<-
->

Asa 3:1 Now Peter and John went up together into the temple at the hour of prayer, being the ninth hour. Ary Petera sy Jaona niakatra ho eo an-kianjan' ny tempoly tamin' ny ora fahasivy fotoam-pivavahana. Ary Piera sy Joany nankao an-tempoly tamin' ny fotoam-pivavahana amin' ny ora fahasivy. Pierre et Jean montaient au Temple pour la prière de la neuvième heure.
Asa 3:2 And a certain man lame from his mother' s womb was carried, whom they laid daily at the gate of the temple which is called Beautiful, to ask alms of them that entered into the temple; Ary nisy nitondra lehilahy nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny, izay napetrany isan' andro teo anoloan' ny vavahadin' ny tempoly, ilay atao hoe Itsaraendrika, mba hangataka fiantrana amin' izay niditra teo an-kianjan' ny tempoly; Nisy kosa lehilahy anankiray malemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny nentina isan' andro sy napetraka teo am-baravaran' ny tempoly atao hoe Tsaraendrika mba hangataka fiantrana tamin' izay niditra tao an-tempoly. Or on apportait un impotent de naissance qu' on déposait tous les jours à la porte du Temple appelée la Belle, pour demander l' aumône à ceux qui y entraient.
Asa 3:3 Who seeing Peter and John about to go into the temple asked an alms. nony nahita an' i Petera sy Jaona efa niditra eo an-kianjan' ny tempoly izy, dia nangataka mba homena fiantrana. Nony nahita an' i Piera sy Joany ndeha hiditra ny tempoly ralehilahy io, dia nangataka fiantrana tamin' izy ireo. Voyant Pierre et Jean sur le point de pénétrer dans le Temple, il leur demanda l' aumône.
Asa 3:4 And Peter, fastening his eyes upon him with John, said, Look on us. Ary Petera sy Jaona nibanjina azy ka nanao hoe: Mijere anay. Nibanjina azy Piera mbamin' i Joany nanao hoe: Jereo izahay. Alors Pierre fixa les yeux sur lui, ainsi que Jean, et dit : " Regarde-nous. "
Asa 3:5 And he gave heed unto them, expecting to receive something of them. Dia nibanjina azy roa lahy tsara izy, fa nanantena hahazo zavatra taminy. Dia nataony tsara jery izy ireo, fa nanantena hahazo zavatra taminy izy. Il tenait son regard attaché sur eux, s' attendant à en recevoir quelque chose.
Asa 3:6 Then Peter said, Silver and gold have I none; but such as I have give I thee: In the name of Jesus Christ of Nazareth rise up and walk. Fa hoy Petera: Tsy manana volafotsy na volamena aho, fa izay ananako no omeko anao: Amin' ny anaran' i Jesosy Kristy avy any Nazareta, mitsangantsangàna. Fa hoy Piera: Tsy manam-bolafotsy na volamena aho; fa izay ananako no omeko anao: Amin' ny anaran' i Jeso-Kristy avy any Nazareta, mamindrà. Mais Pierre dit : " De l' argent et de l' or, je n' en ai pas, mais ce que j' ai, je te le donne : au nom de Jésus Christ le Nazaréen, marche ! "
Asa 3:7 And he took him by the right hand, and lifted him up: and immediately his feet and ankle bones received strength. Ary noraisiny tamin' ny tànany ankavanana ralehilahy ka natsangany; dia natanjaka niaraka tamin' izay ny tongony sy ny kitrokeliny. Sady noraisiny tamin' ny tànany an-kavanana izy sy natsangany. Natanjaka niaraka tamin' izay ny ranjony sy ny tongony, Et le saisissant par la main droite, il le releva. A l' instant ses pieds et ses chevilles s' affermirent ;
Asa 3:8 And he leaping up stood, and walked, and entered with them into the temple, walking, and leaping, and praising God. Ary niantsambotra izy ka nijoro, dia nitsangantsangana ary niara-niditra taminy ho eo an-kianjan' ny tempoly, nitsangantsangana ny niantsambotsambotra sady nidera an' Andriamanitra. dia niantsambotra izy sy nijoro ary namindra, ka niara-niditra tamin' izy ireo tao an-tempoly namindra sy niantsambotsambotra, ary nidera an' Andriamanitra. d' un bond il fut debout, et le voilà qui marchait. Il entra avec eux dans le Temple, marchant, gambadant et louant Dieu.
