<-
->

Asa 25:1 Now when Festus was come into the province, after three days he ascended from Caesarea to Jerusalem. Ary Festosy, nony tonga teo amin' ny zara-fanapahany, dia niala tany Kaisaria hiakatra any Jerosalema, rehefa afaka hateloana. Nony tonga hateloana teo amin' ny faritaniny i Festosa, dia niala tao Sezara nankany Jerosalema, Trois jours après son arrivée dans la province, Festus monta de Césarée à Jérusalem.
Asa 25:2 Then the high priest and the chief of the Jews informed him against Paul, and besought him, Ary ny lohan' ny mpisorona sy ny olona manan-kaja tamin' ny Jiosy nanambara taminy izay niampangany an' i Paoly sady niangavy taminy ka nanatona azy ny lehiben' ny mpisorona mbamin' ny loholon' ny Jody, hiampanga an' i Paoly. Les grands prêtres et les notables juifs se constituèrent devant lui accusateurs de Paul. Lui présentant leur requête
Asa 25:3 And desired favour against him, that he would send for him to Jerusalem, laying wait in the way to kill him. ka nangataka azy hohelohina, mba hampanalainy hankany Jerosalema; fa nikasa hanotrika eny amoron-dalana izy hamonoany azy. Niangaviany mafy izy hamely an' i Paoly sy handefa azy ho any Jerosalema, fa efa nanomana otrika hamono azy eny an-dàlana izy ireo; contre celui-ci, ils sollicitaient comme une faveur qu' il fût transféré à Jérusalem ; ils préparaient un guet-apens pour le tuer en chemin.
Asa 25:4 But Festus answered, that Paul should be kept at Caesarea, and that he himself would depart shortly thither. Ary Festosy namaly fa Paoly dia ambenana any Kaisaria, sady izy koa efa hankany faingana. nefa novalian' i Festosa fa Paoly dia ambenana any Sezarea, ary izy hiverina any faingana rahateo, Mais Festus répondit que Paul devait rester en prison à Césarée, que lui-même d' ailleurs allait partir tout de suite.
Asa 25:5 Let them therefore, said he, which among you are able, go down with me, and accuse this man, if there be any wickedness in him. Koa izay manam-pahefana eo aminareo, hoy izy, no aoka hiara-midina amiko ka hiampanga an-dralehilahy, raha manan-keloka izy. ka izay manam-pahefana amin' izany eo aminareo, hoy izy, no aoka hiara-midina amiko, dia hiampanga io lehilahy io raha misy nahadiso azy. " Que ceux donc d' entre vous qui ont qualité, dit-il, descendent avec moi et, si cet homme est coupable en quelque manière, qu' ils le mettent en accusation. "
Asa 25:6 And when he had tarried among them more than ten days, he went down unto Caesarea; and the next day sitting on the judgment seat commanded Paul to be brought. Ary rehefa nitoetra teo aminy tsy mihoatra noho ny havaloana na hafoloana izy, dia nidina nankany Kaisaria; ary nony ampitso dia nipetraka teo amin' ny fitsarana izy, ka nasainy halaina Paoly. Vao havaloana na hafoloana monja no nitoeran' i Festosa tao Jerosalema, dia nidina nankany Sezarea izy, ary ny ampitson' iny ihany dia nipetraka teo amin' ny fitsarana izy, ka nampaka an' i Paoly. Après avoir passé chez eux huit à dix jours au plus, il descendit à Césarée et, siégeant au tribunal le lendemain, il fit amener Paul.
Asa 25:7 And when he was come, the Jews which came down from Jerusalem stood round about, and laid many and grievous complaints against Paul, which they could not prove. Ary nony tonga izy, dia nitsangana manodidina azy ny Jiosy izay nidina avy tany Jerosalema, ka zavatra maro sady lehibe, izay tsy azony nohamarinina akory, no niampangany azy; Nony tonga izy dia nohodidinin' ny Jody avy any Jerosalema, sady nampangainy tamin' ny zava-dehibe maro izay tsy azony noporofoina akory. Quand celui-ci fut arrivé, les Juifs descendus de Jérusalem l' entourèrent, portant contre lui des accusations multiples et graves, qu' ils n'étaient pas capables de prouver.
