| Teny iditra (1/7) | 1 mena- |
| Sokajin-teny | 2 endritenin' ny hoe menaka |
| Ohatra |
3 Ny henan-kisoa sy ny zavatra misy mena-kisoa dia tsy azo entina ao, ary na dia miteny fotsiny ny hoe: "kisoa" aza dia tsy azo atao ao
[2.588#113]
4 dia nandray mena-dronono sy ronono mbamin' ilay zanak' omby efa nandrahoina izy, ary narosony izany teo anoloan' izy ireo [2.996#1.19.23] |
| Teny iditra (2/7) | 5 mena- |
| Sokajin-teny | 6 endritenin' ny hoe menatra |
| Ohatra |
7 Izany no sikin-dahy tsy mena-badin' olona
[1.406]
8 izay mena-maso an-daoka no manao fatra-maina [2.69#190] |
| Teny iditra (3/7) | 9 mena |
| Sokajin-teny | 10 mpamaritra |
| Fanazavàna teny malagasy |
11 Sora-javatra na volon-doko manahatahaka ny an' ny ra na ny afo: Akanjo mena no nanaovany ka toa voamarik' ilay omby izy ka nenjehiny
[1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
12 red
[1.7] |
| Fanazavàna teny frantsay |
13 rouge
[1.3, 1.8] |
| Ohatra |
14 Tranon-drafodilahy trano mena!
[2.69]
15 Zavatra mena aby, ka tsy fantatra: [2.298] 16 Kibobo sy menamaso ka no hatahotra maso mena? [2.558] |
| Sampanteny |
|
| Renianarana |
|
| Anarana iray reny |
|
| Kamban-teny rehetra | 127 Fikambanana 184 amin' io teny io |
| Ohabolana | 128 Ohabolana misy io teny io |
| Tsanganana sy sary iray takila |
129 Ny Loko |
| Teny iditra (4/7) | 130 mena |
| Sokajin-teny | 131 mpamaritra |
| Fanazavàna teny malagasy |
132 [Bara] tezitra
[1.78] 133 Tezitra: Mena ny anao lahy raha vao nahare izay teny izay ha tafatsangana' ndeha hamely [1.1] |
| Fanazavàna teny frantsay |
134 emporté, rouge de colère, qui rougit de honte
[1.3] |
| Teny iditra (5/7) | 135 mena |
| Sokajin-teny | 136 mpamaritra |
| Voambolana | 137 Toe-karena: fiompiana |
| Tsanganana sy sary iray takila |
138 Soratr' omby |
| Sary |
|
| Teny iditra (6/7) | 140 meña |
| Sokajin-teny | 141 matoantenin' ny mpanao |
| Fanazavàna teny malagasy |
142 [Antesaka] mankany ...
[1.78] |
| Teny iditra (7/7) | 143 mena
![]() |
| Sokajin-teny | 144 endritenin' ny hoe mener |
| Ohatra |
145 Il mena à bonne fin cette affaire (Nasehaka izany raharaha izany izy)
[1.3]
146 Il mena les boeufs aux champs (Nanatitra ny omby ho any an-tsaha izy) [1.3] |
| Fivaditsoratra | 147 mane, mena, meña |
| Nohavaozina tamin' ny 2026/02/20 |
|