<-
->

2M 12:1 Nony vita ny fanekena, Lisiasa niverina nankany amin' ny mpanjaka, ary ny Jody nandroso niasa ny taniny. Ces traités conclus, Lysias revint chez le roi, tandis que les Juifs se remettaient aux travaux des champs.
2M 12:2 Kanefa ireo jeneraly teo amin' ny tany, Timoteo sy Apolloniosa, zanak' i Gennea, mbamin' i Heronima sy Demofona, nanampy ireo koa Nikanora governoran' i Sipra, dia ny namela azy ireo handry fahizay, na hiaina amim-piadanana. Parmi les stratèges en place, Timothée et Apollonius, fils de Gennéos, et aussi Hiéronyme et Démophon, à qui s' ajoutait Nikanor le Cypriarque, ne laissaient goûter aux Juifs ni repos, ni tranquillité.
2M 12:3 Tamin' izany, nanao heloka be vava ny mponina tao Jope. Nasain' izy ireo niakatra teo amin' ny lakan-drafitra nomanin' izy ireo, ny Jody nonina teo aminy, mbamin' ny vady aman-janany, Les habitants de Joppé commirent un acte particulièrement impie. Ils invitèrent les Juifs domiciliés chez eux à monter avec leurs femmes et leurs enfants sur des barques qu' ils avaient préparées eux-mêmes, comme si nulle inimitié n' existait à leur égard.
2M 12:4 mova tsy ny tsy nanam-pankahalana azy ireo akory izy, fa hevitra niarahan' ny tao an-tanàna rehetra notapahina no nanaovany an' izany. Ny Jody araka ny faniriany te-hihavana, dia nanaiky tsy nanana ahiahy kely akory. Kanjo nony tonga teny afovoany izy ireo, dia nalentiny, nisy roan-jato mahery no isany raha dia kely. Sur l' assurance d' un décret rendu par le peuple de la ville, les Juifs acceptèrent comme des gens désireux de la paix et sans défiance, mais quand ils furent au large, on les coula à fond au nombre d' au moins 200.
2M 12:5 Vao nandre ny halozana natao tamin' ireo olona iray firenena aminy Jodasa, dia nomeny teny ireo namany, ka nony avy niantso an' Andriamanitra mpitsara marina izy, Dès que Judas eut appris la cruauté commise contre les gens de sa nation, il fit savoir ses ordres à ceux qui étaient avec lui,
2M 12:6 dia niroso hamely ny mpamono ireo rahalahiny: nodorany alina ireo trano tao an-tseranana, notsoloany koa ny sambo, ary novonoiny tamin' ny lelan-tsabatra ireo nitady fialofana tao. et, après avoir invoqué Dieu, le juge équitable, il marcha contre les meurtriers de ses frères. De nuit, il incendia le port, brûla les vaisseaux et passa au fil de l'épée ceux qui y avaient cherché un refuge.
2M 12:7 Nilaozany ny tanàna, fa nihidy, nefa ny hiverina handrava ny tanànan' ny Jopita manontolo no fikasany. Mais la place ayant été fermée, il partit dans le dessein d' y revenir pour extirper toute la cité des Joppites.
2M 12:8 Reny koa fa ny olona ao Jamnia, mikasa hanao toy izany amin' ny Jody monina ao aminy, Averti que ceux de Iamnia voulaient jouer le même tour aux Juifs qui habitaient parmi eux,
2M 12:9 ka nasiany torak' izany tamin' ny alina koa, ny mponina tao Jamnia; nodorany ny seranana mbamin' ny sambo, ka tazana hatrany Jerosalema ny hazavana avy amin' ny fandoroana, nefa efapolo sy roan-jato stady no elanelany. il attaqua de nuit les Iamnites, incendia le port avec la flotte, de telle sorte que les lueurs des flammes furent aperçues jusqu'à Jérusalem quoique distante de 240 stades.
2M 12:10 Nony avy eo izy, ka efa lasa sivy stady, ndeha hamely an' i Timoteo, dia nisy Arabo nirotsaka tamin' i Jodasa; dimy arivo izy no miaramila an-tongotra, ary diman-jato ny an-tsoavaly. Il s'était éloigné de là de neuf stades dans une marche contre Timothée, lorsque tombèrent sur lui des Arabes au nombre d' au moins 5.000 hommes de pied et cinq cent cavaliers.