Asa 25:8 While he answered for himself, Neither against the law of the Jews, neither against the temple, nor yet against Caesar, have I offended any thing at all. fa Paoly nandaha-teny hanala tsiny ny tenany hoe: Tsy nanao ratsy aho, na tamin' ny lalàn' ny Jiosy, na tamin' ny tempoly, na tamin' i Kaisara. Ary izao no navalin' i Paoly hanalany tsiny ny tenany amin' izany: Tsy nanao ratsy velively aho, na tamin' ny Lalàn' ny Jody, na tamin' ny tempoly, na tamin' i Sezara. Paul se défendait : " Je n' ai, disait-il, commis aucune faute contre la Loi des Juifs, ni contre le Temple, ni contre César. "
Asa 25:9 But Festus, willing to do the Jews a pleasure, answered Paul, and said, Wilt thou go up to Jerusalem, and there be judged of these things before me? Nefa Festosy ta-hahazo sitraka tamin' ny Jiosy, dia namaly an' i Paoly ka nanao hoe: Tianao va hiakatra any Jerosalema hotsaraina eo anatrehako any ny amin' izany zavatra izany? Nila sitraka tamin' ny Jody anefa Festosa ka namaly an' i Paoly hoe: Manao ahoana raha miakatra any Jerosalema hianao, ka dia any no tsaraina eo anatrehako, ny amin' izany zavatra izany? Voulant faire plaisir aux Juifs, Festus répondit à Paul : " Veux-tu monter à Jérusalem pour y être jugé là-dessus en ma présence ? "
Asa 25:10 Then said Paul, I stand at Caesar' s judgment seat, where I ought to be judged: to the Jews have I done no wrong, as thou very well knowest. Fa hoy Paoly: Eto amin' ny fitsaran' i Kaisara, izay tokony hitsarana ahy, no itsanganako. Tsy nanisy ratsy ny Jiosy akory aho, ary na ianao aza dia mahafantatra izany marina. Fa hoy ny navalin' i Paoly: Efa eto amin' ny fitsaran' i Sezara aho, ka mby eto amin' ny tokony hitsarana ahy. Tsy nanisy ratsy ny Jody aho, araka ny fantatrao marina rahateo. Mais Paul répliqua : " Je suis devant le tribunal de César ; c' est là que je dois être jugé. Je n' ai fait aucun tort aux Juifs, tu le sais très bien toi-même.
Asa 25:11 For if I be an offender, or have committed any thing worthy of death, I refuse not to die: but if there be none of these things whereof these accuse me, no man may deliver me unto them. I appeal unto Caesar. Koa raha mpanao ratsy aho, na nanao izay tokony hahafaty ahy, dia tsy mandà tsy ho faty aho; fa raha tsy marina kosa izay zavatra iampangan' ireo ahy, dia tsy misy olona mahazo manolotra ahy ho amin' ny sitrapony. Handahatra eo anatrehan' i Kaisara aho. Fa raha nanao ratsy aho, na misy heloka tokony hahafaty ahy, dia tsy mandà ny ho faty akory. Ary raha izay zavatra tsy misy fotony foana kosa no iampangan' izy ireo ahy, dia tsy misy olona manam-pahefana hanolotra ahy aminy. Fa mangataka hotsarain' i Sezara aho. Mais si je suis réellement coupable, si j' ai commis quelque crime qui mérite la mort, je ne refuse pas de mourir. Si, par contre, il n' y a rien de fondé dans les accusations de ces gens-là contre moi, nul n' a le droit de me céder à eux. J' en appelle à César ! "
Asa 25:12 Then Festus, when he had conferred with the council, answered, Hast thou appealed unto Caesar? unto Caesar shalt thou go. Ary rehefa niresaka tamin' ny mpanolo-tsaina Festosy, dia namaly hoe: Efa nifidy ny handahatra any anatrehan' i Kaisara ianao, ka dia ho any amin' i Kaisara ihany ianao. Tamin' izay, nidinika tamin' ny mpanolo-tsaina azy aloha i Festosa vao namaly hoe: Nangataka hotsarain' i Sezara hianao, ka dia handeha ho any amin' i Sezara. Alors Festus, après en avoir conféré avec son conseil répondit : " Tu en appelles à César, tu iras devant César. "
