<-
->

2M 5:1 Takaikin' izany andro izany, nandamina fanafihana an' i Ejipta fanindroany indray Antiokosa. Vers ce temps-là Antiochus préparait sa seconde attaque contre l' Egypte.
2M 5:2 Ary tamin' izany, eran' ny tanàna naharitra sahabo ho efapolo andro, dia nisy mpitaingin-tsoavaly niseho nihazakazaka teny amin' ny habakabaka, nitena akanjo volamena sy nitondra lefona toy ny andian-tafika; Il arriva que dans toute la ville, pendant près de 40 jours, apparurent, courant dans les airs, des cavaliers, vêtus de robes brodées d' or, des troupes armées disposées en cohortes,
2M 5:3 dia nisy kosa antokon-tsoavaly voalahatra hiady, famelezana amam-pikatrohana ny an-daniny avy, firefodrefotr' ampinga aman-defona sesehena, sabatra notsoahana tamin' ny tranony, longy natoraka, fanjelajela-piadiana, mbamin' ny fiarovan-tratra isan-karazany. des escadrons de cavalerie rangés en ordre de bataille, des attaques et des charges conduites de part et d' autre, des boucliers agités, des forêts de piques, des épées tirées hors du fourreau, des traits volants, un éclat fulgurant d' armures d' or et des cuirasses de tout modèle.
2M 5:4 Ka noho izany samy nivavaka avokoa ny olona rehetra, mba ho fambara tsara ho azy izany fisehoana izany. Aussi tous priaient pour que cette apparition fût de bon augure.
2M 5:5 Nisy tsaho tsy marina niely fa hoe maty Antiokosa, ka naka miaramila tsy latsaka ny arivo Jasona, dia tonga namely tampoka ny tanàna. Niezaka namonjy ny manda ny mponina nefa afany ihany ny tanàna, ka niery tao amin' ny trano mimanda Menelasa. Or, sur un faux bruit de la mort d' Antiochus, Jason, ne prenant avec lui pas moins d' un millier d' hommes, dirigea à l' improviste une attaque contre la ville. La muraille forcée et la ville finalement prise, Ménélas se réfugia dans l' acropole.
2M 5:6 Nianjadian' i Jasona tsy nananany antra akory ny mpiray tanindrazana aminy, tsy noheveriny fa ny andro iray naharesena ny mpiray tanindrazana amin' ny tena, no andro very mampalahelo indrindra; fahavalo no nataony ho nahazoam-pandresena, fa tsy olona iray tanindrazana aminy. Jason se livra sans pitié au massacre de ses propres concitoyens, sans penser qu' un succès remporté sur ses frères de race était le plus grand des insuccès, croyant remporter des trophées sur des ennemis et non sur des compatriotes.
2M 5:7 Sady tsy afa-nahazo ny fahefana anefa izy, no nahazo henatra tamin' ity teti-dratsy nataony, ka heriny nandositra nankany amin' ny tanin' ny Amonita. D' un côté, il ne réussit pas à s' emparer du pouvoir et, de l' autre, ses machinations ayant tourné à sa honte, il s' en alla chercher de nouveau un refuge en Ammanitide.
2M 5:8 Izao no niafaran' ny fiainany mahameloka: voaporitra tao amin' i Aretasa mpanjakan' ny Arabo izy, nandositra nifindrafindra tanàna, nenjehin' ny olon-drehetra, nankahalaina ho mpandika lalàna, fanozona ho mpamono tanindrazana amam-piray tanindrazana, noroahina tamim-pahafaham-baraka hatrany Ejipta. Sa conduite perverse trouva donc un terme : enfermé chez Arétas, tyran des Arabes, puis s' enfuyant de sa ville, poursuivi par tous, détesté parce qu' il reniait les lois, exécré comme le bourreau de sa patrie et de ses concitoyens, il échoua en Egypte.
2M 5:9 Nanesi-tany olona betsaka handao tanindrazana izy, ka mba maty tany an-tanin' olon-kafa kosa indray nony efa nankany Lasedemona nanantena hahita fialofana tany, noho ny maha-iray nihaviana. Lui qui avait banni un grand nombre de personnes de leur patrie, il périt sur la terre étrangère, étant parti pour Lacédémone dans l' espoir d' y trouver un refuge en considération d' une commune origine.
