Fizahan-teny |
| ||||||||||||||||||||
Ohabolana : manandrana | |||||||||||||||||||||
Ohabolana 1 | Aza manao fodilahy mena vary, ka manandrana alohan' ny tompony. [2.165 #943]
Tsy mety raha hanao fodilahy mena vary, ka hanandrana alohan' ny tompony. [2.558 #4583] Tsy mety raha manao fodilahy mena vary : manandrana alohan’ ny tompony. [2.415 #4631, 2.653 #3436] | ||||||||||||||||||||
Dikanteny frantsay | N' agissez pas comme le moineau cardinal au temps où le riz est rouge : il en goûte avant le maître de la rizière. [2.415 #4631]
Ne faites pas comme le cardinal quand le riz est mûr, il y goûte avant le propriétaire. [2.165] | ||||||||||||||||||||
Fanazavana frantsay | Respectez les droits des autres. [2.415 #4631] | ||||||||||||||||||||
Ohabolana 2 | Fanambakana hita maso, ohatra ilay manandrana tantely. [2.653]
Fanambakana hita maso toy ilay nanandrana tantely. [2.558 #1085] | ||||||||||||||||||||
Ohabolana 3 | Matoa manandrana, dia homana, matoa manohatra, dia miakatra. [2.558 #2183, 2.653 #1680] | ||||||||||||||||||||
Ohabolana 4 | Rafotsibe manandrana anana : tsy milaza ny hafiny, fa ny masony mangarika ihany. [2.415 #1899, 2.165]
Rafotsibe manandran' anana, tsy milaza ny tsantsony na miteny ny hafiny fa maso mangarika ihany. [2.558] | ||||||||||||||||||||
Dikanteny frantsay | La vieille goûtant aux herbes potagères (quelle fait cuire): elle ne dit pas qu' elles sont bonnes, mais ses yeux vous regardent de travers (pour que vous n' y touchiez pas). [2.165 #1971]
Vieille qui goûte des herbes qu' elle a fait cuire : elle ne dit pas que c' est bon, mais ses yeux regardent de travers pour qu' on n' y touche pas. [2.415 #1899] | ||||||||||||||||||||
Fizahan-teny |
| ||||||||||||||||||||