Fizahan-teny |
|
|
|
Ohabolana : ampiantany
|
|
|
Ohabolana 1 | Ampiantany ny ditra ary sotro vato ny nenina. [2.415 #6411]
|
Dikanteny frantsay | L' obstination est un mur et le remords une cuiller à mortier. [2.415 #6411]
|
|
|
Ohabolana 2 | Manaova soa ampiantany, fa misy hiankinana; ary manaova soa vato, fa misy hipetrahana. [2.165 #106]
Manaova soa ampiantany, fa misy hiankinana, manaova soa vato fa misy hipetrahana, manaova soa zanaka fa misy hiafarana. [2.558 #2019]
|
Dikanteny frantsay | Faites du bien à une muraille et vous pourrez vous y appuyer; faites du bien à une pierre et vous pourrez vous y asseoir. [2.165]
|
Fanazavana frantsay | Les bonnes actions trouveront toujours leur récompense. [2.165]
|
|
|
Ohabolana 3 | Ny falafa an-elanelan’ ny raviny; ny ampiantany anelanelan’ ny voly; ary ny fitsarana anelanelan’ ny tezitra. [2.558 #2949, 2.653 #2202, 2.415]
|
Dikanteny frantsay | Les lattis de palmier sont entre les feuilles, les murs en terre sont entre les champs pour les séparer, et la justice est entre les personnes irritées pour les contenir. [2.415]
|
|
|
Ohabolana 4 | Valaben' ny androngo ny ampiantany, fa tsy misy mpiahy. [2.415 #2756, 2.653 #3597, 2.558]
|
Dikanteny frantsay | Les murs en terre sont les grands enclos des lézards car personne n' a soin d' eux. [2.415 #2756]
|
Fanazavana frantsay | Se disait des petits qui ne peuvent compter que sur eux-mêmes. [2.415 #2756]
|
|
|
Fizahan-teny |
|
|