2M 5:10 Nampiampatra olona betsaka tamin' ny tany tsy nisy mpandevina izy, ka mba tsy nisy mpisaona koa, na mpikarakara levenana, na nalevina am-pasan-drazana akory. Lui qui avait jeté tant d' hommes sur le sol sans sépulture, nul ne le pleura et ne lui rendit les derniers devoirs; il n' eut aucune place dans le tombeau de ses pères.
2M 5:11 Nony avy izay nahalalan' ny mpanjaka izany zava-niseho izany, dia nataony fa efa niendaka Jodea. Ka niala tany Ejipta izy, nisafoaka toa biby masiaka, naka ny tanàna tamim-piadiana. Lorsque ces faits furent arrivés à la connaissance du roi, celui-ci en conclut que la Judée faisait défection. Il quitta donc l' Egypte, furieux comme une bête sauvage, et prit la ville à main armée.
2M 5:12 Nodidiany ny miaramila hamono tsy hanana antra akory izay azon' ny tànany sy hamono izay miakatra any ambony tafon-trano. Il ordonna ensuite aux soldats d' abattre sans pitié ceux qu' ils rencontreraient et d'égorger ceux qui monteraient dans leurs maisons.
2M 5:13 Zatovolahy sy anti-dahy no novonoina toy izany, lehilahy lehibe sy zaza amam-behivavy no maty toy izany, zatovovavy sy zaza minono no novonoin-ko faty toy izany. On extermina jeunes et vieux, on supprima femmes et enfants, on égorgea jeunes filles et nourrissons.
2M 5:14 Valo alina no isan' ny olona nahita loza tamin' izany hateloana izany: ny efatra alina maty novonoina; ny torak' izay kosa namidy ho andevo. Il y eut 80.000 victimes en ces trois jours, dont 40.000 tombèrent sous les coups et autant furent vendus comme esclaves.
2M 5:15 Tsy mbola afa-pon' izany halozana izany anefa izy, fa mbola sahiny nitsofohana indray koa ny tempoly, ilay masina indrindra amin' ny tany rehetra, ka Menelasa mpamadika ny lalàna aman-tanindrazany no mpitarika azy. Non content de cela, il osa pénétrer dans le sanctuaire le plus saint de toute la terre, avec pour guide Ménélas, qui en était venu à trahir les lois et la patrie.
2M 5:16 Nalain' io tamin' ireto tànany maloto ny zavatra masina, notsoahany ny fanomezana napetraky ny mpanjaka sasany, hampitombo voninahitra amam-piamboniana io fitoerana io, ka napetrany eo an-tànana tsy voahasina. Il prit de ses mains impures les vases sacrés et rafla de ses mains profanes les offrandes que les autres rois y avaient déposées pour l' accroissement, la gloire et la dignité du saint lieu.
2M 5:17 Antiokosa izany nobohizin' ny fiavonavonana tao am-pony, tsy nandinika fa noho ny fahotan' ny mponina no nahatezitra ny Tompo amin' ny andro fohy ihany, ka izany no namiliany ny masony tsy hijery izany fitoerana izany. Antiochus s' exaltait en pensée, ne voyant pas que le Seigneur était irrité pour peu de temps à cause des péchés des habitants de la ville d' où venait cette indifférence envers le lieu saint.
2M 5:18 Fa raha tany kosa tsy meloka tamin' ny fahotana be dia be izy ireo, dia ny tenany kosa hatramin' ny vao tonga izy no tsy maintsy ho voakapoka sy voasakana amin' izao hasahiany izao, tahaka an' i Heliodora nirahin' ny mpanjaka hizaha ny rakitra. En tout cas, s' ils n' avaient pas été plongés dans une multitude de péchés, lui aussi, à l' instar d' Héliodore envoyé par le roi Séleucus pour inspecter le trésor, il aurait été, dès son arrivée, flagellé et détourné de sa témérité.
2M 5:19 Tsy noho izany fitoerana izany anefa no nifidianan' Andriamanitra ny vahoaka fa noho ny vahoaka no nifidianany an' izany fitoerana izany. Mais le Seigneur a choisi non pas le peuple à cause du lieu saint, mais le lieu à cause du peuple.
