<-
->

Dan / Da 12:1 And at that time shall Michael stand up, the great prince which standeth for the children of thy people: and there shall be a time of trouble, such as never was since there was a nation even to that same time: and at that time thy people shall be delivered, every one that shall be found written in the book. Ary amin' izany andro izany dia hitsangana Mikaela, andrian-dehibe, izay mitsangana hiaro ny zanaky ny firenenao; ary hisy andro fahoriana, izay tsy nisy tahaka azy hatrizay nisian' ny firenena ka hatramin' izany andro izany; ary amin' izany dia ho afaka ny firenenao, dia izay rehetra hita voasoratra ao amin' ny boky. Amin' izany andro izany, hitsangana Misely ilay filoha ambony, izay miandany amin' ny zanaky ny firenenao, ka amin' izany no ho androm-pahoriana tsy mbola nisy toa azy, hatrizay nisian' ny firenena, ka hatramin' izany andro izany. Amin' izay dia ho voavonjy ny firenenao, dia izay rehetra hita voasoratra eo amin' ny boky. "En ce temps se lèvera Michel, le grand Prince qui se tient auprès des enfants de ton peuple. Ce sera un temps d' angoisse tel qu' il n' y en aura pas eu jusqu' alors depuis que nation existe. En ce temps-là, ton peuple échappera : tous ceux qui se trouveront inscrits dans le Livre.
Dan / Da 12:2 And many of them that sleep in the dust of the earth shall awake, some to everlasting life, and some to shame and everlasting contempt. Ary maro amin' izay matory ao amin' ny vovoky ny tany no hifoha: ny sasany ho amin' ny fiainana mandrakizay, ary ny sasany ho amin' ny henatra sy ny latsa mandrakizay. Ary maro amin' ireo mandry ao amin' ny vovo-tany no hifoha: ny sasany ho amin' ny fiainana mandrakizay; fa ny sasany ho amin' ny latsa amam-panariana mandrakizay. "Un grand nombre de ceux qui dorment au pays de la poussière s'éveilleront, les uns pour la vie éternelle, les autres pour l' opprobre, pour l' horreur éternelle.
Dan / Da 12:3 And they that be wise shall shine as the brightness of the firmament; and they that turn many to righteousness as the stars for ever and ever. Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay mamerina ny maro ho amin' ny fahamarinana dia ho tahaka ny kitana mandrakizay doria. Izay ho efa hendry, hamirapiratra hoatra ny famirapiratry ny lanitra; ary izay ho efa nitarika ny maro ho amin' ny fahamarinana, ho tahaka ny kintana mandrakizay doria. Les doctes resplendiront comme la splendeur du firmament, et ceux qui ont enseigné la justice à un grand nombre, comme les étoiles, pour toute l'éternité.
Dan / Da 12:4 But thou, O Daniel, shut up the words, and seal the book, even to the time of the end: many shall run to and fro, and knowledge shall be increased. Ary ianao, ry Daniela, dia ahoroninao ny teny, ka asio tombo-kase ny taratasy mandra-pihavin' ny andro farany; maro no hazoto mandinika, ka hitombo ny fahalalana. Hianao, ry Daniely, ahoròny ireo teny ireo, ary asio tombo-kase ity taratasy ity, mandra-pahatongan' ny andro farany. Maro no handinika azy, ka hitombo ny fahalalana. Toi, Daniel, serre ces paroles et scelle le livre jusqu' au temps de la Fin. Beaucoup erreront de-ci de-là, et l' iniquité grandira."
Dan / Da 12:5 Then I Daniel looked, and, behold, there stood other two, the one on this side of the bank of the river, and the other on that side of the bank of the river. Dia nijery aho Daniela, ka, indro, nisy roa hafa koa nitsangana ny anankiray teto amoron' ny ony, ary ny anankiray kosa teroa an-dafiny. Ary nijery aho, Daniely, ka indro nisy olona roa hafa nitsangana, ny iray teto amoron' ny ony, ny iray kosa teny an-dafiny. Je regardai, moi Daniel, et voici : deux autres se tenaient debout, de part et d' autre du fleuve.
Dan / Da 12:6 And one said to the man clothed in linen, which was upon the waters of the river, How long shall it be to the end of these wonders? Ary hoy ny anankiray tamin' ilay lehilahy mitafy rongony fotsy, izay teo ambonin' ny rano amin' ny ony: Mandra-pahoviana vao ho tanteraka ny faran' ireo fahagagana ireo? Dia hoy ny anankiray tamin' ilay lehilahy nitafy rongony fotsy, teo ambonin' ny ranon' ny ony: Rahoviana no ho tonga ny faran' ireo zava-mahagaga ireo? L' un dit à l' homme vêtu de lin, qui était en amont du fleuve "Jusques à quand, le temps des choses inouïes?"