Asa 25:13 And after certain days king Agrippa and Bernice came unto Caesarea to salute Festus. Ary rehefa afaka andro vitsivitsy, dia tonga tany Kaisaria Agripa mpanjaka sy Berenika hiarahaba an' i Festosy. Nony afaka andro vitsivitsy, dia tonga tany Sezarea Agripà mpanjaka sy Berenisy, hiarahaba an' i Festosa. Quelques jours plus tard, le roi Agrippa et Bérénice arrivèrent à Césarée et vinrent saluer Festus.
Asa 25:14 And when they had been there many days, Festus declared Paul' s cause unto the king, saying, There is a certain man left in bonds by Felix: Ary rehefa nitoetra teo andro maro izy, dia nambaran' i Festosy tamin' ny mpanjaka ny amin' i Paoly, ka hoy izy: Misy mpifatotra anankiray ato navelan' i Feliksa, Naharitra andro maromaro no nitoerany tao, ka nambaran' i Festosa tamin' ny mpanjaka ny amin' i Paoly. Hoy izy: Misy mpifatotra anankiray navelan' i Félix eto. Comme leur séjour se prolongeait, Festus exposa au roi l' affaire de Paul : " Il y a ici, dit-il, un homme que Félix a laissé en captivité.
Asa 25:15 About whom, when I was at Jerusalem, the chief priests and the elders of the Jews informed me, desiring to have judgment against him. koa tamin' izaho tany Jerosalema ny mpisorona sy ny loholon' ny Jiosy niampanga azy ka nangataka izay hanamelohana azy. Fony aho tany Jerosalema, dia nampangain' ny Jody tamiko izy io, sady nangatahiny hohelohina. Pendant que j'étais à Jérusalem, les grands prêtres et les anciens des Juifs ont porté plainte à son sujet, demandant sa condamnation.
Asa 25:16 To whom I answered, It is not the manner of the Romans to deliver any man to die, before that he which is accused have the accusers face to face, and have licence to answer for himself concerning the crime laid against him. Fa namaly azy kosa aho hoe: Tsy fanaon' ny Romana ny manolotra olona, raha tsy mbola mifanatrika ny ampangaina sy ny mpiampanga, ka mahazo mandahatra hanala tsiny ny tenany ny amin' izay niampangan' ireo azy izy. Fa hoy ny navaliko azy ireo: Tsy fanaon' ny Romana ny manameloka olona raha tsy efa nifanatrika tamin' ny mpiampanga azy ny ampangaina, ka nahazo nanala tsiny ny tenany amin' izay iampangana azy. Je leur ai répondu que les Romains n' ont pas l' habitude de céder un homme avant que, ayant été accusé, il ait eu ses accusateurs en face de lui et qu' on lui ait donné la possibilité de se défendre contre l' inculpation.
Asa 25:17 Therefore, when they were come hither, without any delay on the morrow I sat on the judgment seat, and commanded the man to be brought forth. Ary raha tonga tatý izy, dia tsy mba nijanonjanona aho, fa nony ampitso dia nipetraka teo amin' ny fitsarana, ka nasaiko nalaina ralehilahy. Dia tonga tatý izy ireo, ka tsy nangataka andro akory aho, fa ny ampitso ihany dia nipetraka teo amin' ny fitsarana sy nampaka ilay lehilahy. Ils sont donc venus ici avec moi, et, sans y apporter aucun délai, dès le lendemain, j' ai siégé à mon tribunal et fait amener l' homme.