Asa 3:9 And all the people saw him walking and praising God: Ary ny vahoaka rehetra nahita azy mitsangantsangana sy midera an' Andriamanitra. Nahita azy namindra sy nidera an' Andriamanitra ny vahoaka rehetra, Tout le peuple le vit marcher et louer Dieu ;
Asa 3:10 And they knew that it was he which sat for alms at the Beautiful gate of the temple: and they were filled with wonder and amazement at that which had happened unto him. Ary fantany tsara fa io no ilay nipetraka teo amin' ny vavahady Itsaraendrika eo amin' ny tempoly mba hiantrana; dia gaga sady talanjona ny olona noho izay tonga tamin-dralehilahy. sady fantany tsara fa izy io indrindra no ilay nipetraka teo am-baravaran' ny tempoly atao hoe Tsaraendrika mba hangataka fiantrana, ka gaga sy talanjona izy ireo noho ny zavatra nitranga tamin-dralehilahy. on le reconnaissait : c'était bien lui qui demandait l' aumône, assis à la Belle Porte du Temple. Et l' on fut rempli d' effroi et de stupeur au sujet de ce qui lui était arrivé.
Asa 3:11 And as the lame man which was healed held Peter and John, all the people ran together unto them in the porch that is called Solomon' s, greatly wondering. Ary raha nihazona an' i Petera sy Jaona izy, dia niara-nirohitra ny olona rehetra ho eo amin' izy telo lahy teo amin' ny fialofana izay atao hoe Fialofan' i Solomona, ka talanjona. Ary noho izy io tsy niala teo amin' i Piera sy Joany, dia nidodododo ny vahoaka nankeo amin' izy ireo teo amin' ny lavarangan' i Salomona ka talanjona. Comme il ne lâchait pas Pierre et Jean, tous, hors d' eux-mêmes, accoururent vers eux au portique dit de Salomon.
Asa 3:12 And when Peter saw it, he answered unto the people, Ye men of Israel, why marvel ye at this? or why look ye so earnestly on us, as though by our own power or holiness we had made this man to walk? Ary Petera, nony nahita, dia namaly ny vahoaka hoe: Ry lehilahy Isiraely, nahoana no talanjona amin' izany ianareo? Ary nahoana no mandinika anay ianareo, toa herinay na fahamasinanay no nanaovanay azy ho afa-mandeha? Nony nahita izany Piera, dia niteny tamin' ny vahoaka hoe: Ry Israelita, nahoana no gaga amin' izany hianareo, ary nahoana no mibanjina anay? Angaha ataonareo fa ny herinay sy ny fahamasinanay no mampamindra azy io? A cette vue, Pierre s' adressa au peuple : " Hommes d' Israël, pourquoi vous étonner de cela ? Qu' avez-vous à nous regarder, comme si c'était par notre propre puissance ou grâce à notre piété que nous avons fait marcher cet homme ?
Asa 3:13 The God of Abraham, and of Isaac, and of Jacob, the God of our fathers, hath glorified his Son Jesus; whom ye delivered up, and denied him in the presence of Pilate, when he was determined to let him go. Andriamanitr' i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, Andriamanitry ny razantsika, no nanome voninahitra an' i Jesosy Mpanompony, Izay natolotrareo sy nolavinareo teo anatrehan' i Pilato, rehefa nokasainy halefa. Ny Andriamanitr' i Abrahama sy Isaaka ary Jakoba, Andriamanitry ny razantsika, no nanome voninahitra an' i Jeso Zanany, izay natolotrareo sy nolavinareo teo anatrehan' i Pilaty, na dia nataony halefa aza izy. Le Dieu d' Abraham, d' Isaac et de Jacob, le Dieu de nos pères a glorifié son serviteur Jésus que vous, vous avez livré et que vous avez renié devant Pilate, alors qu' il était décidé à le relâcher.