2M 12:11 Mafy ny ady, nefa nahery Jodasa sy ny namany, noho ny fanampian' Andriamanitra; nony resy ireo mpifindrafindra, dia nangataka tamin' i Jodasa hanolotra ny tànany havanana amin' izy ireo, sady nanome toky hanome azy biby fiompy sy hanampy azy amin' ny zavatra sasany. Un violent combat s'étant engagé, et les soldats de Judas l' ayant emporté avec l' aide de Dieu, les nomades vaincus demandèrent à Judas de leur donner la main droite, promettant de lui livrer du bétail et de lui être utiles en tout le reste.
2M 12:12 Hitan' i Jodasa fa be tokoa ny zavatra azon' ireo anampiana azy, ka dia nekeny ny hanao fihavanana aminy; nony avy nifandray tànana, dia nody ho any an-dainy izy ireo. Comprenant qu' en réalité ils pourraient lui rendre beaucoup de services, Judas consentit à faire la paix avec eux et, après qu' on se fut donné la main, ils se retirèrent sous la tente.
2M 12:13 Taorian' izany Jodasa nananika tanàna mafy anankiray voahodidina manda sy voaisy tetezan-kady azo hingaina, ary onenan' olona samihafa firenena; Kaspina no anarany. Judas attaqua aussi une certaine ville forte, entourée de remparts, habitée par un mélange de nations et dont le nom était Kaspîn.
2M 12:14 Nitoky tamin' ny hamafin' ny mandany sy ny habetsahan' ny hanina nananany ny nafahirano, ka nanao toetry ny tsy mahalala fomba, naniratsira an' i Jodasa sy ny namany, nanonona teny fanaratsiana an' Andriamanitra aza sy fankahalana ny fivavahana. Confiants dans la puissance de leurs murs et leurs dépôts de vivres, les assiégés se montraient grossiers à l' excès envers Judas et les siens, joignant aux insultes les blasphèmes et des propos impies.
2M 12:15 Jodasa sy ny namany kosa, niantso ilay Tompo ambony indrindra amin' izao tontolo izao, izay nampianjera ny mandan' i Jerikao, tsy tamin' ny milina fandonana manda na milina hafa, tamin' ny andron' i Josoe, vao niantoraka tamin' ny manda, mova tsy ny liona mitroatra. Judas et ses compagnons, ayant invoqué le grand Souverain du monde qui sans béliers ni machines de guerre renversa Jéricho au temps de Josué, assaillirent le mur avec férocité.
2M 12:16 Nony azony, araka ny sitra-pon' Andriamanitra ny tanàna, dia vonoan' olona maro, hoatran' ny fatim-balala no nataony tao, ka hoatra ny feno ny ra nandriaka tao ilay kamory eo akaiky, misy roa stady ny habeny. Devenus maîtres de la ville par la volonté de Dieu, ils firent un carnage indescriptible, au point que l'étang voisin, large de deux stades, paraissait rempli par le sang qui y avait coulé.
2M 12:17 Avy eo izy, dia nandeha dimampolo sy fiton-jato stady, ka nahatratra an' i Karaksa, izay nonenan' ny Jody atao hoe Tobiana. Comme ils s'étaient éloignés à 750 stades de là, ils atteignirent le Charax, chez les Juifs appelés Toubiens.
2M 12:18 Tsy hitan' izy ireo tao amin' izany tany izany Timoteo; fa lasa niala teo izy, satria tsy nahavatra nanao na inona na inona teo, fa toerana anankiray izay no nametrahany miaramila mpiandry tany maro dia maro. Quant à Timothée, ils ne le trouvèrent point dans ces parages, car il avait quitté les lieux sans avoir rien fait, mais non sans avoir laissé sur un certain point une très forte garnison.
2M 12:19 Ny roa tamin' ireo jeneralin' i Makabeo anefa, dia Dositeo sy Sosipatera nandeha nananika io tanàna mimanda io, ka namono ny olona navelan' i Timoteo tao, nisy iray alina mahery ny isany. Dosithée et Sosipater, généraux du Maccabée, s' y rendirent et tuèrent les hommes laissés par Timothée dans la forteresse au nombre de plus de 10.000.