Asa 25:18 Against whom when the accusers stood up, they brought none accusation of such things as I supposed: Rehefa nitsangana ireo mpiampanga ireo, dia tsy mba niampanga azy araka izay zavatra ratsy nampoiziko izy tsy akory, Nony nitsangana ry zareo mpiampanga, dia tsy heloka araka izay nampoiziko no nitoriany azy, Mis en sa présence, les accusateurs n' ont soulevé aucun grief concernant des forfaits que, pour ma part, j' aurais soupçonnés.
Asa 25:19 But had certain questions against him of their own superstition, and of one Jesus, which was dead, whom Paul affirmed to be alive. fa nanana ady hevitra taminy ny amin' ny fivavahany sy ny amin' izay Jesosy anankiray efa maty, nefa nolazain' i Paoly ho velona. fa ady hevitra momba ny fivavahany sy momba an' i Jeso anankiray efa maty, nefa lazain' i Paoly hoe velona. Ils avaient seulement avec lui je ne sais quelles contestations touchant leur religion à eux et touchant un certain Jésus, qui est mort, et que Paul affirme être en vie.
Asa 25:20 And because I doubted of such manner of questions, I asked him whether he would go to Jerusalem, and there be judged of these matters. Ary satria variana ny hevitro ny amin' ny hitsarana izany zavatra izany, dia nanontany aho na tian-dralehilahy ny hankany Jerosalema hotsaraina any ny amin' izany zavatra izany, na tsia, Tsy hitako be ihany izay hamotorana izany zavatra izany, ka nanontany an-dralehilahy aho sao tiany ny hotsaraina any Jerosalema ny amin' izany. Pour moi, embarrassé devant un débat de ce genre, je lui ai demandé s' il voulait aller à Jérusalem pour y être jugé là-dessus.
Asa 25:21 But when Paul had appealed to be reserved unto the hearing of Augustus, I commanded him to be kept till I might send him to Caesar. Ary rehefa nangataka hambenana hotsarain' ny mpanjaka Paoly, dia nasaiko nambenana mandra-pandefako azy ho any amin' i Kaisara. Dia nangataka hotsarain' ny emperora i Paoly, ka nasaiko nambenana mandra-pandefako azy any amin' i Sezara. Mais Paul ayant interjeté appel pour que son cas fût réservé au jugement de l' auguste empereur, j' ai ordonné de le garder jusqu'à ce que je l' envoie à César. "
Asa 25:22 Then Agrippa said unto Festus, I would also hear the man myself. To morrow, said he, thou shalt hear him. Dia hoy Agripa tamin' i Festosy: Izaho koa mba ta-handre izay lehilahy izay. Ary hoy izy: Rahampitso ary dia handre azy ihany ianao. Ary hoy Agripà tamin' i Festosa: Mba te-hihaino an' izany olona izany koa lahy aho! Dia hoy Festosa taminy: Rahampitso ihany dia hihaino azy hianao. Agrippa dit à Festus : " Je voudrais, moi aussi, entendre cet homme. " - " Demain, dit-il, tu l' entendras. "
Asa 25:23 And on the morrow, when Agrippa was come, and Bernice, with great pomp, and was entered into the place of hearing, with the chief captains, and principal men of the city, at Festus' commandment Paul was brought forth. Ary nony ampitso, dia tonga Agripa sy Berenika niseho tamin' ny voninahitry ny fiandrianany ka niditra teo amin' ny trano fihaonana niaraka tamin' ny mpifehy arivo sy ny lehibe tao an-tanàna, dia nentina nankeo Paoly araka ny didin' i Festosy. Nony ampitso dia tonga Agripà sy Berenisy niseho tamim-boninahitra lehibe. Nony tafiditra tao an-trano fitsarana izy, nomban' ny tompon' arivo mbamin' ny lehiben' ny tanàna, dia nentina nankao i Paoly, araka ny didin' i Festosa. Le lendemain donc, Agrippa et Bérénice vinrent en grande pompe et se rendirent à la salle d' audience, entourés des tribuns et des notabilités de la ville. Sur l' ordre de Festus, on amena Paul.
