<-
->

2M 15:1 Ren' i Nikanora tamin' izany fa naka toerana any akaikin' i Samaria Jodasa sy ny namany, ary nikasa hamely azy tsy amin' ahiahy izy amin' ny andro sabata. Apprenant que Judas et les siens étaient dans les parages de Samarie, Nikanor prit le parti de les attaquer sans risque, le jour du repos.
2M 15:2 Nilazan' ireo Jody noterena hanaraka azy izy, nataony hoe: Aza mamono azy ireo, amin' ny fomba masiaka sy barbariana toy izany, fa omeo voninahitra ny andro izay efa nohajaina sy nohamasinin' ilay mitondra izao rehetra izao. Les Juifs qui le suivaient par contrainte lui dirent : "Ne va pas les faire périr d' une façon si sauvage et si barbare, mais rends gloire au jour que Celui qui veille sur toutes choses a sanctifié de préférence."
2M 15:3 Tamin' izay ity tsy misoro-doza fatin-tany, nanontany raha misy tompo nandidy ny hankalazana ny andro sabata. Alors ce triple scélérat demanda s' il y avait au ciel un souverain qui eût prescrit de célébrer le jour du sabbat.
2M 15:4 Ka hoy ireo namaly azy: Tsy iza fa ny Tompo Andriamanitra velona, ilay Tompo lehibe indrindra any an-danitra, dia izy no nandidy ny hankalazana ny andro fahafito. Comme ceux-ci lui répliquaient : "C' est le Seigneur vivant lui-même, souverain au ciel, qui a ordonné d' observer le septième jour",
2M 15:5 Fa hoy kosa izy: Izaho koa dia tompo lehibe indrindra eto an-tany ary mandidy handray fiadiana sy hanao ny fanompoana ny mpanjaka. Kanjo tsy nahazo nanatanteraka ny fikasan-dratsiny izy. l' autre reprit : "Et moi aussi je suis souverain sur terre : je commande qu' on prenne les armes et qu' on fasse le service du roi." Toutefois, il ne fut pas maître de réaliser son funeste dessein.
2M 15:6 Raha mbola nentanin' ny fitokiany feno avona teo Nikanora ka nihevitra hanangana fahatsiarovana ny indray namaboany an' i Jodasa sy ny namany, Tandis que Nikanor, se redressant avec une extrême jactance, décidait d'ériger un trophée commun avec les dépouilles de Judas et de ses compagnons,
2M 15:7 Makabeo kosa tsy nitsahatra ny nitoky tamin' ny fanantenana lavorary ny hahazo fanampiana avy amin' ny Tompo. Maccabée, de son côté, gardant une confiance inaltérable, avait plein espoir d' obtenir du secours de la part du Seigneur.
2M 15:8 Namporisika ireo nomba azy izy tsy hatahotra ny famelezan' izay firenena, fa hahatsiaro ny vonjy nomen' ny Lanitra azy ireo taloha, hatoky fa ilay mahefa ny zavatra rehetra, dia mbola hanome azy fanampiana amam-pandresena amin' izany fotoana izany. Il engageait ceux qui se trouvaient avec lui à ne pas redouter l' attaque des païens, mais, au souvenir des secours qui étaient déjà venus du Ciel, à compter qu' en ce moment aussi, du Tout-Puissant leur viendrait la victoire.
2M 15:9 Nankahereziny izy ireo, tamin' ny teny nalainy tamin' ny lalàna sy ny mpaminany, mbamin' ny fampahatsiarovany azy ny ady efa voatohany, ka nataony feno harisihana mirehitra izy ireo. En les encourageant à l' aide de la Loi et des Prophètes, en évoquant à leur esprit les combats qu' ils avaient déjà soutenus, il les remplit d' une nouvelle ardeur.
2M 15:10 Nony avy namelona ny herim-pon' ireo indray izy, dia nomeny ny baikony, nasehony azy koa ny famitahan' ny Jentily sy ny fivadihany amin' ny fianianany. Ayant ainsi réveillé leurs ardeurs, il acheva de les exhorter en leur montrant la déloyauté des païens et la violation de leurs serments.