2M 12:20 Makabeo kosa tetsy an-daniny, nampilahatra ny tafiny araka ny antokony, ary nasainy hotarihiny ireo antokony ireo, dia nandroso hamely an' i Timoteo izay nitondra miaramila an-tongotra roa alina amby iray hetsy, sy an-tsoavaly diman-jato amby roa arivo. Maccabée, de son côté, ayant distribué ses troupes en cohortes, nomma ceux qui seraient à leur tête et s'élança contre Timothée, qui avait autour de lui 120.000 fantassins et 2.500 cavaliers.
2M 12:21 Nony ren' i Timoteo fa tamy Jodasa dia nasainy nentina ny zaza amam-behivavy mbamin' ny fananany ho ao amin' ny fitoerana anankiray, atao hoe Kariniona, fa fitoerana tsy azo anihina sy sarotra hatonina io, satria hety ny làlana faleha amin' io faritany io. Informé de l' approche de Judas, Timothée envoya tout d' abord les femmes, les enfants et le reste des bagages au lieu dit le Karnion, car la place était inexpugnable et difficile d' accès à cause des passes étroites de toute la contrée.
2M 12:22 Vao niposaka ny antokony voalohany momba an' i Jodasa, dia nivadi-po ny fahavalo, fa niseho nahatsiravina tamin' izy ireo ny fahefan' ilay mahita ny zavatra rehetra, ka vaky nandositra izy, ny sasany nankatsý, ny sasany nankarý, hany ka izy samy izy ihany no nifandratra sy nifanatrobaka tamin' ny sabatry ny tenany. La cohorte de Judas parut la première : l'épouvante s'étant emparée de l' ennemi, ainsi que la crainte que leur inspirait la manifestation de Celui qui voit tout, ils prirent la fuite en tous sens, de telle sorte que souvent ils se blessaient entre eux et se transperçaient de leurs propres épées.
2M 12:23 Nilozoka nanenjika azy ireo Jodasa, nasiany avokoa ireo olona meloka ireo, ka nahafatesany hatramin' ny telo alina, Judas les poursuivit avec une vigueur extrême, embrochant ces criminels dont il fit périr jusqu'à 30.000 hommes.
2M 12:24 Ny tenan' i Timoteo aza, latsaka eo an-tanan' ny miaramilan' i Dositeo sy Sosipatera ka nitalaho tamin-kafetsen-dratsy tamin' izy ireo, handefa azy soa aman-tsara, nilaza fa eo am-pelatanany ny havana sy ny rahalahin' ny ankabeazan' izy ireo. Timothée, étant tombé lui-même aux mains des gens de Dosithée et de Sosipater, les conjura avec beaucoup d' artifice de le laisser aller sain et sauf, affirmant qu' il avait en son pouvoir des parents et même des frères de beaucoup d' entre eux, à qui il pourrait arriver d'être supprimés.
2M 12:25 Nomeny toky tamin' ny teny lava teo izy ireo fa tapa-kevitra ny handefa ireo olona ireo izy, sady tsy haninomaninona azy akory, hany ka dia nalefan' ny Jody izy, mba hamonjeny an' ireo rahalahiny. Quand il les eut persuadés par de longs discours qu' il leur restituerait ces hommes sains et saufs en vertu de l' engagement qu' il prenait, ils le relâchèrent pour sauver leurs frères.
2M 12:26 Jodasa kosa tamin' izany, niroso nankao Kariniona sy amin' ny fitoera-masin' i Atargatisa, ka nahafaty dimy arivo amby roa alin-dahy tao. S'étant rendu au Karnion et à l' Atargatéion, Judas égorgea 25.000 hommes.