Asa 25:24 And Festus said, King Agrippa, and all men which are here present with us, ye see this man, about whom all the multitude of the Jews have dealt with me, both at Jerusalem, and also here, crying that he ought not to live any longer. Ary hoy Festosy: Ry Agripa mpanjaka sy izay rehetra eto amintsika, hitanareo io lehilahy io, izay notarainan' ny Jiosy rehetra tamiko, na tany Jerosalema na teto koa, ka nataony antso avo hoe: Tsy tokony hovelomina intsony ilehio. Dia hoy Festosa: Ry Agripà mpanjaka sy hianareo rehetra etoana: Io lehilahy hitanareo io no nampangain' ny Jody maro tamiko, hatrany Jerosalema ka hatraty koa, sy nataony antso avo hoe, tsy tokony hovelomina intsony ilay io. Festus dit alors : " Roi Agrippa et vous tous ici présents avec nous, vous voyez cet homme au sujet duquel la communauté juive tout entière est intervenue auprès de moi, tant à Jérusalem qu' ici, protestant à grands cris qu' il ne fallait pas le laisser vivre davantage.
Asa 25:25 But when I found that he had committed nothing worthy of death, and that he himself hath appealed to Augustus, I have determined to send him. Nefa nony hitako fa tsy nisy zavatra nataony izay tokony hahafaty azy, saingy izy ihany no ta-handahatra amin' ny mpanjaka, dia nanaiky hampanatitra azy aho. Raha toa ahy, dia ataoko fa tsy nanao na inona na inona tokony hahafaty azy izy io, saingy nangataka hotsarain' ny emperora izy, ka dia tapa-kevitra ny hampanatitra azy ho any aminy aho. Pour moi, j' ai reconnu qu' il n' a rien fait qui mérite la mort ; cependant, comme il en a lui-même appelé à l' auguste empereur, j' ai décidé de le lui envoyer.
Asa 25:26 Of whom I have no certain thing to write unto my lord. Wherefore I have brought him forth before you, and specially before thee, O king Agrippa, that, after examination had, I might have somewhat to write. Ny amin' io lehilahy io tsy hitako izay teny marina hosoratako amin' ny tompoko, koa dia nentiko eto anatrehanareo izy, indrindra fa eto anatrehanao, ry Agripa mpanjaka, mba hadinina izy, ka dia ho hitako izay hosoratako. Nefa noho ny tsy fahitako izay teny marina hosoratako hilaza azy amin' ny emperora, dia indro izy nentiko eto anatrehanareo rehetra, indrindra fa hianao, ry Agripà mpanjaka, mba hahitako izay hosoratako amin' ny fanadinana azy etoana. Je n' ai rien de bien précis à écrire au Seigneur sur son compte ; c' est pourquoi je l' ai fait comparaître devant vous, devant toi surtout, roi Agrippa, afin qu' après cet interrogatoire, j' aie quelque chose à écrire.
Asa 25:27 For it seemeth to me unreasonable to send a prisoner, and not withal to signify the crimes laid against him. Fa ataoko fa tsy mety ny mampanatitra mpifatotra, nefa tsy milaza izay zavatra iampangana azy. Satria ataoko fa tsy mety ny nampanatitra mpifatotra nefa tsy milaza izay zavatra iampangana azy. Il me paraît absurde, en effet, d' envoyer un prisonnier sans indiquer en même temps les charges qui pèsent sur lui. "

<-
->