2M 15:11 Rahefa voahenjany tsirairay avy izy, tsy tamin' ny toky avy amin' ny ampinga aman-defona ihany fa tamin' ny toky avy amin' ny teny soa indrindra, dia notantarainy taminy koa ity nofy mendrika hinoana, sy tena fahitana masina ity, izay nahafaly azy rehetra. Ayant armé chacun d' eux moins de la sécurité que donnent les boucliers et les lances que de l' assurance fondée sur les bonnes paroles, il leur raconta un songe digne de foi, une sorte de vision, qui les réjouit tous.
2M 15:12 Izao no hitany: Oniasa mpisorona lehibe ilay lehilahy mpanao soa mora hatonina, malemy fanahy, kanto raha handaha-teny, nikely aina hatramin' ny fahazazany amin' ny fanarahana ny hatsaram-panahy rehetra; naninji-tànana nivavaka ho an' ny firenena Jody manontolo, no nahitany azy. Voici le spectacle qui lui avait été offert : l' ex-grand prêtre Onias, cet homme de bien, d' un abord modeste et de moeurs douces, distingué dans son langage et adonné dès l' enfance à toutes les pratiques de la vertu, Onias étendait les mains et priait pour toute la communauté des Juifs.
2M 15:13 Nanaraka izany, niseho taminy torak' izany koa, izany lehilahy anankiray be fahamendrehana noho ny hamaroan' ny taonany, sy ny tarehiny mahate-hanaja; mahatalanjona ny fijery azy, ary voahodidina fiandrianana mahamena-maso indrindra izy. Ensuite avait apparu à Judas, de la même manière, un homme remarquable par ses cheveux blancs et par sa dignité, revêtu d' une prodigieuse et souveraine majesté.
2M 15:14 Oniasa no niteny ka nanao taminy hoe: Ity no Jeremia, mpaminanin' Andriamanitra, sakaizan' ny rahalahiny, mazoto mivavaka ho an' ny firenena sy ny tànana masina. Prenant la parole, Onias disait : "Celui-ci est l' ami de ses frères, qui prie beaucoup pour le peuple et pour la ville sainte tout entière, Jérémie, le prophète de Dieu."
2M 15:15 Rahefa izany, naninjitra ny tànany havanana Jeremia, nanolotra sabatra volamena an' i Jodasa ka hoy izy teo am-panolorana izany: Puis Jérémie, avançant la main droite, donnait à Judas une épée d' or et prononçait ces paroles en la lui remettant
2M 15:16 Raiso ity sabatra masina ity, famonjen' Andriamanitra ity, ary amin' ity no hanorotoroanao ny fahavalonao. "Prends ce glaive saint, il est un don de Dieu, avec lui tu briseras les ennemis."
2M 15:17 Izany teny mendrika avy amin' i Jodasa izany, izay mety hitarika ny olona hahery fo sy hampitomban-dahy ny tovolahy, dia nampirehitra azy ireo, ka tapa-kevitra tsy hiaro tena fotsiny eo an-toby fa hiantoraka an-kasahiana amin' ny fahavalo, hikiry amin' ny ady, ary hamita ny raharaha, fa ambanan-doza ity ny tanàna, ny fivavahana, ny tempoly. Excités par les excellentes paroles de Judas, capables d' inspirer de la vaillance et de donner aux jeunes des âmes d' hommes faits, les Juifs décidèrent de ne pas se retrancher dans un camp, mais de prendre bravement l' offensive et, dans un corps à corps, de remettre la décision à la fortune des armes, puisque la ville, la religion et le Sanctuaire étaient en péril,
2M 15:18 Tamin' izany ady izany, tsy dia noheveriny loatra izay vady aman-janany, na rahalahy aman-kavany, fa ny nahiny mafy sy voalohany indrindra dia ny tempoly masina. car, dans cette lutte, l' inquiétude au sujet des femmes, des enfants, des frères et des proches se réduisait à peu de chose, tandis que la plus grande et la première des craintes était pour le Temple consacré.
2M 15:19 Tsy latsaka noho izany koa ny tebitebin' ireo vahoaka tafajanona tao an-tanàna; nanahy izay hiafaran' ny ady efa ho rafitra any ivelany izy ireo. L' angoisse de ceux qui avaient été laissés dans la ville n'était pas moindre, inquiets qu' ils étaient au sujet de l' action qui allait se livrer en rase campagne.
