|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : fahafatesana

Ohabolana 1Alohantsika ny fahavalo, aoriantsika ny fahafatesana. [2.415 #406]
Dikanteny frantsayDevant nous l' ennemi, derrière nous la mort. [2.415 #406]
Fanazavana frantsayLes fuyards étaient brûlés vifs d'après une loi portée par Radama I à Sahafa près d' Ambohimanga alors que toute l'armée y était réunie ; une pierre élevée à Sahafa commémore cette loi ; jusque-là les fuyards pouvaient être réduits en esclavage avec leur famille, et leurs biens confisqués. [2.415 #406]

Ohabolana 2Lalana kizo tokana ny fahafatesana. [2.415 #2861]
Dikanteny frantsayLa vie n'a qu' une issue : la mort. [2.415 #2861]

Ohabolana 3Ny fahafatesana no hetra iombonana amin' ny Andriana. [2.558 #2941]

Ohabolana 4Ny fahafatesana toy ny zara hetra. [2.558 #2942]
Ny fahafatesana tsy mba heloka, fa zara hetra. [2.165 #2097, 2.415 #2894, 2.653 #2203]
Dikanteny frantsayLa mort n' est pas un crime, c' est une part d' impôt. [2.165 #2097]
La mort n’est pas un crime mais un tribut universel. [2.974 #162]
La mort n'est pas une faute, c' est un tribut à payer et dont chacun à sa part. [2.415 #2894]

Ohabolana 5Ny fahafatesana zara hetra tsy azon-kavana soloana. [2.558 #2943]

Ohabolana 6Ny sanatria tsy mahafefy loza, ny halady tsy mahafaka ny fahafatesana. [2.558 #3240]
Ny sanatria tsy mahafehy ny loza; ny halady tsy mahafaka ny fahafatesana. [2.415 #2908, 2.653 #2413]
Dikanteny frantsayLe mot : Dieu nous préserve, ne peut pas enchaîner le malheur, les excuses ne préservent pas de la mort. [2.415 #2908]
Fanazavana frantsayC' est inéluctable. [2.415 #2908]

Ohabolana 7Ny varotra no isafidianana, fa ny fahafatesana zara hetra toavina. [2.558 #3360]

Ohabolana 8Tampoka ela nikasana, toy ny fahafatesana. [2.653 #2988, 2.974 #171]
Dikanteny frantsayComme la mort : décision prise de longtemps et soudain réalisée. [2.974 #171]

Fizahan-teny