|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : ambovo

Ohabolana 1Mamioka amalona am-bovo : mandrara ny ho avy. [1.147 #M73]

Ohabolana 2Toha latsaka am-bovo: mazava andro idirana fa maizina andro ivoahana. [1.1]
Toho latsaka am-bovo : mazava andro idirana, fa maizina andro ivoahana. [2.415 #3307]
Toho niditra am-bovo : mazava nidirana, fa maizina hivoahana. [2.415 #3307]
Toy ny toho miditra am-bovo, ka mazava idirana fa maizin-kivoahana. [2.558 #4339]
Toy ny toho miditra am-bovo: mazava andro idirana, fa maizina andro ivoahana. [2.653 #3239, 2.974 #234]
Toy ny toho miditra am-bovo: mazava idirana, fa maizina ivoahana. [2.165 #1142]
Fanazavana malagasyEnti-milaza olona mora sodokan-drendrarendra ka loza no miandry azy vokatr' izan. [1.1]
Dikanteny frantsayComme le toho entré dans la nasse : route claire pour entrer, moins claire quand il s’agit de sortir. [2.974 #234]
Pareil au poisson qui entre dans la nasse: c' est facile (litt. clair) d' y entrer, mais difficile (litt. sombre) d' en sortir. [2.165 #1142]
Poisson toho dans la nasse : le chemin pour entrer est facile à trouver mais la sortie est difficile. [2.415 #3307]
Fanazavana frantsayLes commencements sont faciles, mais plus difficile la fin. [2.415 #3307]

Fizahan-teny