Asa 3:14 But ye denied the Holy One and the Just, and desired a murderer to be granted unto you; Fa ianareo nandà Ilay Masina sy Marina, ary mpamono olona no nangatahinareo halefa ho anareo; Ny Masina sy ny Marina nolavinareo fa ny lehilahy mpamono olona no nangatahanareo famelana. Mais vous, vous avez chargé le Saint et le Juste ; vous avez réclamé la grâce d' un assassin,
Asa 3:15 And killed the Prince of life, whom God hath raised from the dead; whereof we are witnesses. fa ny Tompon' ny aina kosa no novonoinareo; fa Izy natsangan' Andriamanitra tamin' ny maty, ary vavolombelon' izany izahay. Hianareo namono ny Tompon' ny aina; fa Andriamanitra kosa nanangana azy tamin' ny maty, ary izahay ireto no vavolombelon' izany. tandis que vous faisiez mourir le prince de la vie. Dieu l' a ressuscité des morts : nous en sommes témoins.
Asa 3:16 And his name through faith in his name hath made this man strong, whom ye see and know: yea, the faith which is by him hath given him this perfect soundness in the presence of you all. Ary ny anarany no nampahatanjaka io lehilahy hitanareo sy fantatrareo io noho ny finoana ny anarany; eny, ny finoana izay azo amin' ny alalany no nahazoany izao fahasitranana tsara eto imasonareo rehetra izao. Noho ny finoana ny anarany no nampahatanjahan' ny anarany an' io lehilahy hitanareo sy fantatrareo io; eny, ny finoana avy aminy no nanome azy izao fahasitranana tsara teo imasonareo rehetra izao. Et par la foi en son nom, à cet homme que vous voyez et connaissez, ce nom même a rendu la force, et c' est la foi en lui qui, devant vous tous, l' a rétabli en pleine santé.
Asa 3:17 And now, brethren, I wot that through ignorance ye did it, as did also your rulers. Ary ankehitriny, ry rahalahy, fantatro fa tamin' ny tsi-fahalalana no nanaovanareo izany, tahaka ny mpanapaka anareo koa. Ary ankehitriny, ry rahalahy, fantatro tsara fa ny tsy fahalalana no nanaovanareo izany, toy izany koa ireo mpanapaka anareo; " Cependant, frères, je sais que c' est par ignorance que vous avez agi, ainsi d' ailleurs que vos chefs.
Asa 3:18 But those things, which God before had shewed by the mouth of all his prophets, that Christ should suffer, he hath so fulfilled. Fa izany no nahatanterahan' Andriamanitra ny zavatra nampilazainy ny mpaminany rehetra rahateo, fa hiaretan' ny Kristiny. fa notanterahin' Andriamanitra tamin' izany kosa izay voalazany rahateo amin' ny vavan' ny mpaminany rehetra fa hijaly ny Kristy. Dieu, lui, a ainsi accompli ce qu' il avait annoncé d' avance par la bouche de tous les prophètes, que son Christ souffrirait.
Asa 3:19 Repent ye therefore, and be converted, that your sins may be blotted out, when the times of refreshing shall come from the presence of the Lord. Koa mibebaha ianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin' ny fanatrehan' ny Tompo, Koa mivaloza, ary mibebàha, mba hovonoina ny helokareo, Repentez-vous donc et convertissez-vous, afin que vos péchés soient effacés,
Asa 3:20 And he shall send Jesus Christ, which before was preached unto you: ary mba hanirahany ny Kristy voatendry ho anareo, dia Jesosy, ka ho tonga ny andro mahavelombelona avy amin' ny Tompo, sy hanirahany an' ilay voatendry ho anareo, dia Jeso-Kristy, et qu' ainsi le Seigneur fasse venir le temps du répit. Il enverra alors le Christ qui vous a été destiné, Jésus,
Asa 3:21 Whom the heaven must receive until the times of restitution of all things, which God hath spoken by the mouth of all his holy prophets since the world began. Ilay tsy maintsy horaisin' ny lanitra mandra-pihavin' ny andro fampodiana ny zavatra rehetra, izay nampilazain' Andriamanitra ny mpaminaniny masina hatramin' ny voalohany indrindra. ilay tsy maintsy horaisin' ny lanitra ambara-pihavin' ny andro fanavaozana ny zavatra rehetra, araka izay voalazan' Andriamanitra tamin' ny vavan' ny mpaminany masina, hatramin' ny ela. celui que le ciel doit garder jusqu' aux temps de la restauration universelle dont Dieu a parlé par la bouche de ses saints prophètes.