2M 5:20 Ka noho izany sady niara-nidiran-doza tamin' ny vahoaka izany fitoerana izany no nanana anjara tamin' ny soa avy amin' ny Tompo koa nanaraka izany; haolo izy aloha nohon ny hatezeran' ny Tsitoha, vao naverina tamin' ny voninahiny lehibe indrindra, nony nihavana tamin' ny vahoakany indray ny Tompo ambony indrindra. C' est pourquoi le lieu lui-même, après avoir participé aux malheurs du peuple, a eu part ensuite aux bienfaits; délaissé au moment de la colère du Tout-Puissant, il a été de nouveau, en vertu de sa réconciliation avec le grand Souverain, restauré dans toute sa gloire.
2M 5:21 Talenta valon-jato amby arivo no nongoahan' i Antiokosa avy ao amin' ny tempoly, dia niverina faingana ho any Antiokia izy; ka azon' ny fiavonavonana izy dia nieritreritra noho ny firehetan' ny fony tafahoatra fa hahazo miantsambo amin' ny tany maina, sy ho afa-mampamindra amin' ny ranomasina. Antiochus, après avoir enlevé au Temple 1.800 talents, se hâta de retourner à Antioche, croyant, dans sa superbe, à cause de l' exaltation de son coeur, rendre navigable la terre ferme et rendre la mer praticable à la marche.
2M 5:22 Nametraka mpanao raharaha hampahory ny vahoaka izy, dia tao Jerosalema, Filipo avy any Frizia, masiaka noho ilay nametraka azy; Mais il laissa des préposés pour faire du mal à la nation; à Jérusalem, Philippe, Phrygien de race, de caractère plus barbare encore que celui qui l' avait institué;
2M 5:23 tao Garizima, Andronika, ary afa-tsy ireo, Menelasa izay ratsy lavitra noho ny hafa, nanandra-tena an' avonavona ho ambony noho ny iray tanindrazana aminy, sur le mont Garizim, Andronique; et en plus de ceux-ci, Ménélas qui plus méchamment que les autres dominait sur ses concitoyens. Nourrissant à l'égard des Juifs une hostilité foncière,
2M 5:24 nanao an-dolom-po tamin' ireo Jody tia tanindrazana. Fanampin' izany, nalefan' i Antiokosa koa Apolloniosa tsivalahara nitondra tafika nisy miaramila roa arivo sy roa alina nomeny didy hamono ny lehilahy rehetra ampy taona, sy hivarotra ny zaza amam-behivavy. le roi envoya le mysarque Apollonius à la tête d' une armée, soit 22.000 hommes, avec ordre d'égorger tous ceux qui étaient dans la force de l'âge et de vendre les femmes et les enfants.
2M 5:25 Nony tonga tao Jerosalema Apolloniosa, nody niseho ho havana, nijanona tsy naninon-tsy naninona, mandra-pahatongan' ny andro masina sabata; kanjo vao hitany variana manamasina io ny Jody, dia nasainy nandray fiadiana ny miaramilany. Arrivé en conséquence à Jérusalem, et jouant le personnage pacifique, il attendit jusqu' au saint jour du sabbat où, profitant du repos des Juifs, il commanda à ses subordonnés une prise d' armes.
2M 5:26 Ka izay rehetra nivoaka hizaha, nasainy novonoina avokoa; dia niara-nitety tao an-tanàna izy sy ny miaramilany namono olona maro ho faty. Tous ceux qui étaient sortis pour assister au spectacle, il les fit massacrer et, envahissant la ville avec ses soldats en armes, il mit à mort une multitude de gens.
2M 5:27 Ary Jodasa Makabeo, izy no fahafolony, nihataka nankany an' efitra nanao toe-piainan' ny biby dia tany an-tendrombohitra niaraka tamin' ireo namany, tsy nihinana afa-tsy ny zava-maitso, na oviana na oviana, mba tsy handoto ny tenany. Or Judas, appelé aussi Maccabée, se trouvant avec une dizaine d' autres, se retira dans le désert, vivant à la manière des bêtes sauvages sur les montagnes avec ses compagnons, ne mangeant jamais que des herbes pour ne pas contracter de souillures.

<-
->