2M 12:27 Avy nandresy sy nandripaka ireo fahavalo ireo Jodasa, dia nitondra ny tafiny hamely an' i Efrona, tanàna mafy onenan' olona maro samihafa firenena; zatovo matanjaka avokoa, voalahatra eo anoloan' ny manda, no niaro azy tamin-kerim-po; ary milina aman-java-maranitra sesehena no efa niatrana teo amin' ny tanàna. Après leur désastre et leur perte, il conduisit son armée contre Ephrôn, ville forte où habitait Lysanias. De robustes jeunes gens, rangés devant les murailles, combattaient avec vigueur, et, à l' intérieur, il y avait des quantités de machines et de projectiles en réserve.
2M 12:28 Nefa, nony avy niantso ny Tsitoha ilay manorotoro amin' ny fahefany ny herin' ny fahavalo, ny Jody, dia azony ny tanàna ary dimy arivo sy roa alin-dahy tamin' ireo nonina tao, no nataony niampatra amin' ny tany. Mais, ayant invoqué le Souverain qui brise par sa puissance les forces des ennemis, les Juifs se rendirent maîtres de la ville et couchèrent sur le sol, parmi ceux qui s' y trouvaient, environ 25.000 hommes.
2M 12:29 Niala tao izy, dia nandroso hamely ny tanànan' ny Sita, enin-jato stady avy ao Jerosalema. Partis de là, ils foncèrent sur Scythopolis, à 600 stades de Jérusalem.
2M 12:30 Nilaza anefa ireo Jody nonina tao, fa tsara no nitondran' ny mponina azy, ary nahazo fanampiana tamin' izy ireo aza izy, tamin' ny andron' ny tsy fananany; Mais les Juifs qui s' y étaient fixés, ayant attesté que les Scythopolites avaient eu pour eux de la bienveillance et leur avaient réservé un accueil humain au temps du malheur,
2M 12:31 ka dia nisaotra ny Sitapolitana, ry Jodasa mbamin' ireo nomba azy, sady namporisika azy ireo hanohy ny fitiavany an' ireo iray razana aminy, amin' ny ho avy koa. Rahefa izany, dia niditra tao Jerosalema izy ireo, tamin' ny fotoana efa hiantombohan' ny fetin' ny Herinandro. Judas et les siens remercièrent ces derniers et les engagèrent à se montrer encore à l' avenir bien disposés pour leur race. Ils arrivèrent à Jérusalem très peu avant la fête des Semaines.
2M 12:32 Taorian' ny Pantekoty izy ireo dia nandroso hamely an' i Gorjiasa izay komandy tao Idomea; Après la fête appelée Pentecôte, ils foncèrent contre Gorgias, stratège de l' Idumée.
2M 12:33 ka nivoaka io, nitondra miaramila an-tongotra telo arivo sy an-tsoavaly efa-jato. Celui-ci sortit à la tête de 3.000 fantassins et 400 cavaliers,
2M 12:34 Rafitra ny ady, ary tamin' izay, nisy potraka vitsivitsy ny Jody. qui engagèrent une bataille rangée où il arriva qu' un certain nombre de Juifs succombèrent.
2M 12:35 Ny lehilahy mahery anankiray atao hoe Dositeo mpitaingin-tsoavaly tamin' ny antokon' i Basenoro nisambotra an' i Gorjiasa, dia nitarika azy tamin' ny kapaotiny sy nifaoka azy mafy, fa ny hahazo sambo-belona an' io olona voaozona io no niriny: kanjo niantoraka tamin' i Dositeo ity mpitaingin-tsoavaly Trasa anankiray, dia nanapaka ny sorony, ka afa-nandositra tany Maresa Gorjiasa. Le dénommé Dosithée, cavalier du corps des Toubiens, homme vaillant, se rendit maître de la personne de Gorgias et, l' ayant saisi par la chlamyde, il l' entraînait de force en vue de capturer vivant ce maudit, mais un cavalier thrace, se jetant sur Dosithée, lui trancha l'épaule, et Gorgias s' enfuit à Marisa.
2M 12:36 Tamin' izany kosa efa niady ela ny miaramilan' i Esdrina ka reraky ny havizanana, koa nitaraina tamin' ny Tompo Jodasa mba hiseho ho mpanampy azy ireo, sy ho filohany amin' ny ady. Cependant ceux qui se trouvaient avec Esdrias combattaient depuis longtemps et tombaient d'épuisement. Judas supplia le Seigneur de se montrer leur allié et leur guide dans le combat.