2M 15:20 Raha ny olona rehetra nitaintaina amin' izay hiafaran' ny ady efa antomotra, raha ny fahavalo nivory nilahatra hiady ary ny elefanta efa voalamina amin' ny toerana mety sy ny mpitaingin-tsoavaly teo amin' ny vazan-tafika, Pendant que tous attendaient le prochain dénouement et que déjà les ennemis, ayant opéré leur concentration, se rangeaient en ordre de bataille, les éléphants étant ramenés sur une position favorable et la cavalerie rangée sur les ailes,
2M 15:21 Jodasa kosa, nahita ity vahoaka sesehena, izato hasamihafan' ny fiadiany, izatsy tarehy mahatsiravin' ny elefanta izay voalahatra tsara tokoa, ka nanangan-tànana nanandrandra ny lanitra, niantso ny Tompo manao fahagagana, satria fantany fa tsy avy amin' ny herin' ny fiadiana ny fandresena; fa Andriamanitra no manapaka izany sy manome izany an' izay mendrika azy. Maccabée observait ces masses imposantes, l' appareil varié de leurs armements et l' aspect farouche des éléphants. Il leva les mains vers le ciel et invoqua le Seigneur qui opère les prodiges, sachant bien que ce n' est pas à l' aide des armes, mais selon ce qu' il juge, qu' il accorde la victoire à ceux qui en sont dignes.
2M 15:22 Izao no vavaka nataony: Ry Tompo lehibe indrindra, hianao tamin' ny andron' i Ezekiasa mpanjakan' i Jodà, no naniraka ny anjelinao sy nandringana miaramila dimy arivo amby valo alina sy iray hetsy, tamin' ny tobin' i Senakeriba; Il prononça en ces termes l' invocation suivante : "O toi, Maître, tu as envoyé ton ange sous Ezéchias, roi de la Judée, et il a exterminé 185.000 hommes de l' armée de Sennachérib;
2M 15:23 koa ankehitriny, ry Tompon' ny lanitra lehibe indrindra, iraho indray ny anjelinao soa eo anoloanay handrotsaka tahotra amam-badi-po. maintenant encore, ô Souverain des cieux, envoie un bon ange devant nous pour semer la crainte et l' effroi.
2M 15:24 Ny herin' ny sandrinao anie no hamely an' ireo tonga hamely ny vahoakanao masina, sady miteny ratsy an' Andriamanitra. Izany no teny nataony. Que par la grandeur de ton bras soient frappés ceux qui sont venus, le blasphème à la bouche, attaquer ton peuple saint!" Et il termina sur ces mots.
2M 15:25 Tamin' izany Nikanora sy ny tafiny, nandroso tamin' ny feon-trompetra aman-kiran' ady. Or, tandis que les gens de Nikanor s' avançaient au son des trompettes et au chant du péan,
2M 15:26 Jodasa sy ny momba azy kosa nandrafitra ny ady tamim-piantsoana sy fivavahana. les hommes de Judas en vinrent aux mains avec l' ennemi en faisant des invocations et des prières.
2M 15:27 Niady tamin' ny tànany izy, ary nivavaka tamin' Andriamanitra tao am-pony, ka dimy arivo sy telo alina, raha dia kely, no natsingidiny tamin' ny tany; dia faly sy ravo izy ireo tamin' ny vonjy miharihary avy amin' Andriamanitra. Combattant de leurs mains et priant Dieu de leur coeur, ils couchèrent sur le sol au moins 35.000 hommes, et se réjouirent grandement de cette manifestation de Dieu.
2M 15:28 Nony vita ny ady, raha ilay niparitaka an-kafaliana iny izy ireo, dia indro hitany niampatra teo koa Nikanora nitafy ny akanjo fiadiany; La besogne une fois terminée, et comme ils s' en retournaient avec joie, ils reconnurent que Nikanor était tombé revêtu de son armure.
2M 15:29 ka hoby sy hahohaho be ihany no nisaorany an' ilay Tompo lehibe indrindra tamin' ny tenin-drazany. Alors, au milieu des clameurs et de la confusion, ils bénissaient le souverain Maître dans la langue de leurs pères.
2M 15:30 Ary Jodasa ilay nanolo-tena manontolo, vatana amam-panahy, hiaro ny iray tanindrazana aminy, sy nitahiry ny fitiavan' ny hatanorany ho an' ny iray firenena aminy, nandidy ny hanapahana ny lohan' i Nikanora, mbamin' ny tànany miray amin' ny sandriny, sy ny hitondrana izany any Jerosalema. Celui qui au premier rang s'était consacré, corps et âme, à ses concitoyens, qui avait conservé pour ses compatriotes l' affection du jeune âge, ordonna de couper la tête de Nikanor et son bras jusqu'à l'épaule, et de les porter à Jérusalem.
