka; hohaninay izany, dia ho faty izahay. Elle répondit : " Par Yahvé vivant, ton Dieu ! je n' ai pas de pain cuit ; je n' ai qu' une poignée de farine dans une jarre et un peu d' huile dans une cruche, je suis à ramasser deux bouts de bois, je vais préparer cela pour moi et mon fils, nous mangerons et nous mourrons. "
1Mp 17:13 And Elijah said unto her, Fear not; go and do as thou hast said: but make me thereof a little cake first, and bring it unto me, and after make for thee and for thy son. Fa hoy Elia taminy: Aza matahotra, fa andeha miditra, ka manaova araka izany lazainao izany; nefa anaovy mofo kely ihany aho aloha, ka ento etý amiko, ary rehefa izany, dia vao manaova ho anao sy ny zanakao koa. Fa hoy Elia taminy: Aza matahotra, fa modia ka ataovy izany voalazanao izany. Nefa anaovy mofo kely amin' izany aho aloha, dia ento mankatý amiko, vao manao ho anao sy ny zanakao hianao. Mais Élie lui dit : " Ne crains rien, va faire comme tu dis ; seulement, prépare-m' en d' abord une petite galette, que tu m' apporteras : tu en feras ensuite pour toi et ton fils.
1Mp 17:14 For thus saith the Lord God of Israel, The barrel of meal shall not waste, neither shall the cruse of oil fail, until the day that the Lord sendeth rain upon the earth. Fa izao no lazain' i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Tsy ho lany ny koba ao amin' ny barika, ary tsy ho ritra ny diloilo ao amin' ny tavoara mandra-pihavin' ny andro handatsahan' i Jehovah ranonorana amin' ny tany. Fa izao no lazain' ny Tompo Andriamanitr' Israely: Ny lafarina ao am-bilany tsy ho lany, ny diloilo ao an-tavoara tsy hihena akory mandra-pihavin' ny andro handatsahan' ny Tompo ranonorana eto ambonin' ny tany. Car ainsi parle Yahvé, Dieu d' Israël :Jarre de farine ne s'épuisera, cruche d' huile ne se videra, jusqu' au jour où Yahvé enverra la pluie sur la face de la terre. "
1Mp 17:15 And she went and did according to the saying of Elijah: and she, and he, and her house, did eat many days. Dia nandeha ravehivavy ka nanao araka ny tenin' i Elia, ary izy sy ravehivavy mbamin' ny ankohonany dia nanan-kohanina elaela ihany. Dia nandeha ravehivavy, nanao araka ny tenin' i Elia, ka nanan-kohanina ela izy sy ny ankohonany, ary Elia koa. Elle alla et fit comme avait dit Élie, et ils mangèrent, elle, lui et son fils.
1Mp 17:16 And the barrel of meal wasted not, neither did the cruse of oil fail, according to the word of the Lord, which he spake by Elijah. Nefa tsy lany ny koba tao amin' ny barika, ary tsy ritra ny diloilo tao amin' ny tavoara, araka ny tenin' i Jehovah izay nampilazainy an' i Elia. Ny lafarina tao am-bilany tsy lany, ny diloilo tao an-tavoara tsy nihena, araka ny tenin' ny Tompo nolazainy tamin' ny alalan' i Elia. La jarre de farine ne s'épuisa pas et la cruche d' huile ne se vida pas, selon la parole que Yahvé avait dite par le ministère d'Élie.
1Mp 17:17 And it came to pass after these things, that the son of the woman, the mistress of the house, fell sick; and his sickness was so sore, that there was no breath left in him. Ary nony afaka izany, dia narary ny zana-dravehivavy tompon-trano, ary mafy indrindra ny aretiny, ka efa tsy nisy fofonaina intsony izy. Tatý aorian' izany kosa, nandraiki-narary ny zana-dravehivavy tompon-trano, ary mafy dia mafy ny aretina, ka efa tsy nisy fofon' aina intsony taminy. Après ces événements, il arriva que le fils de la maîtresse de maison tomba malade, et sa maladie fut si violente qu' enfin il expira.