Asa 3:22 For Moses truly said unto the fathers, A prophet shall the Lord your God raise up unto you of your brethren, like unto me; him shall ye hear in all things whatsoever he shall say unto you. Fa Mosesy nilaza hoe: Mpaminany no hatsangan' i Jehovah Andriamanitra ho anareo avy amin' ny rahalahinareo, tahaka ahy; izy no hohenoinareo amin' izay rehetra holazainy aminareo. Fa hoy Moizy hoe: Ny Tompo Andriamanitrareo hanangana ho anareo Mpaminany tahaka ahy avy amin' ny rahalahinareo; izy no hohenoinareo amin' izay rehetra holazainy aminareo, Moïse, d' abord, a dit : Le Seigneur Dieu vous suscitera d' entre vos frères un prophète semblable à moi ; vous l'écouterez en tout ce qu' il vous dira.
Asa 3:23 And it shall come to pass, that every soul, which will not hear that prophet, shall be destroyed from among the people. Ary izay rehetra tsy hihaino izany mpaminany izany dia haringana tsy ho eo amin' ny olona (Deo. 18. 15, 19). fa izay rehetra tsy hihaino izany Mpaminany izany, dia haringana tsy ho eo amin' ny vahoaka intsony. Quiconque n'écoutera pas ce prophète sera exterminé du sein du peuple.
Asa 3:24 Yea, and all the prophets from Samuel and those that follow after, as many as have spoken, have likewise foretold of these days. Ary ny mpaminany rehetra koa hatramin' i Samoela sy izay nanarakaraka, na iza na iza niteny, dia nanambara izao andro izao. Ary ny mpaminany rehetra izay niteny hatramin' i Samoely no mankaty dia samy nanambara izao andro izao avokoa. Tous les prophètes, ensuite, qui ont parlé depuis Samuel et ses successeurs, ont pareillement annoncé ces jours-ci.
Asa 3:25 Ye are the children of the prophets, and of the covenant which God made with our fathers, saying unto Abraham, And in thy seed shall all the kindreds of the earth be blessed. Hianareo no zanaky ny mpaminany sy ny fanekena nataon' Andriamanitra tamin' ny razanareo, raha hoy Izy tamin' i Abrahama: Ary amin' ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin' ny tany (Gen. 22. 18). Hianareo no zanaky ny mpaminany sy ny fanekena nataon' Andriamanitra tamin' ny razantsika, raha izy nilaza tamin' i Abrahama hoe: Ny taranakao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin' ny tany, " Vous êtes, vous, les fils des prophètes et de l' alliance que Dieu a conclue avec nos pères quand il a dit à Abraham : Et en ta postérité seront bénies toutes les familles de la terre.
Asa 3:26 Unto you first God, having raised up his Son Jesus, sent him to bless you, in turning away every one of you from his iniquities. Andriamanitra, rehefa nanangana ny Mpanompony, dia naniraka Azy ho aminareo voalohany, mitahy anareo amin' ny fialanareo rehetra amin' ny faharatsianareo isam-batan' olona. ka ho anareo aloha no nananganan' Andriamanitra ny Mpanompony, sy nanirahany azy hanasoa anareo mba samy hialanareo amin' ny nataonareo avy. C' est pour vous d' abord que Dieu a ressuscité son Serviteur et l' a envoyé vous bénir, du moment que chacun de vous se détourne de ses perversités. "

<-
->