2M 12:37 Izay, dia noventensiny tamim-peo avo amin' ny tenin-drazany ny akoran' ady sy ny hira, ka nirotsaka tampoka tamin' ny miaramilan' i Gorjiasa izy, nataony vaky nandositra ireo. Entonnant ensuite à pleine voix dans la langue des pères le cri de guerre avec des hymnes, il mit en déroute les gens de Gorgias.
2M 12:38 Nanaraka izany, novorin' i Jodasa ny tafiny, dia nentiny ho ao an-tanànan' i Odolama, ary tonga ny andro fahafito amin' ny herinandro, ka nandio tena araka ny fanao izy ireo, dia nankalaza ny sabata teo amin' izany toerana izany. Judas, ayant ensuite rallié son armée, se rendit à la ville d' Odollam et, le septième jour de la semaine survenant, ils se purifièrent selon la coutume et célébrèrent le sabbat en ce lieu.
2M 12:39 Nony ampitso, tonga araka ny tsy maintsy ataony Jodasa sy ny namany naka ny vatan' ireo novonoina halevina ao amin' ny havany, amin' ny fasan-drazany. Le jour suivant, on vint trouver Judas, au temps où la nécessité s' en imposait pour relever les corps de ceux qui avaient succombé et les inhumer avec leurs proches dans le tombeau de leurs pères.
2M 12:40 Isam-batan' olona tamin' izy ireo, samy nahitany tao ambanin' ny akanjo, zava-masina avy amin' ny sampin' i Jamnia, sy andraran' ny lalàna Jody. Ka niharihary tamin' izy rehetra fa izany no antony nahafatesan' ireo. Or ils trouvèrent sous la tunique de chacun des morts des objets consacrés aux idoles de Iamnia et que la Loi interdit aux Juifs. Il fut donc évident pour tous que cela avait été la cause de leur mort.
2M 12:41 Dia izy rehetra no indray nisaotra ny Tompo, mpitsara marina izay mampiharihary ny zava-miafina. Tous donc, ayant béni la conduite du Seigneur, juge équitable qui rend manifestes les choses cachées,
2M 12:42 Rahefa izany, dia nanomboka nivavaka izy ireo nangataka mba havela tokoa ny fahotana natao; Jodasa ilay mahery fo kosa, namporisika ny vahoaka hiaro tena ho tsy voalotom-pahotana, fa he ity hita maso ny vokatry ny fahotan' izay maty. se mirent en prière pour demander que le péché commis fût entièrement pardonné, puis le valeureux Judas exhorta la troupe à se garder pure de tout péché, ayant sous les yeux ce qui était arrivé à cause de la faute de ceux qui étaient tombés.
2M 12:43 Rahefa izany, nampanao vokatra izy, ka nahavory drakma roa arivo nampanateriny hanaovana sorona fanonerana any Jerosalema. Asa soa sy mendrika, avy amin' ny fiheverana ny fitsanganana amin' ny maty, izany. Puis, ayant fait une collecte d' environ 2.000 drachmes, il l' envoya à Jérusalem afin qu' on offrît un sacrifice pour le péché, agissant fort bien et noblement d' après le concept de la résurrection.
2M 12:44 Satria, raha tsy mino izy fa tsy maintsy hitsangana amin' ny maty, ny miaramila maty an' ady, dia zava-poana sy tsy misy antony ny mivavaka ho an' ny maty. Car, s' il n' avait pas espéré que les soldats tombés dussent ressusciter, il était superflu et sot de prier pour les morts,
2M 12:45 Noheveriny koa fa valisoa tsara indrindra no voatahiry ho an' izay mody mandry amim-pitiavam-bavaka, ka hevitra masina ombam-pitiavam-bavaka izany. Izany no nanaovany an' izany sorona fanonerana izany ho an' ny maty, mba ho afaka amin' ny fahotany izy ireo. et s' il envisageait qu' une très belle récompense est réservée à ceux qui s' endorment dans la piété, c'était là une pensée sainte et pieuse. Voilà pourquoi il fit faire ce sacrifice expiatoire pour les morts, afin qu' ils fussent délivrés de leur péché.

<-
->