2M 15:31 Nankany koa ny tenany, nantsoiny ny iray firenena aminy mbamin' ny mpisorona dia nankao anoloan' ny otely izy; nampanalainy izay ao amin' ny trano mimanda, Il s' y rendit lui-même et, après avoir convoqué ses compatriotes et placé les prêtres devant l' autel, il envoya chercher les gens de la Citadelle
2M 15:32 dia nasehony azy ireo ny lohan' i Nikanora mbamin' ny tànana nahinjitr' io mpiteny ratsy an' Andriamanitra io tamim-pireharehana, amin' ny fonenana masin' ny Tsitoha. il leur montra la tête de l' abominable Nikanor et la main que cet infâme avait étendue avec tant d' insolence contre la sainte Maison du Tout-Puissant.
2M 15:33 Rahefa izany, notapahiny ny lelan' i Nikanora mpankahala ny fivavahana; nasainy nomena, voatetika, ho sakafon' ny voromanidina, ary nasainy nahantona tandrifin' ny tempoly, ny tamin' ny hadalany. Puis, ayant coupé la langue de l' impie Nikanor, il dit qu' on la donnât par morceaux aux oiseaux et qu' on suspendît en face du Temple le salaire de sa folie.
2M 15:34 Fisaorana ny Tompo be voninahitra no nasandratry ny olona rehetra ho any an-danitra, nanao hoe: Isaorana anie Ilay niaro ny fonenany tsy voakasi-doto! Tous alors firent monter vers le ciel des bénédictions au Seigneur glorieux, en ces termes : "Béni soit Celui qui a gardé son saint lieu exempt de souillure!"
2M 15:35 Nahanton' i Jodasa teo amin' ny trano mimanda ny lohan' i Nikanora ho famantarana miharihary sy mety hitan' ny olon-drehetra ny vonjy avy amin' ny Tompo. Judas attacha la tête de Nikanor à la Citadelle, comme un signe manifeste et visible à tous du secours du Seigneur.
2M 15:36 Nifanarahan' ny olona ny hamoaka didy am-pahibemaso mba tsy hamela izany andro izany tsy hankalazaina, Ils décrétèrent tous par un vote public de ne pas laisser passer ce jour inaperçu, mais de célébrer le treizième jour du douzième mois, appelé Adar en araméen, la veille du jour dit de Mardochée.
2M 15:37 fa hankalaza ny andro fahatelo ambin' ny folon' ny volana faharoa ambin' ny folo atao hoe Adara, amin' ny teny siriaka, dia ny omalin' ny andro atao hoe andron' i Mardokea. Ainsi se passèrent les choses concernant Nikanor, et, comme depuis ce temps-là la ville demeura en la possession des Hébreux, je finirai également mon ouvrage ici même.
2M 15:38 Toy izany ny zavatra nitranga momba an' i Nikanora ary satria hatramin' izany andro izany dia nipetraka ho fananan' ny Hebrio ny tanàna, dia taperiko eo koa ny tantarako. Si la composition en est bonne et réussie, c' est aussi ce que j' ai voulu. A-t-elle peu de valeur et ne dépasse-t-elle pas la médiocrité? C' est tout ce que j' ai pu faire...
2M 15:39 Raha vita amim-pahaizana sy voaforon' ny saina tsara ny filaharan' ny zavatra, dia izany koa no nokendreko; ary raha tsy lavorary sy ratsiratsy aza izy, dia izay no hany azoko natao. Comme il est nuisible de boire seulement du vin ou seulement de l' eau, tandis que le vin mêlé à l' eau est agréable et produit une délicieuse jouissance, de même c' est l' art de disposer le récit qui charme l' entendement de ceux qui lisent le livre. C' est donc ici que j' y mettrai fin.
2M 15:40 Satria toy ny hoe samy tsy tsara ny misotro divay fotsiny, na rano fotsiny, fa ny divay miaro amin' ny rano no tsara sy miteraka fahafinaretana maharavo; toy izany koa, ny fahaizana mandahatra ny tantara no mahafinaritra ny sofin' izay mamaky ny tantara, ka dia faranako eto izy.

<-
->