Dan / Da 12:7 And I heard the man clothed in linen, which was upon the waters of the river, when he held up his right hand and his left hand unto heaven, and sware by him that liveth for ever that it shall be for a time, times, and an half; and when he shall have accomplished to scatter the power of the holy people, all these things shall be finished. Ary ilay lehilahy mitafy rongony fotsy, izay teo ambonin' ny rano amin' ny ony, dia nanandratra ny tànany ankavanana sy ny tànany ankavia ho amin' ny lanitra ka reko nianiana tamin' Izay velona mandrakizay izy fa ho fetr' andro iray sy fetr' andro roa ary antsasaky ny fetr' andro; ary rehefa vita ny fanamontsamontsanana ny herin' ny olo-masina, dia ho tanteraka ireo rehetra ireo. Ary reko ilay lehilahy nitafy rongony fotsy, teo ambonin' ny rano; nanandratra ny tànany ankavanana sy ny tànany ankavia hanondro lanitra, ka nianiana tamin' ilay velona mandrakizay, fa ho amin' ny fetr' andro iray sy fetr' andro roa ary antsasaky ny fetr' andro izany; ary rahefa vita ny fanorotoroana ny herin' ny vahoaka masina, dia ho tanteraka ireo zavatra rehetra ireo. J' entendis l' homme vêtu de lin, qui se tenait en amont du fleuve : il leva la main droite et la main gauche vers le ciel et attesta par l' Eternel Vivant : "Pour un temps, des temps et un demi-temps, et toutes ces choses s' achèveront quand sera achevé l'écrasement de la force du Peuple saint."
Dan / Da 12:8 And I heard, but I understood not: then said I, O my Lord, what shall be the end of these things? Ary nandre izany aho, nefa tsy nahafantatra; dia hoy izaho: Tompoko ô, hanao ahoana no hiafaran' ireo zavatra ireo? Reko izany, nefa tsy azoko an-tsaina, ka hoy aho: Tompokolahy ô, hanao ahoana no hiafaran' ireo zavatra ireo? J'écoutai sans comprendre. Puis je dis : "Mon Seigneur, quel sera cet achèvement?"
Dan / Da 12:9 And he said, Go thy way, Daniel: for the words are closed up and sealed till the time of the end. Dia hoy izy: Andeha, ry Daniela, fa efa voahorona ny teny sady voaisy tombo-kase mandra-pihavin' ny andro farany. Fa hoy izy: Andeha, ry Daniely, fa efa voahorona ny teny, sy voaisy tombokase mandra-pihavin' ny andro farany. Il dit : "Va, Daniel; ces paroles sont closes et scellées jusqu' au temps de la Fin.
Dan / Da 12:10 Many shall be purified, and made white, and tried; but the wicked shall do wickedly: and none of the wicked shall understand; but the wise shall understand. Maro no hodiovina sy hofotsiana ary hozahan-toetra; fa ny ratsy fanahy kosa mbola hanao ratsy ihany, ary tsy hisy amin' ny ratsy fanahy hahafantatra, fa ny hendry no hahafantatra. Ho maro anie no hodiovina, hofotsiana, sady ho voazaha toetra; fa ny ratsy fanahy hanao ratsy; ary tsy misy hahazo an-tsaina ny ratsy fanahy; fa ny hendry no hahazo an-tsaina. Beaucoup seront lavés, blanchis et purifiés; les méchants feront le mal, les méchants ne comprendront point; les doctes comprendront.
Dan / Da 12:11 And from the time that the daily sacrifice shall be taken away, and the abomination that maketh desolate set up, there shall be a thousand two hundred and ninety days. Ary hatramin' ny andro hampitsaharana ny fanatitra isan' andro sy hampidirana ny fahavetavetana mahatonga fandravana dia hisy andro sivifolo sy roan-jato amby arivo. Hatramin' ny andro hampitsaharana ny sorona tsy tapaka, sy hampitsanganana ny fahavetavetan' ny mpandringana, hisy andro sivifolo sy roan-jato amby arivo. A compter du moment où sera aboli le sacrifice perpétuel et posée l' abomination de la désolation : 1.290 jours.
Dan / Da 12:12 Blessed is he that waiteth, and cometh to the thousand three hundred and five and thirty days. Sambatra izay miandry sy mahatratra ny andro dimy amby telo-polo amby telon-jato sy arivo. Sambatra izay hiandry sy hahatratra ny hatramin' ny dimy amby telopolo sy telon-jato amby arivo andro. Heureux celui qui tiendra et qui atteindra 1.335 jours.
Dan / Da 12:13 But go thou thy way till the end be: for thou shalt rest, and stand in thy lot at the end of the days. Fa mandehana ianao mandra-pihavin' ny farany; fa hitsahatra ianao ka hitsangana ho ao amin' ny anjaranao amin' ny andro farany. Ary hianao kosa, mizora ho amin' ny fiafarana, ka miala janona, fa ho tafatsangana handray ny lovanao hianao, amin' ny fahataperan' ny andro. (Hatreo no namakianay an' i Daniely ao amin' ny teny hebrio fa ny manaraka hatramin' ny faran' ny boky, nadikanay araka ny navoakan' i Theodotiona.) Pour toi, va, prends ton repos; et tu te lèveras pour ta part à la fin des jours."

<-
->