1Mp 17:18 And she said unto Elijah, What have I to do with thee, O thou man of God? art thou come unto me to call my sin to remembrance, and to slay my son? Dia hoy ravehivavy tamin' i Elia: Moa mifaninona akory izaho sy ianao, ry lehilahin' Andriamanitra ô ? Tonga atý amiko va ianao hampahatsiaro ny fahotako ka hahafaty ny zanako ? Dia hoy ity vehivavy tamin' i Elia: Inona akory moa no raharahako aminao, ry olon' Andriamanitra? Moa ny hamelona ny fahatsiarovana ny fahotako, sy ny hahafaty ny zanako va no nahatongavanao tatý amiko? Alors elle dit à Élie : " Qu' ai-je à faire avec toi, homme de Dieu ? Tu es donc venu chez moi pour rappeler mes fautes et faire mourir mon fils ! "
1Mp 17:19 And he said unto her, Give me thy son. And he took him out of her bosom, and carried him up into a loft, where he abode, and laid him upon his own bed. Ary hoy Elia taminy: Atolory ahy ny zanakao. Dia naka ny zaza teo an-tratran-dreniny izy ka nitondra azy niakatra ho any an-efi-trano ambony izay nitoerany, ary nampandry azy teo am-pandriany. Ary hoy ny navaliny azy: Atolory ahy ny zanakao. Dia nalainy ny zaza teny an-trotroan-dravehivavy, ka nentiny any amin' ny efi-trano ambony nitoerany, sy nampandriny teo am-parafarany. Il lui dit : " Donne-moi ton fils " ; il l' enleva de son sein, le monta dans la chambre haute où il habitait et le coucha sur son lit.
1Mp 17:20 And he cried unto the Lord, and said, O Lord my God, hast thou also brought evil upon the widow with whom I sojourn, by slaying her son? Dia nitaraina tamin' i Jehovah izy ka nanao hoe: Jehovah Andriamanitro ô, efa nahatonga loza koa tamin' ny mpitondratena izay nivahiniako va Hianao ka nahafaty ny zanany? Dia niantso an' ny Tompo izy, nanao hoe: Iaveh Andriamanitra ô, dia nampidi-doza ho amin' ity mpitondratena itoerako ity va hianao, ka hahafaty ny zanany va? Puis il invoqua Yahvé et dit : " Yahvé, mon Dieu, veux-tu donc aussi du mal à la veuve qui m' héberge, pour que tu fasses mourir son fils ? "
1Mp 17:21 And he stretched himself upon the child three times, and cried unto the Lord, and said, O Lord my God, I pray thee, let this child' s soul come into him again. Dia niampatra intelo tamin' ny zaza izy sady nitaraina tamin' i Jehovah hoe: Jehovah Andriamanitro ô, mifona aminao aho, aoka hody aminy indray ny ain' ity zaza ity. Ary niampatra intelo tamin' ny zaza izy, sady niantso an' ny Tompo nanao hoe: Iaveh Andriamanitro ô! mifona aminao re aho, mba ampodio aminy indray ny ain' ity zaza ity! Il s'étendit trois fois sur l' enfant et il invoqua Yahvé : " Yahvé, mon Dieu, je t' en prie, fais revenir en lui l'âme de cet enfant ! "
1Mp 17:22 And the Lord heard the voice of Elijah; and the soul of the child came into him again, and he revived. Ary Jehovah nihaino ny feon' i Elia, dia nody taminy indray ny ain' ny zaza, ka dia velona izy. Nohenoin' ny Tompo ny feon' i Elia, ka nody taminy indray ny ain' ilay zaza, dia tonga velona indray izy. Yahvé exauça l' appel d'Élie, l'âme de l' enfant revint en lui et il reprit vie.
1Mp 17:23 And Elijah took the child, and brought him down out of the chamber into the house, and delivered him unto his mother: and Elijah said, See, thy son liveth. Ary Elia nandray ny zaza ka nitondra azy nidina avy tao an-efi-trano ambony ho ao anaty trano, dia natolony an-dreniny, ka hoy izy: Inty, fa velona ny zanakao.. Ary noraisin' i Elia ny zaza, nampidininy avy any ambony rihana ho ao an-trano, dia natolony an-dreniny, ary nataon' i Elia hoe: Inty fa velona ny zanakao. Élie le prit, le descendit de la chambre haute dans la maison et le remit à sa mère ; et Élie dit : " Voici, ton fils est vivant. "
1Mp 17:24 And the woman said to Elijah, Now by this I know that thou art a man of God, and that the word of the Lord in thy mouth is truth. Ary hoy ravehivavy tamin' i Elia: Ankehitriny izao dia fantatro fa lehilahin' Andriamanitra tokoa ianao, ary marina ny tenin' i Jehovah aloaky ny vavanao. Ka hoy ravehivavy tamin' i Elia: Fantatro amin' izao fa olon' Andriamanitra tokoa hianao, ka marina ny tenin' ny Tompo ao am-bavanao. La femme lui répondit : " Maintenant je sais que tu es un homme de Dieu et que la parole de Yahvé dans ta bouche est vérité ! "

<-
->